“Mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra” (2Tim 4:2)
HOMILETIKA I
Fanamarihana
Araka ny efa nolazaiko omaly dia tari-dàlana tsotra no
ataoko eto fa tsy natao hifaninana amin’izay mety fampianarana arahinao any
amin’ny fiangonana na sekoly teolojika misy anao akory. Ny manery ahy dia ny
fahenoako mpino loterana marobe milaza fa tsy mahay mitory teny satria hono tsy
mba nampianarina. Taona maro lasa izay dia nisy mpikambana tato nangataka ahy
hanao izao fampianarana izao saingy tsy tanteraka izany raha tsy izao. Harena
ho an’ny fiangonana ny fananana mpino sahy mandray andraikitra mitory ny
Filazantsaran’ny famonjena amin’ny hafa. Isika rehetra amin’ny maha mpisorona
sy mpaminany antsika dia mpitory teny daholo. Tsy asan’ny “professionnels” sasantsasany
ao am-piangonana akory ny fitoriana teny fa asan’ny vita batisa rehetra.
Inona moa ny toriteny?
Ny hoe “homiletika” no ilazana ny taranja teolojika momba ny
toriteny na fampianarana kristiana. Io dia teny io dia avy amin’ny anarana Grika hoe ὁμιλία (vakiana hoe homilia) izay hita ao amin’ny 1 Kor
15:33 sy ny matoanteny hoe ὁμιλέω (vakiana hoe homiléo) izay hita ao
amin’ny Lio 24:14-15; Asa 20:11; 24:26. Ny hevitry ny hoe homilia dia
“fiarahana” na “fikambanana” ary ny matoanteny kosa dia midika hoe “miaraka” na
“miresaka”. Raha ireo nojerena dia firesahana amin’ny olona miaraka amin’ny tena
no hevitra fototra ao amin’ny matoanteny hoe homiléo ary izay tokoa no
asa ataon’ny mpitoriteny. Ny teny hoe “sermon” kosa dia avy amin’ny latina hoe sermo
izay midika hoe “resaka”
Zava-dehibe amin’ny toriteny ny fahaiza-mampita
(communication) satria ny mpitory teny mahay dia izay mahatafita ny hafatra ao
amin’ny tenin’Andriamanitra toriny. Mifandray ary ilaina amin’ny taranja
homiletika koa ankoatry ny fahaiza-mampita ny “rhetorique” na ny
fahaiza-mandahateny.
Marihina fa sady Fanomezana (don) ny fahaiza-mitoriteny no
“art” ihany koa. Fanomezana satria Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy
Masina no loharano ipoiran’ny toriteny, “art” koa satria zavatra azo ianarana
sy hatsaraina ny fahaizana mitory teny.
Ireo fahadisoana mikasika ny toriteny
·
Tsy ilaina ny fanomanana fa
ny Fanahy masina dia ampy: diso izany fijery izany. Marina tokoa fa ny Fanahy
Masina no loharano sy mpitarika sy mpanoro lalalana ny mpitory teny nvoalohany
indrindra. Na izany aza anefa dia mila mandinika sy mamakafaka tsara ilay texte
hotoriana ny mpitory teny alohan’ny hitoriany teny. Ilaina ny mijery
“commentaires” amin’ireo hevitra na teny sarotra na kolontsaina tsy mahazatra.
Ilaina ihany koa ny manoratra sy mandahatra izany ho planina arahina.
·
Fahadisoana koa ny
mihevitra fa satria manana fahalalana betsaka dia afaka mitory teny. Tsy
asantsika ny toriteny sady tsy tenintsika no torina fa an’Andriamanitra. Nomena
fahefana isika hanambara ny teniny nefa tsy takatry ny saina maha olona ny
famoahana ny hevitry ny teny. Mila vavaka sy fiankinana tanteraka
amin’Andriamanitra na eo am-panomanana na eo am-pitoriana teny
·
Ianao no irahina hitory
teny: Tsy tokony haka tahaka fihetsika na fomba fiteny ataon’ny mpitory teny
hafa. Ianao sy ny momba anao no irahin’Andriamanitra hitory teny fa tsy ilay
olona alainao tahaka
·
Tsy kobay na basy famonoana
akory ny toriteny: tadidio fa olona reraky ny fiainana, marary, vesaran’ny
heloka sy fahadisoam-panantenana no manatrika anao. Ny toriteny ataonao dia
natao hampitraka sy hamelona ny maty fa tsy basy hitifirana azy
·
Tenin’Andriamanitra no
torina fa tsy fanehoana fihetsehampo akory ny toriteny. Maro amin’ny
mpitoriteny no vao mitory 2 mn fotsiny dia hita taratra avy hatrany ny ao
am-pony. Mivoaka ny fahatezerany ka indraindray aza dia manao teny mandratra ny
mpihaino izy.
