Hermeneotika: Taridalana momba ny Hermeneotika Biblika


HERMENEOTIKA BIBLIKA

“… Moa fantatrao va izay vakinao?” (Asa 8:30)

FAMPIDIRANA

Ity Asa 8 ity dia mitantara ilay tantapa etiopiana izay namaky ny Bokin’Isaia nefa tsy nahazo izay nolazainy. Nirahin’ny Fanahy Masina i Filipo mba hanampy azy amin’ny fahazoana izany ka nanontany azy hoe “moa fantatrao va izay vakianao?”

Marobe ireo olona miandry antsika hanazava ny SM, moa mba afaka hanao tahaka ny nataon’i Filipo ve isika?

Misy zavatra tsy tandrify antsika ankehitriny intsony ve ao amin’ny Baiboly? Raha misy izany inona ? sa natao ho antsika daholo ka tokony horaisina ara-bakiteny izay rehetra voalaza ao? ao koa ireo milaza fa lisitry ny zavatra azo sy tsy azo atao ny Baiboly ka izay rehetra voalaza ao dia tsy maintsy arahina daholo. Ahoana anefa ny Fiangonana no mandrara ny fifohana sigara, rongony ohatra? Moa milaza mikasika izany ve ny Baiboly? Ahoana ny amin’ny fitafiana, mahazo manao pataloha ve ny vehivavy? Isan’ny fanontaniana matetika niverina teto amin’ny vondrona koa io. Inona ny toeran’ny vehivavy, azo atao ordinasiona ve? Maninona nefa tsy mba nisy mpianatra na apostoly vehivavy mihitsy? Midika ve izany fa tsy eken’i Jesosy ny asa fanompoan’ny vehivavy ka noho izany dia tsy azo atao ordinasiona ny vehivavy?

Araka ireo hitantsika ireo dia tsy mora ny mamaky sy mahazo izay lazain’ny SM. Matetika aza dia lazain’ny olona fa mifanohitra ny lazain’ny Baiboly (indrindra ireo tsy mino) toa tsy mitovy hevitra ny mpanoratra ny Baiboly, ny iray miteny hoe finoana tsy arahin’asa dia maty, ny hafa kosa milaza fa tsy amin’ny asa fa amin’ny fahasoavana no ahazoantsika famonjena. 400 taona ve no naha andevo ny zanak’Israely tany ejipta sa 430?

Voalaza ao amin’ny Baiboly ve ny fanaovana batisan-jaza? Raha tsy voalaza, maninona isika no manao izany? tsy ho tapitra ny ohatra fa misy marobe ireo olana ara-panazavana hohitantsika ao amin’ny Baiboly.

Alohan’ny ananantsika ireo anaram-piangonana tsirairay misy antsika dia "kristiana" aloha isika, tsy misy olona afaka hitombo amin’ny finoana raha tsy miaina amin’ny Soratra Masina satria io no sakafo mamelona azy; ary tsy hisy afaka hanambara sy hizara ny hafatra momba ny famonjena sy ny fanafahana voarakitra ao amin’ny SM raha tsy mahafantatra tsara izay vakiny sy izay lazainy aloha. Tsy hisy koa afaka hitsara izay fampianarana henony na marina izany na tsia raha tsy mahafantatra izay lazain’ny SM aloha izy. Hataontsika ahoana ny hanitsy ireo diso fandray ny SM raha isika aza tsy mahafantatra izay lazainy?

Ireo fanontaniana rehetra ireo no valian’ny atao hoe “HERMENEOTIKA BIBLIKA.” Voambolana teolojika ilazana ny fanazavana sy famoahana ny hevitry ny SM mba ho azontsika iainana ankehitriny. Isaky ny mamaky Baiboly isika dia tsy maintsy manao hermeneotika ary miankina amin’ny hermeneotika ataoko sy ataonao ny handraisantsika sy hanolorantsika izany amin’ny hafa.

Io lohahevira io indray no mba hanolorako izay mba kely fantatro ho anareo havana amin’ny finoana ato amin’ity vondrona ity. Heveriko fa tena zava-dehibe io lohahevitra io ka manasa anao aho hanaraka izany araka ny fotoana mampalalaka ahy ka ahafahako manolotra izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra!

MANINONA NO ZAVA-DEHIBE NY HERMENEOTIKA?

