Ny Mpaminany Sandoka araka ny Testamenta Taloha


NY MPAMINANY SANDOKA ARAKA NY TESTAMENTA TALOHA

1.     Taridresaka

Anankiray amin’ireo fisehoan-javatra nanana ny maha izy azy ao amin’ny Testamenta Taloha ny faminaniana. Ireo soratra mirakitra ny faminaniana no antoko lehibe faharoa amin’ny Soratra Masina Jiosy manarakaraka ny Torâ. Nanana ny toerany lehibe teo amin’Israely sy ny fiaraha-monina ny asa faminaniana. Ny antony dia satria ireo mpaminany ireo no vava nampiasain’Andriamanitra hilaza ny hafany teo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Ny mpaminany no nirahin’Andriamanitra hampahafantatra ny vahoakany ny làlana tokony hizorany mba hahazoany famonjena sy fiadanana.
Tsy tany Israely fahizay ihany anefa fa tato ho ato dia hita fa mirongatra ireo fisehoan-javatra izay lazaina fa faminaniana eto Madagasikara. Maro ireo olona milaza azy ho mpaminany ka milaza fa nahazo hafatra ho an’ny firenena manontolo ary misy kosa ireo miasa ao anatin’ny Fiangonana. Marobe ny mametra-panontaniana ny amin’izy ireny na tena mpaminany marina izy ireny na tsia.
Voalaza mazava ao amin’ny soratra masina mantsy fa nisy tokoa ireo mpaminany nantsoina hoe “sandoka.” Somary mifangaro amintsika ankehitriny ny mikasika azy ireo. Matetika dia ny fahatanterahan’ny zavatra lazain’izy na ny fahavitany fahagagana no ilazana azy fa mpaminany marina. Inona marina moa no ambaran’ny Testamenta Taloha mikasika ny mpaminany sandoka ary inona avy ireo toetra ahafantarana azy ireo? Ireo fanontaniana ireo no hezahantsika hovaliana ao anatin’ity lahatsoratra fohy ity.   