·
Manana endrika ho an’ny
rehetra ny toriteny fa tsy natao hitifirana olona iray ihany. Tsaratsara kokoa
ny manatona ilay olona sy mananatra azy toy izay mandany 20 na 25 mn iresahana
tranga iray amin’ireo olona hafa izay liana famelombelomana sy fampaherezana
·
Ny mpitoriteny dia miteny
ny marina: teneno ny marina araka ny tenin’andriamanitra fa aza menatra na
matahotra. Tadidio fa hadinin’Andriamanitra amin’izay torintsika isika
(hitohy…)
TORITENY IVON’NY LITORJIA
TENY vs TORITENY
Zavatra roa samy hafa ny “Teny” sy ny “toriteny” nefa
matetika dia afangaron’ny olona. Amin’ny teolojia loterana dia manana ny
toerany lehibe ny Teny. Ny hoe “Teny” dia ilazana ireo endrika rehetra mety
ahatongavan’ny tenin’Andriamanitra amintsika; tafiditra ao anatin’izany ny teny
vakiana avy amin’ny Baiboly, ny hira fiderana, ny dinidinika ataon’ny samy
mpino ka mahatonga fampaherezana sy fananarana ary indrindra ny toriteny.
Voalazan’i Martin Lotera fa mandroaka devoly ny hira fiderana satria misy
tenin’Andriamanitra ao anatiny.
Mazava ho azy izany fa tafiditra ao anatin’ny Teny ny
toriteny. Fa inona moa no tena mahazava-dehibe ny toriteny ka ilazana fa io no
ivon’ny litorjia manontolo?
Amin’ny teolojia loterana dia manana ny toerany ambony noho
ny rehetra ny toriteny. Izany no mahatonga ny polipitra ho ambony noho ny
fanaka rehetra ao am-piangonana; ny toriteny no ivon’ny litorjia satria eo no
ihaonana sy ifanojoan’ny mpanota very amin’Ilay Andriamanitra fitiavana sy
Mpamonjy. Tany amin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia nidina tao
an-tendrombohitra Andriamanitra ka nihaona sy niresaka tamin’i Mosesy. Tsy
ahita izany fisehoan-javatra izany intsony isika ankehitriny fa ny toriteny no
“théophanie” ihaonany amintsika. Ny toriteny dia tsy inona fa Andriamanitra
mamangy ny mpanota ka manambara ny sitrapony sy ny fitiavany mba hahatonga ny
olona hahafantatra fa mpanota very izy ka hibebaka sy hino an’i Jesosy Ilay
hany famonjena ho azy.
LALANA vs FILAZANTSARA
Tsiandrian’ny teolojia loterana ny mahazava-dehibe ny Lalàna
sy ny Filazantsara. Inona marina moa ny “Lalàna” amin’ny teolojia loterana? Tsy
ilay lalàna mahazatra antsika akory no tian’i Lotera nolazaina raha nampianatra
izany izy. Ao amin’ny Testamenta Taloha dia ireo zavatra takian’Andriamanitra
tsy maintsy arahina no atao hoe lalàna. Maro ireo fampianarana ankehitriny
manodidina ny fitandremana ny lalàna. Ao ireo milaza fa foana ny Didy Folo, ao
ireo milaza fa tsy maintsy arahina an-tsakany sy an-davany ireo lalàna toy ny
Sabata raha te hahazo famonjena. Inona no ambaran’ny teolojia loterana mikasika
ny lalàna ary inona no toerany eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana?
Misy roa ny fampiasana ny Lalàna neken’i Martin Lotera:
(1)
Fampiasana politika na
sivily (usus politicus sive
civilis): ny lalàna dia natao mba hiarovana amin’ny fahotana sy hitandrovana
ny filaminan’ny fiaraha-monina ka amin’izany ny asan’ny lalàna dia miaro sy misakana
ny olona tsy hanao ratsy
(2)
Fampiasana pedagojika (na teolojika)
(usus elenchticus sive
paedagogicus): ny Lalàna dia mampifanatrika ny olona amin’ny
fahotana ka mahatonga azy handà ary ny lalàna koa dia mitarika ny olona ho ao
amin’i Kristy, izany hoe, ny Lalàna izany dia toy ny fitaratra izay ahitan’ny
olona ny tena maha mpanota azy. Ny Lalàna no miteny amin’ny mpanota fa mpanota
izy ary very sy maty ao amin’ny fahotana. Amin’izany, hoy i Martin Lotera, dia
tonga mpampihorohoro ny mpanota ny Lalàna ka milaza aminy fa ho very
mandrakizay izy raha tsy mibebaka. Ny Lalàna no miampanga azy fa tsy
nahatanteraka ny Lalàna izy ka meloka. Izany no antony mahatonga antsika hiteny
fa “mamono ny Lalàna”
Ny Filazantsara kosa dia ilay fanomezan’Andriamanitra ho
an’ny mpanota. Raha namaritra ny atao hoe Filazantsara i Martin Lotera dia hoy
izy: “ny Filazantsara dia Ilay Zanak’Andriamanitra nirahin’ny Rainy ho tonga
nofo teto an-tany, nijaly, ory, novonoina, maty nisolo ny mpanota nefa
nitsangana tamin’ny maty ka mipetraka eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra
mifona ho antsika”. Nefa nolazainy fa “tantara” ihany izany ary tsy misy
ifandraisany aminy. Fa io Filazantsara io dia nolazainy fa “ho ahy”. Mijanona ho
tantara io, hoy izy, mandrapahatongan’izany “ho ahy” sy “ho antsika”. Rehefa
tonga “ho ahy” io Filazantsara io vao afaka manova ny fiainako satria tonga
“maty ho ahy ho an’ny fahotako i Jesosy”, “nitsangana ho ahy Izy” “mifona ho
ahy eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra Izy”. Eo amin’ny toriteny no
ampahafantaran’ny mpitory teny fa “ho an’izay mihaino” azy izany Filazantsara
izany. Ny Filazantsara dia tsy inona fa ny hanambaran’Andriamanitra ny famelàna
ny helotsika sy hanamarinany antsika amin’ny fahasoavany noho ny asa fisoloana
nataon’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana.