Ny Baiboly no azo lazaina fa tena mora ampiasaina indrindra araka izay itiavana azy. Ny menarana no hermeneota voalohany ary nanomboka ary hatrany am-boalohany dia efa nampiasa ny fahaizany manokana izy hamadihana ny fahamarinana. Mba fantatrao moa fa ny Baiboly dia nampiasain’ireo mpanandevo fahiny satria hono sitrapon’Andriamanitra ny fisian’ny andevo ary Izy mihitsy no namorona ny fisian’izany? Ny Baiboly no nampiasain’ny mpanjanatany sasany nentina nandemy ny sain’ny voazanaka mba tsy hihoitra. Ny Baiboly no nampiasain’ireo mpanavakavaka ara-bolon-koditra ka nolazain’izy ireo fa tena ara-Baiboly ny fahasamihafan’ny volon-koditra ary Andriamanitra no nanao izany mba hanavahana ny tombam-bidin’ny tsirairay, ka ny fotsy no ambony kokoa ary ny mainty ambany. Ny Baiboly no novakiana alohan’ny hanirahana ireo miaramila hiady mba handringana araka izay azo atao satria hono Andriamanitra no momba azy tahaka ny nombany ireo miaramila jiosy fahizay. Ny Baiboly no ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah ka raràny tsy hanaovana famindrana rà ny mpanaraka azy satria hono ny Baiboly milaza fa aina ny rà ka tsy azo ohanina izany hoe tsy azo ampidirina any antin’ny olona. Aleony maty ilay olona toy izay vonjena amin’ny alalan’ny famindrana rà. Indrisy! Baiboly no ampiasain’ireo mpanohana ny fanambadiana maro ka lazain’ireo fa sitrak’Andriamanira izany satria hono Abrahama, Solomona sns nanao izany. Baiboly no nohazavain’ilay mpitondra fiangonana afrikana tatsimo vao haingana mba hampihinana ahitra ny kristiana nentiny satria hono ny fiainana tena ara-boajanahary no ankasitrahan’Andriamanitra. Dia nivoaka avy tao am-piangonana ireo kristiana avy nifady hanina ary rafitra niraoka ahitra tahaka ny biby teo an-tokotany (jereo ilay sarimihetsika eo amin’ny rohy eo ambany). Nolazainy fa ny ahitra dia sakafon’ny lanitra izay manome fiainana. Indrisy! Ny Baiboly no nampiasain’i Maitre Iavoko ka nilazany fa hita ao anatin’ny Baiboly ny teny hoe “Malagasy”, izay midika fa Jiosy ny Malagasy. Azonao tohizana io lisitra io ary tsy ho tapitra vetivety satria maro loatra ny efa nampiasan’ny olona ny Baiboly tamin’ny fomba tsy mendrika ka nitondra fahavoazana lehibe tamin’izay sendra azy.

Ny Baiboly no boky mora ampiasaina indrindra amin’izay itiavana azy satria saika hita ao anatiny daholo ireo toe-javatra rehetra misy eto amin’izao tontolo izao. Ary raha vao lazaina hoe “ny Baiboly no milaza izany” na “voalazan’ny soratra masina fa…” dia maro ny manaiky avy hatrany ary tsy mametra-panontaniana akory.

Mazava ho azy fa fahavoazana lehibe no ateraky ny fanaovana tsirambina na ny fanaovana hermeneotika vilana ka mitondra ny ondrin’Andriamanitra mankany amin’ny fahadisoana. Nahita izany i Paoly ka nananatra mafy an’i Timoty zanany ara-panahy ao amin’ny 2 Tim 2:15: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’ Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” Amin’ny Grika dia ny matoanteny hoe ὀρθοτομέω, “mampiasa” na “manazava amin’ny fomba marina” ny tenin’ny fahamarinana (λόγον τῆς ἀληθείας.) Io matoanteny io dia iray tarika amin’ireo matoanteny milaza mikasika ny fanazavana ny soratra masina. Zava-dehibe loatra tamin’i Paoly ny fanaovana hermeneotika marina sy araka ny fahamarinana ka ohariny amin’ny “mpiasa” (ἐργάτης) izay tsy mahazo henatra na afa-baraka amin’ny asa vitany fa mahazo dera sy ankasitrahan’Andriamanitra izay manao izany asa izany amin’ny fahamarinana.

Asan’ny mino rehetra ny fanaovana hermeneotika, araka izay tandrify azy, ary tsy misy afaka hilaza fa tsy afaka manao izany indrindra raha mahita ireo fahavoazana mahazo ireo mpino manodidina azy ka mijery fotsiny tsy manao na inona na inona. Mila olona voazaha toetra ny fanaovana hermeneotika manokana tahaka ny fitoriana teny ao am-piangonana na fampianarana am-pahibemaso. Mila olona niofana manokana ho amin’izany ny fanazavana ny soratra masina fa tsy izay mafana fo sy te hanao izany dia omena alalana manao izany na dia tsy niofana afatsy 6 volana tahaka ireo fiangonana zandriny sasany. Oharin’i Paoly amin’ny γάγγραινα (2 Tim 2:17) “omamiadana” izay miady miadana ao anaty ny hermeneotika vilana satria mahatonga fahafatesana amin’izay mandray izany. Toy izany i Hymeneo sy Fileto izay nilaza fa efa lasa sahady ny fitsanganana amin’ny maty.