2.     Voambolana

Ny teny hoe “mpaminany” dia iraisan’ireo fiteny semitika manodidina ny Israely. Ny matoanteny Hebreo (amin’ny manaraka eo Heb) hoe נבא (nb’) dia midika hoe “miantso na manambara.”[1] Hita saika amin’ireo fiteny semitika hafa izany, ohatra ny Akadiana nabȗ(m) dia midika hoe “manendry na miantso” ary avy amin’izany no nahazoana ny anarana mifandraika amin’io izay midika hoe “olona voantso na “olona nomena fahefana.”[2] Ao koa ireo mpandinika milaza fa io matoanteny Heb io dia midika hoe “miboiboika na mirongatra.”[3] Izany hevitra izany dia ilazana izay miseho amin’ny mpaminany rehefa ahatongavan’ny Fanahy izy ireo ka mitsikasinkasina sady mamory vava. Ireo mpaminany “ecstatique” no tiana holazaina amin’izany. Ity hevitra farany ity anefa dia lavin’ny mpandinika maro satria fantatra fa tsy voatery ho “ecstatique” daholo ny mpaminany.[4] Marihina anefa fa na dia misy itovitovizany amin’ireo “faminaniana” tany amin’ny “Ancient Proche Orient” aza ny faminaniana hita tany Israely dia hita kosa ny nampiavaka azy satria Andriamanitra tokana no loharano nipoirany fa tsy andriamanitra maro.[5]
Ny fijerena maimaika ny endrika isehoan’ity matoanteny dia ahitana fa endrika roa ihany no isehoany ao amin’ny Testamenta taloha dia ny Niphal sy ny Hithpael. Ny Niphal dia manambara hevitra iharana (passif) ary ny Hithpael kosa manambara hevitra “reflechie.” Ireo dia ahitana avy hatrany fa Andriamanitra no loharano ipoiran’ny teny faminaniana ary ny mpaminany dia mpandray sy mpanambara fotsiny. Ny teny hoe נָבִיא (navî’) “mpaminany” no tena fampiasa ilazana ny mpaminany ary misy koa ny mpaminany vavy נְבִיאָה (nevî’â) na dia tsy maro aza izy ireo.
Ireto avy ireo voambolana hafa ilazana ny mpaminany: רֹאֶה (rôeh) “mpahita,” חֹזֶה (ḥôzeh) “mpahita (fahitana),” אִישׁ אֱלֹהִים (ʾîš (hā)ʾĕlōhîm) “lehilahin’Andriamanitra” ary ny בְנֵי־הַנְּבִיאִים (bĕnê hannĕvîʾîm) “zanaky ny mpaminany.”[6] Na dia mitovitovy aza ny hevitry ny רֹאֶה (1 Sam 9:9; 2 Tan 16:7; Isa 30:10; 1 Sam 9:11; 2 Tan 16:7; 1 Tan 26:28; 1 Tan 9:22; 2 Sam 15:27) sy ny חֹזֶה, (Isa 30:10; 2 Tan 19:2; 2 Tan 33:18; Amo 7:12; Mik 3:7; ) dia misy mahasamihafa azy ireo ihany. Ny ḥôzeh dia ilazana fa ny mpaminany dia mandray hafattra avy amin’Andriamanitra ka amin’ny alalan’ny fahitana no andraisany izany. Tsy dia fampiasa amin’ny zavatra hafa afa tsy ny fahitana avy amin’Andriamanitra ity anarana ity ary toy izany koa ny rôeh.
Inona no mahasamy hafa ny נָבִיא (navî’), ny רֹאֶה (rôeh), ary ny חֹזֶה (ḥôzeh)?
Raha jerena maimaika dia toa tsy misy mahasamy hafa azy ireo teny telo ireo fa samy manambara ny asan’ny mpaminany avokoa. Ao amin’ny Bokin’ny Tantara dia samy ampiasaina avokoa izy telo ireo nefa hita mazava fa ny חֹזֶה (ḥôzeh) dia manondro ireo mpaminany izay niasa manokana tao amin’ny lapan’ny mpanjaka sy ny tempoly (ohatra Gada ao amin’ny 2 Sam 24:11) raha manondro ireo mpaminany niasa teo amin’ny vahoaka kosa ny רֹאֶה (rôeh). Ny navî’ kosa dia ilazana ny mpaminany amin’ny ankapobeny. Ny rôeh koa dia niasa tany an-drenivohitra ary saika tao anatin’ny sehatry ny fanompoam-pivavahana (culte) no nahitana azy ary voalaza fa nanampy ny vahoaka tamin’ny alalan’ny asa faminaniana nataony (consultation) izy ireo ka naka tambiny izy tamin’izany. Ireo ḥōzîm “mpahita” rehetra dia nĕbîʾîm “mpaminany” nefa tsy ny nĕbîʾîm rehetra akory dia ḥōzîm. Ireo mpaminany tahaka an’i Amosa, Mika ary Isaia dia nantsoina tamin’ny anarana hoe ḥôzeh io.
Ny ʾîš (hā)ʾĕlōhîm “lehilahin’Andriamanitra” dia noheverina ho nanana toerana manokana teo amin’ny fiaraha-monina noho ny fahamasinany, izany hoe, olona niavaka teo amin’ny fiaraha-monina sy nanao fahagagana. Ity anarana ity dia miverina in-77 ao amin’ny Testament Taloha ary manondro olona 12: (1) Moses (Deot 33:1; Jos 14:6; Sal 90:1; Ezra 3:1; 1 Tant 23:14; 2 Tant 30:16 ;) (2) anjelin’ny Tompo (Mpits 13:6, 8,) (3) ilay lehilahy nampijaly ny mpisorona Ely (1 Sam 2:27,) (4) Samoela (1 Sam 9:6, 7, 8, 10,) (5) David (Neh 12:24, 36; 2 Tant 8:14,) (6) Semaiah (1 Mpanj 12:22; 2 Tant 11:2,) (7) ilay lehilahy avy tany Joda (1 Mpanj 13:1, 4, 5, 6, 7, 8, 11, 12, 14, 21, 26, 29, 31; 2 Mpanj 23:16, 17,) (8) Elia (1 Mpanj 17:18, 24; 2 Mpanj 1:9, 10, 11, 12, 13,) (9) ilay lehilahy izay nilaza tamin’i Ahaba mpanjaka fa handresy ny Arameana Israely (1 Mpanj 20:28,) (10) Elisa (2 Mpanj 4:7, 9, 16, 21, 22, 25, 27, 40, 42; 5:8, 14, 15, 20; 6:6, 9, 10, 15; 7:2, 17, 18, 19; 8:2, 4, 7, 8, 11, 19,) (11) Hanana (Jer. 35:4,) (12) ilay lehilahy izay nampitandrina ny mpanjaka Amazia tsy handeha hiady (2 Tant 25:7, 9.) Hita amin’ny fitantaran’ny Testamenta Taloha fa izy ireo dia tsy mba nipetraka tamin’ny toerana iray fa nifindrafindra arakaraka ny nanirahan’Andriamanitra azy. Tany amin’ny faritra ambanivohitra dia nisy tamin’izy ireo no tonga mpitarika nafana fo (leader charismatique) an’ireo bĕnê hannĕvîʾîm (2 Mpanj 2:15snm 1 Mpanj 20:35; 2 Mpanj 2:3, 5, 7, 15; 4:1, 38; 5:22; 6:1; 9:1). Io fomba fiteny io dia midika ara-bakiteny hoe “zanaky ny mpaminany” nefa ny tena heviny dia “mpikambana amin’ny antokon’ny mpaminany.”[7] Matetika koa dia antsoina hoe “Sekolin’ny mpaminany” io fikambanana io noho ny firafitra niorenany izay toa mametraka fa misy mpampianatra ary misy mpanaraka izay toa mpianatra. Marihina anefa fa tsy nisy sekoly araka ny iheverantsika azy ankehitriny akory tamin’izany fotoana izany izay nianaran’izay te ho tonga mpaminany. Ny teny Heb bĕnê, ankoatry ny heviny ara-bakiteny, dia ilazana olona mikambana ao anatina fikambanana iray izay misy mpitarika sy fitsipika arahina. Izy ireo dia nivelona tamin’ny fanampiana nataon’ny olona fa tsy mba nahazo fivelomana toy ny rôeh sy ny ḥôzeh. Ny ḥôzeh moa amin’ny maha mpiasam-panjakana azy dia heverina fa nandray karama avy tamin’ny fanjakana ary saika nifanerasera tamin’ny mpitondra ambony toy ny mpanjaka ny asa nataony. Ankoatr’io bĕnê hannĕvîʾîm io dia ampiasaina koa ny hoe חֶבֶל נְבִיאִים , (ḥevel hannĕvîʾîm) izay midika hoe antokon’ny mpaminany (1 Sam 13:8–15; 15:1–35; 28:6.)

