Inona moa ny PENTEKOSTA?


Inona moa ny PENTEKOSTA?

Ao amin’ny TT dia antsoina hoe “fetin’ny herinandro.” Ny anarany feno dia ny hoe חַג שָׁבֻעוֹת (chag shavu’ot, firavoravoan’ny herinandro na fetin’ny herinandro). Ny dikany ara-bakiteny dia “herinandro » (pluriel). Izy io dia ankalazaina amin’ny faha-6 n’ny volana Sivan, izay matetika mitontona amin’ny volana Mey sy Jona. Ny Shavuot dia 50 andro aorian’ny Pesach (Paska Jiosy) Ity fety ity dia natao ho fankalazana ny nandraisan’i Mosesy ny Didy Folo tao amin’ny tendrombohitra Sinay sy fankalazana ihany koa ny voaloham-bokatra eo amin’ny voankazo amin’ny “spring” (« lohataona » ve izany amin’ny teny Malagasy??) Fahiny tany Israely dia ny andro voalohany aorian’ny Paska (Jiosy) no fambolena ny varimbazaha ary ny andro faha 49 no fiotazana azy ka ny andro faha-50 no itondrana azy ho fanatitra ho an’Andriamanitra amin’ny Fetin’ny Herinandro: “Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin’ny andro iandohan’ny fijinjam-bary no hanisanao azy” (Deot 16:9).Ny Shavuot dia iray amin’ireo fety telo lehibe ankalazain’ny Jiosy dia ny Pesach (Paska), Shavuot (Fetin’ny Herinandro) ary ny Sukkot. Amin’ny Shavuot dia manao fivahinianana masina any amin’ny tempoly anyJerosalema ny Jiosy ary mitondra ilay fanomezana voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra. Fety firavoravoana io fety io araka izay voalaza ao amin’ny Deot 16:11: “ary mifalia eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ny tany izay hofidin’i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.” Anarana hafa iantsoana azy koa ny hoe “Fetin’ny voaloham-bokatra” (vakio ny Eks 23:16; 34:22; Lev 23:15–21; Nom 28:26–31; Deo 16:9–12)
Avy aiza ny teny hoe Pentekosta?
Io dia avy amin’ny fandikana ao amin’ny Testamenta Vaovao hoe πεντηκοστή, (tononina hoe pentēkostē) midika hoe “andro faha dimampolo,” izany hoe faha dimampolo andro aorian’ny Paska. Nandritra ny fankalazana io Shavuot (πεντηκοστή) tao Jerosalema io no nandatsahan’Andriamamitra ny Fanahy Masina. Misy ifandraisany ve ny fanomezana ny Didy Folo tao Sinay sy ny fankalazana ny voaloham-bokatra ary filatsahan’ny Fanahy Masina? Eny. (1) Tsy ny Lalàna intsony no hanery ny olona hanao izay sitrapon’Andriamanira fa ny Fanahy Masina no mampianatra ny mino rehetra amin’izay tokony hataony, (2) ny filatsahan’ny Fanahy Masina no manokatra ilay voaloham-bokatry ny filazantsara dia ny Fiangonana izay nanomboka tao Jerosalema ary hiely eran’izao tontolo izao.
“Fa hahazo hery hianareo amin’ ny hilatsahan’ ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’ i Jodia sy Samaria ary hatramin’ ny faran’ ny tany.”
(Asa 1:8)

Post a Comment

1 Comments