Ny tanjoko amin’ity fampianarana ity dia tsy ny hanao fampianarana teolojika mikasika ny hermeneotika akory, fa ny hanolotra ireo fototra tsara ho fantatry ny kristiana mba hahafahany mampiasa ny Baiboly amin’ny fomba mahomby sy manitsy ary miatrika ireo mpanao fampianaran-diso manodidina azy.

Inona marina izany no olana? Ny Baiboly ve sa isika mpanao hermeneotika?

Hojerentsika manaraka ny famaritana sy mikasika ny hemeneotika biblika. Misaotra mamaky!

INONA MOA NY HERMENEOTIKA?

Hitantsika teo aloha fa tena zava-doza raha ny Baiboly no adika sy ampiasaina amin’izay itiavana azy. Izany rehetra izany dia miankina amin’ny fomba ijerana sy hanazavana ny soratra masina, io no antsoina hoe HERMENOTIKA. Fa inona moa ity hermeneotika ity?
Ny teny hoe HERMENEOTIKA dia avy amin’ny anarana hoe Hermes ilay andriamanitra grika izay mpitondra sy mpandika ary mpanazava ny hafatra avy amin’ireo andriamanitra grika fahizay. Ny matoanteny grika hoe ἑρμηνεύω (hermeneuo) dia midika hoe “manazava,” (expliquer) “mivaofy” (interpreter) ary “mandika” (traduire.) Miverina in-3 io matoanteny io ao amin’ny TV: Jao 1:42; 9:7; Heb 7:2). Ny hermeneotika dia sady siansa no fahaiza-manao momba ny fandikan-kevitra (science et art de l’interprétation). Siansa satria misy fitsipika sy lalàna mifehy azy ary fahaiza-manao satria mahakasika fampitàn-kevitra ka tena zava-dehibe ny fahaizana mampita sy manazava hevitra amin’ny hafa. Ny hermeneotika dia tsy zavatra manokana ho an’ny Baiboly fa ampiasaina amin’ny sokajy sy toe-javatra maro toy ny lalàna, fanazavana sary, eo amin’ny siansa… fa ny hazavaiko eto dia ny antsoina hoe hermeneotika biblika, izay natao manokana ho fandikàna sy fanazavana ny Baiboly amin’ny maha soratra masina azy.

Inona moa no mahasamihafa ny hermeneotika amin’ny antsoina hoe heviteny (exegèse)?

Heviteny vs Hermeneotika

• Ny HEVITENY na ny exegèse dia avy amin’ny matoanteny grika hoe Exegomai izay midika hoe “mamoaka” na “manazava” na “misintona “ ny hevitry ny soratra masina ary io no antsoina hoe EXEGESIS (ἐξήγησις). Ny asa atao amin’io dia ny mijery ireo toe-javatra na ara-tantara, ara-kolontsaina ao ambadik’ilay soratra masina ary indrindra ny mandika azy miainga avy amin’ny teny fototra nanoratana azy toy ny Hebreo, Aramaika ary ny Grika. Ny tena asan’ny mpanao heviteny (exegète) dia ny misintona ny hevitry ny soratra masina ka ny tena havoitrany dia ny heviny ho an’ireo olona tamin’ny fotoana nanoratana azy. Amin’ny fiteny teknika dia atao hoe “ao ambadiky ny teksta” (behind the text) ity asa ataon’ny mpanao heviteny ity. Mampalahelo fa marobe ny manao ny antsoina hoe EISEGESIS ka ilay mpanao heviteny no mampiditra (fa tsy mamoaka) ny hevitr’ilay soratra masina ka amin’izay dia tereny hanaraka ny heviny ilay soratra masina.
• Ny asan’ny HERMENEOTA (mpanao hermeneotika) kosa dia miainga avy amin’ny vokatry ny heviteny ka MAMOAKA sy MANAZAVA izay tokony ho hevitr’izany ANKEHITRINY. Amin’ny fiteny teknika dia antsoina hoe “avy amin’ny teksta” (from the text) ny asa atao amin’ny hermeneotika. Ny heviteny mamoaka ny heviny ho an’ireo mpihaino fahiny, fa ny hermeneotika kosa mamoaka ny heviny ho antsika mpihaino ankehitriny. Hitantsika amin’izany fa tsy misaraka fa mifampiankina ny heviteny sy ny hermeneotika, ary ny fanaovana heviteny an-tsirambina dia mahatonga hermeneotika vilana. Amin’ny fomba hafa dia azo lazaina fa efa tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe hermeneotika ny asa rehetra momba ny fanazavana na fivoasana ny soratra masina. Noho izany dia tafiditra ao anatin’ny hermeneotika ny heviteny.