3.     Ny mpaminany sandoka

3.1.           Voambolana

Ny hoe “mpaminany sandoka” dia tsy hita ao amin’ny Baiboly Hebreo akory. Ireo mpandika ny Septanta (LXX)[8] no nanomboka nampiasa ny hoe ψευδοπροφήτης (pseudoprophḗtēs) “mpaminany sandoka” (ohatra Zak 13:2; Jer 6:13; 33:7-8, 11, 16; 34:9; 35:1; 36:1, 8.) Rehefa nandika ny teny Heb navî’ tamin’ny teny Grika ny mpandika ny LXX dia tsy nandika izany avy hatrany fa nanao fanazavana (interpretation) ka tamin’ireo toerana izay milaza mikasika ny mpaminany tsy nirahin’Andriamanitra na nilaza lainga dia nadikany hoe pseudoprophḗtēs ny teny Heb navî’. Izany anefa tsy midika fa tsy manana ny hevitra mikasika ny faminaniana sandoka ny Testamenta Taloha. Misy hevitra maromaro ilazana mikasika ny mpaminan sandoka ka ireto avy izany:
·         Mpaminany mandainga (Jer 6:13),
·         Mpaminany izay mandà ny tenin’ny mpaminany marina (Jer 27:9; 28:1),
·         Izay te hamono ny mpaminany marina (Jer 26:7; 33:7),
·         Mamitaka ny olona amin’ny alalan’ny nofiny (Jer 29:8; 36:8).
Maro ireo hevitra izay ampiasan’ny Testamenta Taloha ilazana ny faminaniana sandoka:
·         Lainga, fitaka, fahadisoana ny faminaniana ataony (Jer 8:10; 14:14; 23:25, 32; 27:10, 14, 16; 28:15; 29:9, 21),
·         Teny milaza fiadanana nefa tsy misy fiadanana akory (Jer 6:14; 8:11; 14:3; 23:17; 28:2, 11; Eze 13:10; Mik 3:5),
·         Tsy miorina amin’ny fanapahankevitra navoakan’ YHWH tao amin’ny fivoariana masina na ny konsilin’ny lanitra (Jer 23:18),
·         Manambara fahitana fanambarana feno lainga (Jer 14:14; 23:16; Eze 13:2snm, 22:28),
·         Faminaniana avy amin’i Bala na amin’ny anaran’i Bala (Jer 2:8; 23:13),
·         Fanahy mandainga no itenenan’ny mpaminany sandoka (1 Mpa 22:19–23).
·         Mpaminany sandoka avy amin’ny firenena hafa izay manao ireo karazana fomba faminaniana na fomba fanaon’ny jenitilisa toy ny fanandroana, fanaovana ody, majika, fivavahana amin’ny maty…(Deo 13:1–5; 18:20)
Hojerentsika manaraka ireo marika ahafantarana ny mpaminany sandoka