Inona moa no ilantsika izany rehetra izany eo amin’ny
fianarana toriteny?
Satria eo amin’ny toriteny no anaovan’Andriamanitra izany
asa lehibe tsy takatry ny saintsika izany. Tadidio fa ny toriteny dia tsy
maintsy ahitana Lalàna sy Filazantsara. Tsy maintsy ampahafantarina ny olona ny
maha mpanota azy ary ambara aminy koa fa mamelatra ny tanany Andriamanitra
handray izay rehetra mibebaka sy mino an’i Jesosy. Diso ny filazana fa ny ao
amin’ny Tesatamenta Taloha dia Lalàna ary ny ao amin’ny Testamenta Vaovao no
Filazantsara. Nambaran’i Martin Lotera fa misy Filazantsara ao amin’ny
Testamenta Taloha ary misy Lalàna koa ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tsy azo
sarahina ireo fa miaraka mandrakariva mba ahatonga fibehana eo amin’ny olona
mihaino.
Eo amin’ny toriteny dia manatona an’Andriamanitra mitondra tànana
foana ny mino ka “mangataka” amin’Andriamanitra. Avy aiza ny finoana? Eo
amin’ny toriteny no amoronan’Andriamanitra ny finoana. Toy ny namoronany izao
tontolo izao avy tamin’ny tsy misy tamin’ny alalan’ny Teniny no amoronany
finoana ao am-pon’ny olona amin’ny alalan’ny toriteny.
Tsarovy fa “mpitoriteny” isika rehetra.
NY FITORIANA TENY NO ASA BE VONINAHITRA INDRINDRA
“Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly
ery an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa
mahafaly sady mitory famonjena” (Isa 52:7)
Raha misy manontany hoe inona no asan’ny Fiangonana
kristiana, dia ataoko fa na misy aza ireo asa marobe ataony dia ny fitoriana
teny no voalohany sy fototra ijoroan’izany. Tsy azo antsoina hoe Fiangonana ny
fiangonana iray raha tsy misy toriteny. Ny toriteny no asa ambony sy be
voninahitra indrindra izay napetrak’Andriamanitra amin’ny olona. Tadidio fa
mpanota isika no nodioviny, maloto molotra sy fahavalo nefa nampihavaniny sy
nodioviny mba haninona? Mba hitory ny teniny. Nahatsapa izany Isaia mpaminany
rehefa nantsoina ka nilaza hoe “Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy
maloto molotra” (Isa 6:5) Ambaran’i Petera fa nalain’Andriamanitra ho an’ny
tenany isika mba hilaza ny hatsaran’Izay niantso antsika.
Hatrany amin’ny fiandohan’ny Fiangonana kristiana dia ny
toriteny no nanomboka ny zavatra rehetra. Raha vao nanomboka ny asany i Jesosy dia
ny fitoriana fibebahana: “Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny
fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara. (Mar 1:15)
ary ny asany rehetra dia fitoriana teny avokoa. Ny fiangonana voalohany dia
nanomboka tamin’ny toriteny nataon’ireo apostoly rehefa nilatsaka ny Fanahy
Masina tamin’ny Pentekosta (Asa 2) Ny asa rehetra ao amin’ny fiangonana dia azo
avela raha misy antony tsy maintsy hanaovana izany, afatsy ny toriteny ihany.
Tsy fanompoam-pivavahana ny fanompoam-pivavahana iray raha tsy misy toriteny.
Ny mpitory teny dia olona nomen’Andriamanitra fahefana
hitondra ny teniny. Tonga sakaizany, omeny voninahitra sy hery ary ampianariny
manokana. Nohamarininy ka lasa “malala eo imasony” ary itokisany hilazana
tsiambaratelo ho an’ny olony. Tsy asa nofidina hatao ny fitoriana teny fa asa
niantsoana sy nanendren’Andriamanitra “tsy maintsy hataon’ny mino rehetra”.
Mpaminanin’Andriamanitra ny mpitory teny. Ny atao hoe “mpaminany”
dia izay nirahina hitondra sy hanambara ny tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy
milaza amin’ny mpaminaniny Andriamanitra alohan’ny hanaovany zavatra eo amin’ny
olony: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny
heviny amin'ny mpaminany mpanompony.” (Amo 3:7) Mba fantatrao ve fa tsy hanary
olona any amin’ny helo Andriamanitra raha tsy efa naniraka mpitory teny
nampahafantatra azy? Tadidio fa aina sy fanahin’olona no anirahana anao
hitoriana. Handrombaka fanahin’olom-bery no asa anirahana anao ka miomana
mandrakariva. Izany no nahatonga an’i Paoly nilaza fa “mitoria ny teny,
mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra,
mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. (2Tim
4:2)
Be voninahitra ianao, tsy misy sekoly afaka mamoaka
manam-pahaizana afaka manao ny asanao, ka aza atao tsirambina. Asa ambony ary
tsy misy afaka manao izany afa tsy izay nantsoina sy nomen’Andriamanitra
fahefana ihany; Ianao izany olona izany, arahabaina manokana ianao!