Ohatra: hita ao amin’ny Lev 11 ny lalàna mikasika ny biby maloto maro isankarazany. Ny heviteny dia mitady sy mandika ny antony ara-kolontsaina sy teolojika nahatonga izany fady izany ho an’ireo Jiosy fahizay. Maninona no nampifady azy izany Andriamanitra? Ny hermeneotika kosa dia miezaka manazava ny heviny ho antsika ankehitriny ka mamaly ny fanontaniana toy ny hoe natao ho antsika ve izany fifadiana izany? tokony hifady ireo biby maloto ireo ve ny kristiana?
Vita ny fampidirana hiroso avy hatrany amin’ny votoatiny isika amin’ny manaraka.

SOLA SCRIPTURA fa tsy SOLO SCRIPTURA

 Mba hahafahanao manaraka izany dia tsara raha mamaky ilay teo aloha ianao satria mifampitohy izy ireo. Maro amintsika no mampiasa ny faneva hoe Sola Scriptura (soratra masina irey ihany) nefa tsy tena mahafantatra ny tena hevitra andraisan’ny loterana azy. Ny hoe SOLA SCRIPTURA dia entin’ny loterana ilazana fa ny soratra masina irery ihany no fahefana ambony indrindra mifehy ny fampianarana sy ny foto-pinoana ary izy irery ihany no hitsarana ny fampianarana na marina izany na diso. Izany dia nentin’i Martin Lotera nanohitra ny fampiasan’ny Eglizy Romana tamin’ny Andro Antenantenany izay nampifangaro ny soratra masina tamin’ny zavatra hafa toy ny traditions, reliques sns... Izany anefa dia tsy midika fa tsy mampiasa zavatra hafa ankoatry ny soratra masina ny loterana. Ohatra ny fanekempinoana samihafa, nefa tsindriany tsara fa ampiasainy ireo satria tsy hafa fa famintinana ny soratra masina ihany. Ara-tsoratra masina ireo ary mifototra amin’ny soratra masina. I Lotera tenany aza dia nampiasa ireo fampianarana navelan’ireo Rain ‘ny Fiangonana toa an’i Augustin.

Ny hoe SOLO SCRIPTURA kosa dia ireo fondamentalistes no mampiasa azy matetika satria ny heviny dia hoe SORATRA MASINA IHANY, ka izay voasoratra ao ihany ary izay tsy voasoratra dia tsy izy. Amin’izy ireo ny Baiboly dia lisitry ny zavatra azo atao sy tsy azo atao. Tandremo fa maro amintsika ato no mety manana an’io fijery io!

Ny loterana dia manana principe na fomba fanazavana ny soratra masina fa tsy mandray ara -bakiteny toy ny fanaon’ireo fondamentalistes.

Halefako tsikelikely eto ireo fomba azontsika ampiasaina mba tsy hampibirioka izany fanazavana soratra masina izany. Marihiko mazava tsara anefa principe loterana no homeko. Mirary ny fiadanana avy amin ‘ny Tompontsika!

SAROPADY AMIN’NY FIANGONANA LOTERANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Isan’ny antony mahatonga ny polipitra fitoriana teny ho ambony indrindra (niveau) miohatra amin’ny zavatra hafa rehetra ao am-piangonana ny teolojia loterana izay mametraka ny tenin’Andriamanitra ho ambony indrindra. Izy no fahefana ambony indrindra ary ny Teny irery ihany no afaka mamorona finoana ao anatin’ny olona. Ao anatin’ny Teny (=Toriteny, vakiteny, hira fiderana) dia misy Lalàna sy Filazantsara izay anambaran’Andriamanitra fa mpanota sy very ny olona iray ka mila an’Andriamanitra hamonjy azy amin’ny alalan’ny fahasoavany. “Eo amin’ny fihainoana ny Teny no isehoan’ny fahagagana ngeza indrindra” hoy i Lotera satria eo no iovàn’ny mpanota voaheloka sy very ho olona voamarina sy tonga zanaka malala. NY TENIN’ANDRIAMANITRA NO IVON’NY LITORJIAN’NY FIANGONANA LOTERANA.
Noho izany dia tena zava-dehibe ny fitoriana ny Teny amin’ny fomba madio sy marina. Izany no mahatonga ny Fiangonana Loterana ho sarotiny amin’ny olona afaka mitory teny ao am-piangonana satria izay fahdisoana ataony amin’ny fanazavana ny Teny toriny na ampianariny dia mahatonga fahadisoana sy fahaverezana ho an’ireo izay mihaino azy.

Asa roa ngezabe no tsy maintsy ataon’ny mpitory teny raha tehitory marina ny tenin’Andriamanitra izy dia ny heviteny (Exegèse) sy ny hermeneotika (fitondra na fampiharana ny teny amin’ny mpihaino ankehitriny). Araka ny efa hitantsika tery ambony, ny heviteny dia fanazavana ny hevitr’ilay texte tamin’ilay mpanoratra sy ireo nihaino azy ary ny hermeneotika kosa dia ny heviny sy izay azontsika iainana izany ankehitriny.’