3.2.       Ireo marika ahafantarana ny mpaminany sandoka

Tsara ho marihina fa sarotra ny manavaka ny mpaminany marina amin’ny mpaminany sandoka ao amin’ny Testamenta taloha raha ny lahatsoratra (texte) ihany no dinihina. Ny antony dia satria samy נָבִיא no ampiasaina ilazana ny mpaminany marina sy ny mpaminany sandoka. Araka ny efa voalazako tery ambony dia ny mpandika ny LXX no nanao fandikana malalaka sy fanazavana ka nampiditra ny hoe ψευδοπροφήτης, “mpaminany sandoka” amin’ireo toerana fantany fa manondro ny mpaminany sandoka ny teny hoe Heb נָבִיא.[9]
Mety misy milaza fa ny devoly no mpaminany sandoka voalohany tamin’ny nandaingany tamin’i Eva (Gen 3). Raha ny marina anefa dia ao amin’ny Deo 13:1–5 sy 18:20 no ahitana voalohany ny filazana mikasika ny mpaminany sandoka sy ny fampitandremana mifandraika amin’izany. Ny tena ahitana ny asan’ny mpaminany sandoka be indrindra dia ao amin’ny 1 Mpa 22 = 2 Tan 18 ary indrindra ao amin’ny bokin ‘i Jeremia, Ezekiela ary Mika. Ao amin’i Jeremia ohatra dia 14 amin’ireo toko 52 no ahitana ny resaka mpaminany sandoka (Jer 2; 4; 5; 6; 8; 14; 18; 23:9–40; 26; 27:9–16; 28; 29; 32.)[10] Ireo fotoana taloha kelin’ny nandravana ny tempoly sy Jerosalema tamin’ny 587 BCE no tena nahitana ireo mpaminany sandoka teo amin’Israely. Araka ny hita ao amin’ny Fitomaniana dia izy ireo no tompon’andraikitra tamin’ny loza nanjo ny firenena: “ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana ho anao izy.” (Fit 2:14) Zavatra roa no azo anombanana ny mpaminany iray na marina izy na sandoka dia ny teny lazainy sy ny asa ataony. Ireo indray ary izao no hojerentsika fohy etsy ambany.
(1) ny mpaminany sandoka dia sahy milaza lainga: manambara hafatra amin’ny anaran’YHWH izy ireo nefa tsy YHWH akory no naniraka azy hanambara izany (Deo 18:20.) ireto ireo hevitra maha ilazan’ny Testamenta Taloha ny hafatra ambarany:
·         Ireto avy ireo voambolana ampiasain’ny TT ilazana ny teny ataony: שָׁוְא (šawe’) “tsinontsinona, famitahana” ny hafatra entiny (ohatra, Eze 12:24; 13:6, 7, 8, 9, 23; 22:28;) כָּזָב, (kâzâv) “lainga, zavatra diso” ny faminaniana ataony (Eze 13:6, 7, 8, 9, 19; 22:28;) טָעָה, (ṭa῾â) “mamily làlana” ny faminaniany (Eze 13:10;) שֶׁקֶר (šeqer) “lainga, fitaka, fahadisoana ny faminaniana sandoka” izay lazainy (Jer 8:10; 14:14; 23:25, 32; 27:10, 14, 16; 28:15; 29:9, 21),  
·         Tsy YHWH akory no naniraka azy ireo (Jereo ohatra Deo 18:20; Jer 14:14; 23:21, 32; 28:15; Eze 13:6.
·         Izy ireo ihany no mamorona ny fahitana lazainy fa tsy avy amin’Andriamanitra (Eze 13:3.)
·         Ataony izay hinoan’ny vahoaka ny lainga lazainy (Jer 28:15; 29:31)
·         Tahaka ny andaloran’ny mpandalotra rindrina amin’ny feta tsy madity no anafenan’izy ireo ny fahotan’ny olona (Eze 22:28.)
·         Milaza nofy feno lainga (Jer 23:32)       
·         Tsy mandray andraikitra sady mamitaka (Zef 3:4)
·         Mamitaka ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampanantenana fiadanana amin’ireo izay ahazoany ranondranony ary ilazany ady kosa ireo izay tsy manao izany (Mik 3:5; jereo koa Eze 13:19)
·         Mahamenatra ny fitondrantenan’izy ireo, mamo ka mivembena sy mirediredy (Isa 28:7)
·         Na ny mpisorona na ny mpaminany dia samy tsy matahotra an’Andriamanitra ka manota ary na ao amin’ny tranon’Andriamanittra aza dia anaovany izany (Jer 23:11)
·         Mijangajanga, mandainga, manampy ny olona hanao ratsy ireo mpaminany sandoka (Jer 23:14)
(2) Sarotra amin’ny vahoaka izay mijery avy ety ivelany ny mamantatra avy hatrany ny mpaminany sandoka satria mitovitovy ny zavatra ataony sy ny mpaminany marina avy amin’YHWH:[11]