HOMILETIKA 5
IREO KARAZANA TORITENY
Izao indray vao afaka nitohy ny fampianarana noho ny asa
marobe niandreketana. Manomboka hiditra amin’ny tari-dàlana amin’ny fanomanana toriteny
amin’izay isika. Androany dia hojerentsika ireo karazana toriteny misy. Marobe
ny karazana toriteny azo atao fa ny sasany amin’izy ireo ihany no hojerentsika
androany:
1.
Toriteny “thematique”:
mitady lohahevitra iray ao amin’ilay perikopa ilay mpitoriteny dia io no
voaboasany sy hazavainy. Antsoina amin’ny teny anglisy hoe “big idea preaching”
2.
Toriteny ombam-panazavana
soratra masina (expository preaching): hazavain’ilay mpitory teny amin’ny
antsipirihany ilay perikopa ka matetika dia ataony isan’andininy izany. Ity
karazana toriteny iray ity dia mitaky fahalalana tsara ny ny hevitra biblika
amin’ny andininy tsirairay. Matetika dia hazavaina miainga avy amin’ny teny
fototra ireo teny mavesa-danja mba hahazoan’ny olona ny hevitra ambarany
3.
Toriteny miainga avy amina
tantaram-piainan’olona iray ao amin’ny Baiboly (biographical preaching): maka
olona malazan’ny finoana na olona azo akana lesona izay hita ao amin’ilay
perikopa na tantaran’olona iray manontolo ny mpitory teny dia io no hazavainy
sy hanatsoahany lesona ho an’ny mpihaino. Oh: Abrahama, dia tantarainy sy
hazavainy ny lalana nandalovan’i Abrahama toy ny fiantsoana, ny olana momba ny
fahamombana, ny fizahantoetra sns
4.
Toriteny dogmatika
(dogmatic preaching): jeren’ilay mpitoriteny ny lohahevitra dogmatika ao
anatin’ny perikopa ka io no hazavainy. Oh., ilay toriteny tamin’ny Alahady lasa
teo (Mat 15:21ff momba ilay vehivavy kananita) dia azo atao miendrika dogmatika
ka ny resaka finoana no voaboasana.
5.
Ny toriteny amin’ny persona
voalohany (FPS: First Person Sermon): ity dia fomba fitoriana ireo tantara ao
amin’ny Baiboly. Maka ny toeran’ilay olona tantaraina ao amin’ny Baiboly ny
mpitoriteny ary dia toa izy mihitsy ilay olona ka mampiasa ny hoe “izaho” na
“izahay” izy eo am-pitoriana teny. Ny tanjona dia ny hahatonga ny mpihaino hiaina
ilay tantara tsara ao am-pony
6.
Mbola hojerentsika sy
ianarantsika ireo karazana toriteny ireo miaraka amin’ny ohatra ary miomana
hanao fampiasana
Hojerentsika rahampitso ireo fomba efatra azo
izarana ny toriteny
HOMILETIKA 7
Hojerentsika androany ireo fomba efatra azo izarana ny
toriteny. Tsy inona ireo fa ny “declarative sermon”, “pragmatic sermon”, “ny
visionary sermon”, ny “narrative sermon” ary ny “integrative sermon”. Ndao ary
hojerentsika tsirairay ireo:
(1) Ny “declarative sermon”:
Ity karazana fomba fitoriana teny ity dia tsy dia fahita
loatra ao amin’ny Fiangonantsika. Ireo mpitoriteny any amin’ireo fiangonana
lehibe (mega church) any Amerika no tena mpampiasa azy. Ahoana ny fomba
fitoriana teny amin’ny “declarative sermon”?
Mitovy amin’ny mpisolovava eo amin’ny fitsarana no ataon’ny
mpitoriteny. Miasa betsaka ny atao hoe “arguments” ka miezaka ilay mpitoriteny
manohana ny heviny amin’ny alalan’ireo “arguments” arosony mba hohita fa marina
ny hevitra (angl. Premise, fran. premisses) any amin’ny famaranana. Raha marina
ny “premise” dia tsy maintsy marina koa ny “conclusion”.
Oh. Argument: ny olona tsara dia tsy mba milaza ny tenany ho
Andriamanitra raha tsy Andriamanitra tokoa izy.
Premises: (1) ny olona izay milaza fa Andriamanitra nefa tsy
Andriamanitra dia na izy adala na izy mamitaka; (2) ny olona adala sy mamitaka
dia tsy olona tsara.
Marina ny arguments satria marina ny conclusion. Ndao
hampiharina amin’i Jesosy izany:
·
Jesosy dia nilaza ny tenany
ho Andriamanitra
·
Jesosy dia tsy adala
·
Jesosy dia tsy mpamitaka
Io no ampiasain’i Paoly ao amin’ny Rom 8. Fampiasana ho anao,
jereo daholo ireo “arguments” ao dia alaharo. Matanjaka ve ny arguments
ampiasain’i Paoly sa malemy?