Azon’ny olona rehetra atao ny manao heviteny fa tsy “secret” ho an’ny teolojiana ihany izany. Na dia izany aza anefa dia misy fahalalana tsy maintsy ananan’izay te hanao izany. Ny antony dia satria ny mpanao heviteny dia tsy maintsy mahafantatra ny contexte sy ny tantara nitenenan’ilay mpanoratra ao amin’ny Baiboly sy ny fiteny nanoratany. Ny Testamenta Taloha dia voasoratra tamin’ny teny Hebreo sy Aramaika ary ny Testamenta Vaovao kosa dia tamin’ny teny Grika Koiné. Tsy midika anefa izany fa tsy afaka na tsy mahazo manao heviteny izay tsy mahay ireo fiteny biblika ireo. Efa misy ireo fitaovana sy fandikanteny izay azo iankinana misy ankehitriny.
Ohatra: Raha voasoratra ao amin’ny Baiboly hoe nandihy sy nitehaka ny olona dia mila fantatr’ilay mpanao heviteny hoe taiza izy ireo no nanao izany ary tamin’ny fotoana nanao ahoana. Noho izany dia mila mahafantatra mikasika ny institution jiosy izy indrindra ny firafitry ny tempoly ary ireo fihetsika fanaon’ny jiosy sy ny fitafiana nanaovany rehefa nidera an’Andriamanitra. Tsy hoe rehefa voalaza ao amin’ny Baiboly dia tsy maintsy hataon’ny Fiangonana. Ary tsy hoe rehefa tsy voasoratra dia tsy azo atao.

Ireto misy fitaovana vitsivitsy azon’ny mpanao heviteny ampiasaina amin’ny fanazavana ny texte iray. Ny dikanteny azo antoka raha frantsay dia ny Bible francais courant, TOB, raha anglisy dia ny NRSV (New Revised Standard Version). Tsy maintsy mila boky fanazavana (Commentaire) rehefa manao heviteny. Misy ireo teny sarotra izay tsy misy amin’ny kolontsaina misy antsika ka tsy maintsy ilàna fanazavana, toy ny anaran-tanàna, anaran’olona na teny sarotra toy ny “aviavy” refy toy ny “stadio” vola toy ny “sekely” sns....

Raha mila fanazavana toy izany dia azonao ampiasaina ny NBS (Nouvelle Bible Second version Etude) izay misy fanazavana sy notes de bas de page amin’ireo teny sarotra. Raha ny anglisy no manavanana anao dia misy ny NET Bible izay azo jerena amin’ny internet, ity no isan’ny manankarena indrindra satria manampahaizana marobe no manao ireo fanazavana hita ao anatiny sady misy fanomezana ireo hevitra samihafa avy amin’ny mpikaroka. Ho an’ireo manana solosaina dia misy ny logiciel antsoina hoe THE WORD azonao alaina maimaimpoana misy an’io NET io.

NY FANAHY MASINA NO MAMPIANATRA AHY FA TSY MILA BOKY NA MPAMPIANATRA HAFA!


Misy fiangonana manana io fisainana io eny fa na dia ao amin’ny FLM aza rehefa mafana fo loatra sy tsy nahazo fampianarana ampy.

Maninona ilaina ny mianatra sy ampianarina na dia manana ny Fanahy Masina aza?
Voalohany aloha dia tsara ho fantatsika fa Andriamanitra hatrany amin’ny TT dia efa mpampianatra ny Israely. Na dia ireo mpanompo tena teo akaikiny sy niresahany mivantana aza dia voalaza fa nianatra taminy mandrakariva ary tsy navelany nanao zavatra raha tsy efa nahazo ny toromarika avy taminy aloha. Ny teny ilazana ny soratra masina jiosy dia ny hoe Torâ ary io teny io dia midika hoe “fampianarana”, “toromarika” na “toro-làlana” fa tsy hoe lalàna araka ny mahazatra ny maro akory. Na dia ireo mpianatr’i Jesosy 12 aza dia nampianariny nandritra ny 3 taona farafahakeliny satria mao ireo zavatra nampianariny azy ireo amin’ny maha olombelona manana saina sy afaka mandinika azy ireo. Noho izany dia tsy mitombina akory ny filazana fa tsy mila mianatra na mamaky boky izay manana ny Fanahy Masina fa ireny zavatra ianarantsika ireny indrindra no ampiasainy mba hahatonga ny fampianarana sy toriteny ataontsika hahery sy marina ary madio ho famonjena izay mihaino azy.

Maninona no mila manao heviteny ny mpitory teny?