·         Voalohany, araka ny efa voalazako tery ambony, dia teny iray ihany no nampisaina nilazana ny mpaminany marina sy sandoka (נָבִיא sy חֹזֶה, ary indraindray ihany קֹסֵם, “mpanandro”
·         Samy milaza hafatra sy manao ny asan’ny mpaminany izy roa ireo (1 Mpa 22:10, 12; Jer 28:2, 11; Eze 13:2)
·         Samy mandray hafatra amin’ny alalan’ny nofy sy fahitana izy ireo
·         Samy milaza izy ireo fa ny Fanahin’Andriamanitra no mampiteny azy
·         Samy manamarina ny asa ataony amin’ny alalan’ny fahagagana izy ireo (1 Mpa 22:11; Jer 28)
·         Na ny mpaminany sandoka koa aza dia afaka manao fahagagana (Deo 13:1–5; Eze 13:6)
·         Na dia ny mpaminany marina koa aza dia mety ho voapentipentin’ny ota ka tsy ho tanteraka eo amin’ny fitondrantena nefa na dia izany aza dia tsindrian’ny Testamenta Taloha mazava tsara ny fanamelohan’YHWH ireo mpaminany sandoka noho ny fihetsika sy fitondrantena maloto niainan’izy ireo (2 Mpa 9:11–12; Jer 29:26–27; Hos 9:7)[12]
·         Samy nahitana ny endrika “ecstatique” na ny mpaminany marina na ny sandoka (1 Mpa 18; cf. 2 Mpa 10:18–31; jereo koa ny  Zak13:6)
Voalaza fa ny fahatanterahan’izay lazainy no marika ahafantarana fa mpaminany marina ilay miteny (Deo 18:20–22; Jer 28:9; Eze 13:6; 33:33.) Sarotra anefa ny hanamarinana ity fepetra ity ary mitombina izany raha ohatra ka tanteraka amin’ny fotoana manodidina ny nilazany ilay faminaniany izay nolazainy toy izay nitranga tamin’ny fahafatesan’i Ahaba (1 Mpa 22:29–40 = 2 Tan 18:28–34) sy Hanania (Jer 28:17) Hita amin’izany ary fa sarotra ny manamarina izany raha tanteraka aty afara be ilay faminaniana. Noho izany dia tsy azo atao ho fepetra tokana sy azo antoka ho marika ahafantarana ny mpaminany marina izany.
Na dia izany aza anefa dia misy ihany ireo fepetra sy marika roa ahafantarana sy ahafahana mamantatra ny mpaminany marina:
·         Mifanaraka amin’izay lazain’ny Torâ (soratra masina) izay lazain’ny mpaminany marina fa tsy mifanohitra amin’izany (Deo 13:1–5; Isa 8:19–20; Jer 6:16)
·         Mifanaraka amin’izay nolazain’ny mpaminany tany aloha izay ambarany (Jer 26:18; 28:8; Zak 1:4; 7:7) Na ity fepetra ity koa aza dia mametraka olana ihany satria misy ireo mpaminany sandoka izay “mangalatra” ny teny lazain’ny mpaminany marina ka ataony ho azy izany (Jer 23:30)
Isan’ny mahasarotra ny ahafantarana ny mpaminany sandoka koa ny teolojia ao ambadik’izay lazainy. Ohatra, avy amin’ny fijerin’ny vahoaka mihaino azy, ny fampanantenana fiadanana izay lazain’ny mpaminany sandoka dia marina sy mitombina satria YHWH dia nampanantena fiadanana ho an’ny vahoakany ary tafiditra ao anatin’ny fanekena nataony izany (jereo ohatra Mic 3:11; cf. 2:7, 12–13; Jer 23:16–17, 25; 28:1–4, 11; Eze 13:10, 16; Amo 2:9–16; 3:2; 5:18–20.)[13] Amin’ny vahoaka izay mihaino dia vaovao mahafaly no nambaran’ireo mpaminany sandoka (Eze 13:19; cf. 13:10, 16; Jer 6:14; 8:11; 23:17; Mik 2:7; 3:5–8, 11)[14] Ary ny tena olana dia tsy nahafaly ny vahoaka ny hafatra nentin’ireo mpaminany marina satria saika nilaza loza ho an’ny firenena izy ireo indrindra nandritra ny vanim-potoana nandravàna ny tempoly sy Jerosalema (Isa 28:9, 10; Jer 26:9; 29:24–28; Hos 9:8; Amo 7:12, 16; Mik 2:6–11; 3:5.)[15]  
Farany, tsy mba navelan’Andriamanitra tamin’izao ireo mpaminany sandoka ireo fa nosaziny. Samy ahitana izany avokoa na ao amin’i Jeremia (23:12, 19) na Ezekiela (13:9.) Tsy mba navelan’YHWH tsy ho voasazy ireo mpaminany ratsy fanahy izay nampivily ny olony ho amin’ny feo hafa ka nahatoga loza ho azy. Voalazan’ny Zak 13:1–6  fa amin’ny andro farany dia hodiovin’YHWH ny fahotana sy ny fanompoantsampin’ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema ary ao anatin’izany no hamongorany ireo mpaminany sandoka.  