Toy izao ny firafitry ny toriteny mampiasa ity fomba ity:
·
Fampidirana
·
Vatan’ny toriteny:
(1)
Teboka voalohany:
fanazavana, illustration, fampiharana
(2)
Teboka faharoa: fanazavana,
illustration, fampiharana
Sns
·
Famaranana
(2) Pragmatic sermon:
Ny “pragmatic sermon” dia tena hita sy henontsika matetika
amin’ireny haino aman-jery ireny. Ny pragmatic sermon dia tsy inona fa ny
toriteny izay miainga avy amin’ny filan’ny mpihaino ka iny no itadiavana
vahaolana ao amin’ny soratra masina. Tonga dia ireo olana an-davan’andron’ny
olona no fototra iaingany. Angamba io ilay antsointsika hoe “toriteny
fifohazana”? Mora azo sady mahaliana ny olona ity toriteny ity satria mandona
ny fony avy hatrany ary ahazoany fanantenana amin’ireo zavatra mahory azy eto
an-tany. Tonga dia ireo zava-tsarotra iainan’ny mpihaino toy ny olana ara-bola,
tokantrano mikorontana, olana amin’ny fitadiavana asa na vady, fianarana, sns
no votoatin’ny toriteny sy ny hafatra manontolo hany ka liana dia liana ny
mpihaino. Ireo fiangonana zandriny dia tena mampiasa azy ary izany no isan’ny
antony mahatonga firoboroboana be amin’izy ireny. Ao anatin’ny vanim-potoana
iainan’ny olona ny antsoina hoe “efitra ara-panahy” izao. Tototry ny olana na
ara-materialy na ara-panahy ny olona ka tena ilainy ny teny mitondra fanantenana
tsy amin’ny zavatra ara-panahy ihany fa indrindra indrindra koa ny momba ny eto
an-tany. Isan’ny ampiasan’ireo mpivoy ny “teolojian’ny fahombiazana”
(prosperity theology) ity fomba fitoriana teny ity.
Averimberiny matetika ireo olana sy ireo fanontaniana izay
tena apetraky ny olona matetika toy ny hoe “maninona no tsy mety mahazo vady
aho?”, “maninona no tsy mba mahomby eo amin’ny fiainana aho?”, “maninona no
mbola voafatotra amin’ny fahazaran-dratsy aho?”, “maninona no tsy mety mahita
asa ivelomana aho?” Voasambotra tanteraka ny fieritreretana sy ny fisainan’ny
mpihaino ka mora amin’ny mpitory teny ny mamaly ireo fanontaniana ireo amin’ny
hoe “mbola mila tapahana ny ozona eo amin’ny fiainana aloha” na ny hoe “Jesosy
irery no afaka mamaha ny olana eo amin’ny fiainanao” sns maro.
Tokony ho tadidintsika mpitory teny fa ireo olona tonga mihaino
ireo dia olona manana olana sy fanontaniana be dia be izay miandry antsika
hamaly izany amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra.
Firafitra:
Ny firafitr’ity karazana toriteny ity dia mifototra amin’ireto:
(1)
Inona ilay mistery na
fanontaniana tsy ahitana valiny, oh. Maninona no tsy mahita asa aho?
(2)
Hazavaina bebe kokoa ilay
fanontaniana, oh: efa nitady sy nampiasa fomba maro nitadiavana asa, manana
diplaoma ambony nefa tsy mety mahita asa
(3)
Lazaina ireo antony
mahatonga izany, oh: sao dia tsy ampy traikefa? Sao dia miavona loatra ka vao
eo amin’ny interview dia efa mihintsana? Sns
(4)
Manome porofo mikasika izay
mety ho antony nahanga ilay tsy fahitana asa
(5)
Manome valiny miorina
amin’ny fitiavan’i Jesosy, oh: satria ianao nitady fomba hafa tsy niaraka
tamin’i Jesosy dia tsy nahita asa, na satria tsy mbola tapaka ny ozona eo
amin’ny fiainanao…
Izay indray aloha ny androany fa rahampitso dia hijery ny
“narrative sermon” isika.
(3) Narrative Sermon
Ity fomba fitoriana teny ity dia mampiasa ny fahaizana
mitantara sy mampiaina ireo tantara ao amin’ny Baiboly. Tadidio fa ny 80% n’ny
Testamenta Taloha dia tantara (narratif) avokoa. Midika izany fa raha mahafehy
ny fahaizana mitory ireo tantara ireo ny mpitory teny dia mahazo tombony satria
afaka mitory ny 80% n’ny Testamenta Taloha.
Vanim-potoana mampalaza ny sarimihetsika sy tantara ny andro
iainantsika. Mora kokoa ny mampita hevitra amin’ny alalan’ny tantara raha tena
hain’ny mpitory ny mampiaina sy mampitohy ilay tantara sy ny mpihaino azy. Io
no tena tanjona amin’ny “narrative sermon”. Atao izay hampiaina ilay tantara
niseho tany amin’ny andron’ny Baiboly mba hahatonga ny mpihaino ankehitriny
hiaina izany ho tahaka ny nanatri-maso.