Satria ilaina ny mahafantatra mikasika ny zava-miseho:

Oh: Indray mandeha dia nisy an’ity mpitory teny iray nafana fo izay nilaza fa tsy mora ny manatona an’i Jesosy satria tsy maintsy mila “barre à pince” sy “marteau” ary tanjaka. Inona no antony hoy ianao? Ilay texte milaza ilay lehilahy mararin’ny paralisisa no notoriny ka voalaza fa nampidinina avy teny amin’ny tafotrano izy. Izay nianatra mikasika ny trano Jiosy anefa dia hahafantatra avy hatrany fa tsy tafo fanitso tahaka izay misy aty amintsika ny azy fa sady “plat” no vita amin’ny tany sy hazo ka matetika dia misy hirika na azo esorina ka azo idinana ho ao an-trano fa tsy ilàna barre à pince akory (Mar 2:4)

  • Mahadiso hevitra olona ny tsy fahaizana mikasika ny fiteny:

Oh: nambaran’i maître Iavoko fa efa voalaza ao amin’ny TT ny gasy (=Malagasy). Ny nahatonga izany dia izay voalaza ao amin’ny 2 Sam 23:30: “Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin’ny lohasahandriak’i Gasy” Rehefa jerena amin’ny texte original nefa izany dia hita fa גַּעַשׁ , (ga’sh) no voalaza ao fa saingy nadikan’ny mpandika teny ho gasy. Ga’sh dia tendrombohitra tany Palestina fahizay fa tsy misy ifandraisany amin’ny Madagasikara velively.

  • Ilaina ny mahafantatra ny jeografia sy momba ny tanàna voalaza ao amin’ny Baiboly:
Oh: Apo 3:16: “Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ ny vavako hianao” Izay mahafantatra mikasika ireo tanàna roa voalaza ao amin’ny perikopa io dia hahazao tombony lehibe amin’ny fitoriana sy fanazavana io texte io. Laodikia dia tanàna malaza noho ny fisian’ny orin’asa maro ka nanan-karena. Nanana olana anefa izy satria tsy mba nanana loharano nampiasaina. Teo akaikiny nefa dia nisy tanàna roa dia i Hierapolisy izay nanana loharano mafana nampiasaina tamin’ny fitsaboana. Noho izany dia tsy maintsy nitarika rano avy tany Hierapolisy izy ireo nefa noho ny halavitry ny toerana dia efa matimaty ilay rano vao tonga tany Laodikia. Ary satria loharano mafana izy io dia manana tsiro masirasira mampaloiloy sy mampite handoa. Azonao amin’izay maninona i Jesosy no niteny ireo teny ireo. Tsy hoe mangatsiaka ara-panahy akory ny kristiana tao Laodikia fa tonga tahaka ilay rano. Sady tsy mafana mahasitrana no tsy mamy mahafaka hetaheta fa mampandoa. Mila miasa ny fiangonana!

HERMENEOTIKA BIBLIKA

Efa maro izay ny voalazako teto mikasika ny heviteny sy ny famaritana ny hermeneotika. Ampahatsiahiviko fohy: ny heviteny dia tsy inona fa ny fanazavana ny hevitr’ilay soratra masina tamin’ny “contexte” nisy sy nitenenan’ny mpanoratra. Ny tanjona amin’ny heviteny dia ny hanazava ny hevitry ny soratra masina tao amin’ny “contexte” nisy ny mpanoratra sy ny mpihaino azy fa ny hermeneotika kosa dia miezaka manazava ny dikan’izany amintsika ankehitriny.

Ny fahavoazana mahazo ny kristiana maro dia ny tsy fananany “principe” fanaovana izany hermeneotika izany hany ka mampihatra be fahatany izay hitany ao anaty Baiboly. Oh: maro ireo fiangonana ankehitriny no mampianatra ny tokony hisaronan’ny vehivavy loha satria voasoratra ao amin’ny TV izany: “1 Kor 11:13: Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin’ Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy?” Mampianatra tokoa ve izany fa tsy maintsy misaron-doha ny vehivavy vao ankasitrahan’Andriamanitra?

Voalaza koa ao amin’ny 1 Kor 14:34: “dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana ; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain’ ny lalàna koa.” dia midika ve izany fa tsy tokony hiteny ny vehivavy rehefa ao am-piangonana?

Ohatra roa ihany ireo fa misy marobe ireo soratra izay mampanahirana ny maro ny mampihatra azy. Izany indrindra no tanjon’ity fampianarana andiany fahatelo ity, dia ny mba hahafahantsika mampihatra izay vakintsika amin’ny fiainantsika indrindra ireo zavatra mampisalasala sy iadiana hevitra betsaka eo amin’ny kristiana.