4.     Fehiny

Araka ity fikarohana fohy mikasika ny mpaminany sandoka ao amin’ny Testamenta Taloha ity dia ireto no azo amintinana azy:
·         Sarotra ny manavaka ny mpaminany marina amin’ny mpaminany sandoka satria na ny anarana niatsoana azy ireo aza dia iray ihany. Na dia izany aza anefa dia hita fa nisy fiavahany hatrany izy ireo na teo amin’ny hafatra nentiny na teo amin’ny ny asa nataony
·         Tsy misy fepetra na marika iray tena azo antoka ahafantarana ny mpaminany sandoka. Na ny fahatanterahan’ny faminaniana nataony na ny fahavitany fahagagana dia samy tsy azo ilazana avy hatrany fa marina na sandoka ny mpaminany iray. Ny antony dia satria, voalohany indrindra, sarotra ny manamarina na tena tanteraka tokoa ilay faminaniana raha ohatra ka ela aty aoriana vao miseho izany. Iza no hanamarina ny fahatanterahany? Ny olona niara-belona tamin’ilay mpaminany ve sa izay nahita ny fahatanterahany? Faharoa, na ny mpaminany sandoka koa dia mety mahavita fahagagana.
Ireto manaraka ireto kosa ireo marika tsy azo ihodivirana ahafahana manavaka ny mpaminany marina amin’ny sandoka:
·         Voalohany, ny faharatsian’ny fitondrantena dia marika azo antoka izay ambaran’ny Testamenta taloha fa ahafantarana ny mpaminany sandoka. Raha tena ny Fanahin’Andriamanitra no mitarika azy dia tsy maintsy hita taratra aminy ny fahamasinana sy ny fahitsiana ary ny fahamarinana. Na dia mety ho voapentipentin’ny fahalemena aza ny mpaminany marina dia hita mazava kosa ao amin’ny Testamenta Taloha fa ireo mpaminany sandoka no tena voalaza fa nanana fitondratena tsy mendrika
·         Faharoa, marika sy fepetra azo amantarana ny mpaminany sandoka koa ny votoatin’ny hafatra entiny. Raha tena mpaminany avy amin’YHWH marina izy dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny soratra masina izay lazainy. Toy izany koa, tsy maintsy mifanaraka amin’izay nambaran’ny mampinany tany aloha ny hafatra entiny fa tsy tokony hifanohitra amin’izany satria YHWH tsy mahay mandainga.
·         Fahatelo, tia voninahitra sy tia harena ny mpaminany sandoka ka milaza soa amin’izay manolotolotra azy. Mora fantatra amin’ny fitiavany voninahitra sy ny filazany zavatra mahasodoka ny olona ny mpaminany sandoka. Mampanantena zavatra poak’aty izy mba hahatonga ny mpihaino azy ho faly ka hifikitra aminy bebe kokoa.
Entimody ho antsika mpamaky:
Maka anankiray amin’ireo olona fantatrao fa milaza azy ho mpaminany dia tombano sy refeso amin’ny alalan’ireo marika sy fepetra hitantsika teo, dia hohitanao fa ianao ihany dia ho afaka hanambara na mpaminany marina izy na tsia.