Tadidio anefa fa ny tena tanjona dia tsy ny hamalifaly ny
mpihaino fa ny hampita ny fitiavan’Andriamanitra izay niseho tao amin’ilay
tantara. Raha hain’ilay mpitory teny ny mampita sy mampiaina ilay tantara dia
lasa tafita ho azy ny hafatra ao amin’ilay tantara. Amin’ny fomba fiteny teknika
dia antsoina hoe “analyse narrative” ny fijerena ireo singa tsirairay
mandrafitra ny tantara iray. Ireo tantara rehetra hitantsika ao amin’ny Baiboly
dia ahitana ireto fizarana ireto:
- fampidirana ahitana ireo olona sy toerana ao anatin’ny tantara (setting, characterization)
- fampidirana ny olana/krizy hovahana
- tampon’ny ilay olana/krizy hovahana (eto no ahitana ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra)
- famahana olana
- famaranana (ahitana ny vokatr’ilay famahana olana)
Oh: ny tantaran’i Davida sy Goliata dia ahitana ireto
fizarana ireto:
- filazana mikasika an’i Davida sy ireo miaramila
- mampitahotra handringana ny miaramila israelita ny Filistina
- mifanandrina Davida kely sy Goliata goavana be
- Andriamanitra no niaraka tamin’i David ka nandresy izy na dia tsy nanana fitaovam-piadiana mahery aza
- resy ny miaramila Filistina ary voavonjy ny israelita
Conclusion: Manampy izay mahatoky sy miara-mandeha aminy
Andriamanitra
Ireo ihany koa no tonga dia firafitra itondrana ny toriteny.
Rahampitso dia hojerentsika ny toriteny antsoina hoe “visionary sermon”.
Hotahian’i Tompo Jesosy daholo isika rehetra.
(4) Visionary Sermon
Efa nahita ny fandaharana vokarin’ny FLM ho an’ny moana
marenina tao amin’ny vata fahitalavitra ve ianao? Raha efa nahita izany ianao
dia ho mora aminao ny mahazo ny “visionary sermon”. Ity fomba fitoriana teny
ity dia tsy inona FA ny fomba fampitàna ny hafatry ny tenin’Andrimanitra
amin’ny alalan’ny fomba hita maso sy ren’ny sofina. Izany no ilazan’ny
mpandinika sasany fa izay mampiasa azy dia tsy maintsy mahay mampita hafatra
amin’ny fomban’ny “kanto” (art). Mba hahatafita tsara ny hafatra entiny dia
mampiasa ireo fomba mivaingana hita maso sy ren’ny sofina ilay mpitory teny toy
ny kisarisary, zavatra mivaingana hita maso. Ohatra ity mpitory teny iray izay
nitory teny avy tamin’ny Levitikosy dia naka ondry mba ho hitan’ny olona maso
sy ho tsapany tokoa izay ambaran’ny Testamenta Taloha momba izany biby izany.
Maro ireo fiangonana an-drenivohitra no efa mampiasa ireny “video
projecteurs” ireny ankehitriny saingy mampalahelo fa tsy mampiasa ireny ny
mpitory teny fa mbola variana amin’ilay fomba fitory nahazatra hatramin’izay ka
ny teny sy feo ihany no ampiasainy. Tadidio fa olombelona feno no mihaino ny
toriteny ary tokony ho hain’ny mpitory teny ny mampita ny hafatra entiny mba
hipaka amin’ny olona rehetra sy ny ny olona manontolo mihaino azy izany. Tena
ho mora amin’ny mpitory teny ny mampita ny hafatra amin’ny ankizy sy ny tanora
raha mampiasa ireny fitaovana fandefasana sary ao am-piangonana ireny ny
mpitory teny. Hangina tsy hitabataba ny SA ary hifantoka sy handray tsara ny
hafatra ny tanora. MISY MIHAINO!!!
Ahoana re ny hamoran’ny handraisan’ny rehetra ilay tantara
malaza “ny zanaka adala” raha sady mitantara izany ny mpitory teny no mandefa
sary mihetsika na sary tsotra mampiseho ireo dingana nolalovan’ilay tanora
nandao ny tranon-drainy mandritra ny toriteny e? tsy voafetra ny zavatra kanto
azon’ny mpitory ampiasaina mba hampivoaka tsara ilay toriteny. Azo atao ny
mampiasa powerpoint misy kisarisary, zavatra mivaingana hita maso toy ny
tantara kely sns. Alaivo sary an-tsaina hoe hampianatra mikasika ny vary sy ny
tsimparifary ianao, ho mora kokoa ny hahazoan’ny ankizy ilay fanoharana raha
mitondra tena vary maniry sy tsimparifary ianao ka asehonao ny SA. Zava-dehibe
ihany koa ny fahaizan’ny mpitory mampiasa ny lantom-peo (ton) toy ny
mampalahelo, tezitra, faly sns araka izay mifanaraka amin’ny hafatra entiny.
Hojerentsika farany rahampitso ny “integrative sermon” dia
vita daholo ireo fomba 5 azo ampitana ny toriteny. Amin’ny herinandro ambony
iry dia miditra amin’ny pratika momba ny fanomanana toriteny amin’izay isika.
Haka ohatra mivaingana isika mba ahafahan’ny rehetra manaraka sy mianatra tsara
izany.
Tia anao Jesosy.
(5) Integrative sermon
Raha ny marina dia tapitra teo amin’ny “visionary sermon”
ireo fomba fitoriana teny. Ity fahadimy farany ity dia ho an’ireo izay tsy te
hijanona amin’ny fomba iray ihany. Azo atao tsara mantsy ny manambatra azy
efatra ireo mba hahafahan’ilay mpitory teny miteny sy mampita ny hafatra
amin’ny antokon’olona rehetra mihaino azy.
