Mombamomba

 


Faly miarahaba anareo rehetra izay mitsidika ity blog ity ny tenako ary mirary ny fitahian'ny Tompo Jesosy hirotsaka aminareo. Mihetsika izao tontolo izao, mihazakazaka izay tsy izy ny teknolojia ampiasain'ny zanak'olombelona raha tsy hiresaka afa tsy ny fifandraisana aho. Voalaza matetika fa tsy manana kolontsaina mamaky boky ny Malagasy, tsy mitombina intsony izany ankehitriny raha ny zava-misy no jerena. Tato ho ato dia hita fa mirongatra izay tsy izy ny fampiasan'ny Malagasy ny aterineto (internet) indrindra ny mpianatra sy ny tanora. Izany dia hita amin'ny alalan'ny fibosesehan'ny tanora mamonjy ireny Cybercafé marobe any Madagasikara. Tsy mitovy ny antony mahatonga ny olona hampiasa ny aterineto, anankiray amin'izany ny antony efa voalazako tetsy ambony, fianarana.


Tsy latsa-danja amin'izany ny Kristiana satria marobe tsy tambo isaina ireo tahirin-kevitra na literatiora kristiana mahaliana sy manabe eo amin'ny fiainam-panahy azonao vakiana sy ampidinina ho fanananao. Nandritra ny roa taona nampianarako teolojia tao amin'ny SALT dia tsapako fa maro ireo mpianatra no mamonjy ireny Cyber ireny mba haka tahirin-kevitra na boky na artikla sns mba hanampy azy amin'ny fikarohana ataony indrindra fa momba ireo lohahevitra izay tsy dia ahitana boky voasoratra firy ao amin'ny tranomboky. Mila fitandremana anefa ny fampiasana ny aterineto. Voalohany, tsy atoro antsika intsony fa ny Kristiana dia olona efa nodiovin'Andriamanitra ary sarobidy aminy ny fahadiovantsika sy ny fahamasinantsika eo anatrehany: "Aoka ho masina ianareo satria masina Aho". Marobe ireo zavatra tsy mendrika ampiasaintsika Kristiana fa mitondra fiviliana na fahalotoana hita ao amin'ny aterineto. Faharoa, ho an'ireo mampiasa ny aterineto eo amin'ny fikarohana dia mila fisivanana ireo hevitra na tahirin-kevitra satria maro amin'izy ireny no tsy marim-pototra ara-Baiboly akory ary misy aza moa fanoherana sy fanamavoana ny finoana kristiana tsotra izao. Hoan'ireo mpianatra teolojia manokana izao no hafatro, tandremo fa ny eterineto dia mitovy amin'ny atiala be anankiray izay sady ahitana voankazo mahavelona sy rano madio manala hetaheta, nefa koa feno zavatra toa hanina nefa misy poizina mahafaty.


Izany antony izany no nahatonga ahy nanorina ity blog ity mba ahafahako mitondra anjara biriky eo amin'ny fanabeazana ny kristiana amin'ny alalan'ny fametrahako tahirin-kevitra teolojika araka izay tratra. Misaotra an'Andriamanitra aho fa afaka manao an'izao ary izay rehetra ataoko dia ho voninahiny irery ihany.


Pastora Olivier Randrianjaka, PhD
Mpampianatra Testamenta Taloha
Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia (SALT)
Ivory Avaratra, Fianarantsoa

Post a Comment

0 Comments