Ny ho jerentsika androany dia ireo tranga efatra (4) izay azo ampiharana avy hatrany izay voasoratra ao amin’ny soratra masina ka ireto avy izy ireo:

(1) “Moraly” eken’ny rehetra: oh. ny lainga sy ireo toetra ratsy izay voazala ao amin’ny Efe 4:25, 28: 25: “Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ ny namany avy hianareo rehetra; fa samy isan’ ny momba ny tenan’ ny namantsika avokoa isika; 28 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.” isika rehetra mahalala fa ny lainga sy ny halatra dia moraly mifanohitra amin’ny fahamarinana ampianarin’Andriamanitra noho izany dia azo ampiharina avy hatrany izany.

(2) “Uniforme” na mitovy izay ambaran’ny Baiboly manontolo mikasika izany. Oh: ny “homosexualité” dia melohin’ny Baiboly manomboka any amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalipsy, mitovy ny fanamelohan’ny Baiboly izany, noho izany dia tsy mampisalasala antsika ny milaza fa tsy ara-tsoratra masina ny “homosexualité”. Azo ampiharina amin’ny toerana sy olona rehetra izany soratra masina izany.

(3) Mitovy amin’ny lanjan’ny kolontsaina ankehitriny ve ny zavatra voalaza ao amin’ilay soratra masina na ilay fandidiana? Oh: Ef 5:18: “18 Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin’ izany dia misy fanaranam-po amin’ ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy” Mitovy ihany ny vokatry ny fisotroana divay na aiza na aiza misy anao satria samy fahamamoana sy fanararaotana amin’ny ratsy daholo ny vokany. Noho izany dia azontsika ampiharina ankehitriny sy amin’ny toerana sy fotoana rehetra izany soratra izany

(4) Mahakasika ny fikendren’Andriamanitra tamin’ny famoronana ve izany? Oh: ny fandidiana mba ho tia an’Andriamanitra ao amin’ny Deot 6:5: “Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” Fantatsika fa tsara sy nanoa an’Andriamanitra ny olombelona talohan’ny fahalavoana, noho izany ny fandidiana ho tia an’Andriamanitra amin’ny fo rehetra dia azo ampiharina avy hatrany!

Entimody ho anao: maka ohatra iray avy amin’ireo teboka efatra ireo dia mba zarao eto.

IREO TRANGA EFATRA (4) TSY AZO AMPIHARANA AVY HATRANY IZAY LAZAIN’NY SORATRA MASINA:

(1) Hevitra izay miovaova arakaraka ny kolontsaina samihafa. Oh: Tsy mitovy tamin’ny kolontsaina niainan’i Paoly ny antsika ankehitriny, noho izany ny tsy firandranana volo dia tsy heverina ho “tsy fijejojejoana”

(2) Toe-javatra ara-politika sy ara-tsosialy izay nametra ny hevitry ny manoratra. Oh. Nanaiky ny fanandevozana i Paoly satria lalàna tamin’ny fotoanany izany (Efe 6: 5)

(3) Hevitra na fandidiana tsy “uniforme” hita ao amin’ny Baiboly. Oh. ny hevitra mikasika ny vehivavy, tena marina ve fa tsy navela hiteny ny vehivavy? Jereo tsara fa miovaova ireo filazàna mikasika izany ao amin’ny Soratra Masina:

• 1 Tim 2: 12: vehivavy mangina

• TT: Deborah nitarika ny lehilahy

• TV: Priscilla nampianatra nitarika ny fiangonana an-trano

• Odia sy Tykike niara-niasa

(4) Hevitra tsy mahazatra, zavatra ivelambelany ary mety tsy miseho raha tsy indray mandeha ao amin’ny Baiboly. Oh: 1 Kor 15: 29: batisa ho an’ny maty, miseho in-1 mandeha ihany ao amin’ny Baiboly. Tokony hanao batisa ho amin’ny fahafatesana ve ny Fiangonana kristiana? Inona marina moa no dikan’izany?

Ndao hojerentsika amin’ny alalan’ny ohatra ireo.

(1) Hevitra izay miovaova arakaraka ny kolontsaina samihafa misy:

Ohatra Voalohany:
TSY MAHAZO MIRANDRAM-BOLO SY MANAO FIRAVAKA VE NY VEHIVAVY KRISTIANA?

Tamin’ny andron’i Paoly dia isan’ireo fomba nahazatra ireo vehivavy manan-katao sy te hisehiseho ny firandranana volo. Tsy izany ihany fa tsy maintsy miaraka amin’ireo karazana fitafiana manokana marevaka sy ireo firavaka maro isan-karazany izany. Tao amin’ny kolontsaina Greko-romana izany dia fomba nentina nijejojejoana sy nampisehoana fanandratan-tena ny firandranana volo ka izany no nahatonga an’i Paoly niteny hoe: “Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononon-tena, fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa na fitafiana saro-bidy.” (1 Tim 2:9–10.) Tsy mitovy tamin’ny kolontsaina niainan’i Paoly sy izay nanoratany ny antsika ankehitriny, noho izany ny tsy firandranana volo dia tsy heverina ho mampiseho fahamaotinana sy fanetrentena akory ankehitriny.