Izay mampiasa ity fomba fitoriana teny ity dia afaka
mampiasa ireo singa hita tamin’ireo fomba efatra hita teo aloha:
1- Mampiasa ilay fahaizana mandresy lahatra amin’ny
alalan’ny “arguments” sy lojika hita tao amin’ny “declarative sermon”. Tokony
hazava sy mitombina tsara amin’ny alalan’ny fanazavana misy rindran-kevitra ny
toriteny. Tsy maintsy havoitra amin’ny fomba mazava sy milamina ary misy
zotran-kevitra voatohana tsara ireo teboka lehibe ao amin’ny toriteny
2- Ilaina ny mamoaka ny fanontaniana miompana amin’izay tena
ilain’ny mpihaino eo amin’ny fiainany an-davan’andro na izay tsy ahitany
valiny. Inona ny olana sy ireo zavatra mampahory ny mpihaino ka mahamaika azy
hanatona an’Andriamanitra? Inona maona no tadiaviny?
3- Inona ny endrika tantara ao anatin’ilay toriteny ka mila
hazavaina amin’ny fomba manokana amin’ny mpihaino? Ahoana ny fomba hitantarana
izany tantara izany mba hahatonga ny mpihaino hiaina izany bebe kokoa?
4- Ahoana ny fomba hanehoana ilay toriteny amin’ny fomba
hita maso sy ren’ny sofina (visionary sermon)? Amin’ny alalan’ny kisarisary ve
sa sary mihetsika? Inona avy ireo fitaovana hampiasaina mba hampivoaka izany?
Ny tanjona amin’ny “integrative sermon” ity dia ny fahaizana
mampiasa ireo fomba efatra teo aloha mba hampanan-karena kokoa ny toriteny.
Izay ny amin’ireo fomba fampitana toriteny fa hojerentsika
rahampitso amin’izay ahoana ny fomba fanomanana toriteny manaraka ny
“declarative sermon” na antsoina amin’ny fomba hafa koa hoe “big idea
preaching” na ilay mahazatra antsika hoe “toriteny thematique”
HOMILETIKA 8: FANOMANANA TORITENY
Hanomana toriteny aho, inona no hataoko?
Maro taminareo no nandefa MP taty amiko niandry fatratra ny
tena fomba fanomanana toriteny. Alohan’ny zavatra rehetra dia ny vavaka vavaka
vavaka; alohan’ny handraisana Baiboly hijery teksta hotorina dia fantaro mazava
tsara ireo olona hihaino anao. Raha azo atao dia tsy maintsy fantatrao hoe karazan’olona
manao ahoana no hihaino, zaza ve sa tanora sa antitra no ho betsaka ao. Tadidio,
araka ny efa nolazaiko tany aloha, fa fampitan-kafatra (communication) ny
toriteny ka tsy maintsy tandrify sy mifanaraka amin’ny olona mihaino na ny
“style” na ny fomba fampitan-kafatra ampiasaina.
Ny toriteny “thematique” na “declarative sermon” na koa “big
idea preaching” no hanombohantsika azy. Ny antony dia satria io no tena
ampiasaina ato amin’ny FLM ary ho mora amintsika izay manaraka ity fampianarana
ity ny hianatra amin’ny alalan’ireny toriteny henontsika ireny rehefa mahazo
toro-lalana eto isika. Ny toriteny “thematique”, araka izany anarany izany, dia
toriteny miorina amina lohahevitra iray izay tsoahana avy ao amin’ny texte
torina ka io no velabelarina sy tohanana tsara. Raha atao an-tsary dia ilay
lohahevitra no tranobe ajoro ka ireo andry mihazona azy no fizarana hita ao
anatin’ilay toriteny.
Ohatra, lohahevitra: Mamonjy ny mino azy i Jesosy
Zana-kevitra
(1) mamela heloka Izy
(2) mamasitrana Izy
(3) manafaka amin’ny herin’ny maizina
Izy
Ny fanontaniana matetika mipetraka dia ny hoe ahoana no
fomba hananganana ilay lohahevitra? Valiny: misy dingana telo tsy maintsy
arahintsika mba hahafahana mahazo ilay lohahevitra, dia ireto avy izany: (1)
fifidianana texte hotorina (2) fandalinana ilay texte (3) fijerena ny lohahevitra
Ndao hojerentsika tsirairay ireo:
(1) Fifidianana ny texte hotorina
Ho anay pastora dia tsy misahirana izahay raha hitory ny
alahady maraina satria efa manana ireo textes voarakitra ao amin’ny perikopa,
dia io no harahina. Ho an’ireo hitory hafa kosa sy amin’ny toe-javatra sy
endrika hafa dia tsy maintsy mifidy texte hotorina izy. Ahoana ary ny fomba
hifidianana ny texte hotorina?