BIBLIOGRAFIA

A Concise Dictionary of Akkadian, 2000 ed., s.v. “nabum”
A Greek - Hebrew/Aramaic Two-Way Index to the Septuagint, 2010 ed., s.v. “נבא”.
Enhanced Brown-Driver-Briggs Hebrew and English Lexicon, 2001 Logos ed., s.v. “נבא
Smith, “Prophet; Prophecy” International Standard Bible Encyclopedia. 1986, 3:986–1004. Hans M. Barstad.Comparare necesse est?Ancient Israelite and Ancient Near Eastern Prophecy in a Comparative Perspective” in Prophecy In Its Ancient Near Eastern Context Mesopotamian, Biblical, And Arabian Perspectives. Edited by Manti Nissinen (Atlanta: Society of Biblical Literature, 2000)
Harper's Bible Dictionary 1985 ed. s.v. “promise”
Joseph A. Blenkinsopp. A History of Prophecy in Israel. Revised and enlarged. Louisville: Westminster John Knox Press, 1983.
J. Jeremias. “נבאTheological Lexicon of the Old Testament Vol 2: 697–710.
P. A. Verhoef, “Pophecy” New International Dictionary of Old Testament Theology & Exegesis, Vol. 4:1067–1078.
The Dictionary of Classical Hebrew 1993 ed., s.v. “נבא
Victor H. Matthews. The Hebrew Prophets and their Social World: An Introduction. Grand Rapids, MI: Baker Publishing Group, 2012.









[1]  Enhanced Brown-Driver-Briggs Hebrew and English Lexicon. 2001 Logos ed., s.v. “נבא
[2] A Concise Dictionary of Akkadian, 2000 ed., s.v. “nabȗ(m)”
[3] J. Jeremias, “נבא,” Theological Lexicon of the Old Testament Vol 2: 697.
[4] Jereo ny adihevitra mikasika izany ao amin’ny J. Jeremias, “נבא,” Theological Lexicon of the Old Testament Vol. 2: 697.
[5] Hans M. Barstad, “Comparare necesse est? Ancient Israelite and Ancient Near Eastern Prophecy in a Comparative Perspective” in Prophecy In Its Ancient Near Eastern Context Mesopotamian, Biblical, And Arabian Perspectives. Edited by Marrti Nissinen (Atlanta: Society of Biblical Literature, 2000)
[6] The Dictionary of Classical Hebrew, 1993 ed., s.v. “נבא
[7] Joseph A. Blenkinsopp, A History of Prophecy in Israel, revised and enlarged (Louisville: Westminster John Knox Press, 1983) 61.

[8] LXX: dikan-tenin’ny Testamenta Taloha amin’ny fiteny Grika.
[9] P. A. Verhoef, “Prophecy,” New International Dictionary of Old Testament Theology & Exegesis Vol. 4:1076.
[10] Ibid. Jereo koa ireo teny nandikana ny נָבִיא ao amin’ny TT hita ao amin’ny  A Greek - Hebrew/Aramaic Two-Way Index To The Septuagint. 2000 ed., “נבא
[11] Victor H. Matthews, The Hebrew Prophets and their Social World: An Introduction (Grand Rapids, MI: Baker Publishing Group, 2012), 56.
[12] G. V. Smith, “Prophet; Prophecy,” International Standard Biblical Encyclopedia, 1986, Vol. 3:985.

[13] Harper's Bible Dictionary 1985 ed., s.v. “promise.”
[14] P. A. Verhoef, “Prophecy,” Vol. 4:1078.
[15] Ibid.

Post a Comment

0 Comments