Voalohany dia tsy maintsy fantatrao izay heverinao sy
tsapanao fa tandrify ny olona hitoriana teny. Rehefa mivavaka isika dia miasa
ny Fanahy Masina ka mitari-dalana amin’izay texte tandrify izany. Tokony hanana
zavatra na hevitra tiana havoitra ao anatin’ilay toriteny ianao. Izay no
maha-zavadehibe ny fahafantarana ny mpihaino mialoha. Ohatra, mikasika ny
“fahatokian’ny mino an’Andriamanitra” no tianao havoitra dia io no iaingana
hitadiavana ny texte. Fadio ny manao an-tsapaka ny texte hotorina. Misy ireo
minomino foana ka mihevitra fa rehefa avy mivavaka dia manokatra ny Baiboly ka
izay texte hitany eo no nomen’Andriamanitra azy. Tsy azo antoka ho marina izany
ka aleo mijery tsara ny hevitra tian havoitra dia avy eo mamadibadika baiboly
mitady izay texte tandrify izany, io no tena azo antoka fa avy amin’i Jesosy
marina.
(2) Fandinihana ny texte
Dingana lehibe amin’ny fanomanana ny toriteny ny fandinihana
ny texte. Ny texte mantsy no hotoriana ka tsy maintsy mahafantatra tsara izay
ambaran’ny texte ny mpitoriteny izay vao afaka manambara ny hafatra. Fadio ny
mihevitra fa efa mahazatra ahy ity texte ity ka efa fantatro ny ao anatiny.
Mila mandinika lalina isika ary mikaroka araka izay azo atao vao mamoaka ny
lohahevitra.
Ny fitaovana ilaina: Baiboly, taratasy,
fitaovam-panoratana. Raha azo atao dia tsara raha manana baiboly amin’ny
“versions” maromaro mba hahafahana manao fampitahana; raha azo atao dia ilaina
koa ny manana rakibolana biblika sy konkordansa. Ho an’ireo izay afaka manao
izany dia ilaina ny manana rakibolana amin’ireo fiteny biblika toy ny Hebreo,
Aramaika ary ny Grika. Marihina fa tsy voatery mahay teny fototra ianao vao
afaka hitory teny. Inona avy ary no hatao?
1. Ilaina ny mahafantatra ny toe-javatra misy ilay texte sy
izay resahiny ao anatiny (contexte). Jereo inona no lazaina eo alohany sy
aorian’ilay texte hotoriana. Matetika mantsy raha fanoharana no torina dia misy
toe-javatra mialoha nitranga nahatonga an’i Jesosy nanao ilay fanoharana. Mila
jerena koa ny zavatra nitranga taorian’izany mba hahafahanao mahita inona no
vokatr’ilay fanoharana nataony.
Ndao ange hojerentsika ny fanoharana ny amin’ilay “zanaka
adala” (Lio 15:11 snm) Matetika ny mpitory teny aty amintsika no avy hatrany
dia manindry ilay zandry (zanaka adala) ary saika tsy miresaka mikasika ilay
zokiny mihitsy. Rehefa mijery tsara ny “contexte” misy io fanoharana io anefa
isika dia hahita fa ny nahatonga an’i Jesosy hanao io fanoharana io dia ilay
miseho eo aloha eo amin’ny and. 1, 2: “Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny
mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana
aminy” (Lio 15:2) Nimonomonona ny fariseo satria aminy raha tena Andriamanitra
i Jesosy dia tsy tokony hifangaroharo amin’ny mpanota maloto. Tsy izany ihany
fa ao ambadik’izany dia mialona izy ireo satria mievitra fa ho azy ihany ny
famonjena fa tsy natao ho an’ny mpanota. Io no nahatonga an’i Jesosy nanao ny
fanoharana voalohany mikasika ny ondry very ka nandanian’ny tompony fotoana
nitadiavana azy (Lio 15:3–10) Nasehon’i Jesosy fa sarobidy amin’Andriamanitra
ny mpanota ka tsy foiny hisy ho very na dia iray aza. Ny fanoharana ny amin’ny
zanaka adala izany dia nanitsian’i Jesosy ireo fariseo nimonomonona ka raha
jerena akaiky dia hitantsika fa ny sary ampiasain’i Jesosy dia nilazany fa ilay
zokiny no fariseo ary ny zandriny ny mpanota nanatona an’i Jesosy.
Ankoatr’izany dia mila fantatsika ny amin’ireo toerana
samihafa nisehoan’ilay tantara ary indrindra indrindra ireo matoanteny sy fomba
fiteny izay ahafahana mahita ny hevitra ao anatin’ilay texte. Raha ny marina
dia mila manao heviteny kely mihitsy isika na dia tsy teolojiana aza. Hojerentsika
rahampitso ahoana ny fomba azo anaovana izany.
(hitohy)
9 Comments
Misaotra Pastora a! Ita hoe manantsara ny fomba fitorina teny ity fampianarana ity @lafiny rehetra mihitsy! Mankasitraka e!
ReplyDeleteMankasitraka tompoko! Tohizo fa tena tsara
DeleteMisaotra mamaky, mahaiza mizara amin'ny hafa
ReplyDeleteThis comment has been removed by the author.
ReplyDelete
ReplyDeleteMisaotra betsaka anao ry pastora nanome an'ity
Famaritana
ReplyDeleteTs nitohy itsony ve le fampianarana tiriteny o!
ReplyDeleteHanohy amin'izay aho fa sahirana kely tao ho ao
DeleteHanohy amin'izay aho fa sahirana kely tao ho ao
ReplyDelete