Ahoana ary no handraisantsika izany tenin’i Paoly izany?

Tsy maintsy jerena aloha ny “valeur,” izany hoe, inona no hevitr’izany teny izany tao amin’ny kolontsaina nisy an’i Paoly sy ireo olona nitenenany dia avy eo jerena ny “valeur” tandrify izany amintsika eto Madagasikara. Araka ny hita eo ambony dia fijejojejoana no tena tian’i Paoly holazaina. Tsy mahamendrika ny vehivavy kristiana ny manao fitafiana na volo na firavaka mampiseho fijejojejoana. Rehefa hita izany dia ndao ary hampiharintsika amin’izay: inona avy ireo fitafiana na volo na firavaka mampiseho fijejojejoana eto Madagasikara? Raha mankany amin’ny faritany sasany ianao dia hahita avy hatrany fa fomba fanaon’ny vehivavy ny mandrandram-bolo ary tsy misy mihevitra izany ho toy ny fijejojejoana. Noho izany dia tsy io izany no raràna fa ny fanaovana “short” fohy kely na fanaovana zipo fohy mampiseho fitanjahana na akanjo ambony miborindandridana izay misarika ny mason’ny lehilahy ka tsy mampiseho fahamaotinana.

Ohatra faharoa:
TSY MAINTSY MISARON-DOHA VE NY VEHIVAVY KRISTIANA RAHA ANY AM-PIANGONANA?
TSY MAHAZO MANAPA-BOLO VE NY VEHIVAVY KRISTIANA?

Ireo fanontaniana roa ireo no hezahantsika valiana amin’ity ohatra faharoa ity. Ny mahatonga izany fanontaniana izany dia noho ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Kor 11: 3–7:

“Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy. Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voharatra izy. Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; far aha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy. Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.”

Marihina fa iray amin’ireo soratr’i Paoly sarotra ity 1 Kor 11 ity. Ny vetin-dresaka eto dia ny resaka fisaronana loha sy ny endriky ny volo mahamendrika ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa ao amin’ny fanompoam-pivavahana. Miverimberina amin’ny teny nataon’i Paoly fa tokony hisaron-doha ny vehivavy ary manome voninahitra ny lohany sy ny vadiny izy amin’izany. Ary mbola averiny sy tsindriany mafy izany eo amin’ny and 13:

“Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin’Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy?”

Zavatra roa no hitantsika fa raràn’i Paoly dia ny tsy fisaronan-doha sy ny fanapahana volo ho an’ny vehivavy. Ny fanontaniana mipetraka amintsika dia izao: raha tena zavatra nandidiany hotandreman’ny fiangonana tokoa izany maninona no eto amin’ny taratasy ho an’ny Korintiana ihany no nilazany izany? Raha tena zava-dehibe mahakasika ny fanompoam-pivavahana izany dia tokony efa nambarany tamin’ireo epistily hafa toy ny Romana, Efesiana sns. Fantatsika tsara fa ireo lohahevitra lehibe tena notsindriany toy ny Lalàna ny fanamarinana amin’ny finoana dia saika hita amin’ireo taratasy rehetra nosoratany. Fa maninona no tao amin’ny fiangonana tao Korinto ihany izy no nilaza izany?

Mazava izany fa zavatra manokana mahakasika ny fiangonana tao Korinto no lazain’i Paoly. Inona ary ny zavatra ao ambadik’ity resaka nataon’i Paoly ity? Ndao ary hanao heviteny tsotra isika mba hahitàna ny heviny.

Voalohany dia hita mazava tsara fa samihafa ny volo sy ny saron-doha izay lazain’i Paoly. Diso ny fiheverana fa zavatra iray ihany ny volo manarona ny loha sy ny saron-doha lazainy. Ny teny Grika hoe κατακαλύπτω (katakaluptô) izay midika hoe “manarona” dia ilazana zavatra hafa tahaka ny lamba izay manarona ny loha fa tsy ny volo akory.

Fantatsika fa i Korinto dia tanàna lehibe ary tsy vitan’izany ihany fa nifangaroan’ireo karazana kolontsaina maro satria tanàna nihaonan’ny làlana maro izy. Isan’ny nahafantarana ny fivahahana tao Korinto ny fivavahana tamin’ilay andriamanitry ny divay antsoina hoe Dionysus. Io andriamanitra io dia sady homosexuelle no sarim-bavy (ang. she-male) ka ny vehivavy no tena nivavaka taminy. Ny fombam-pivavahana tao amin’ny tempolin’i Dionysus dia nezahana mba hifangaroan’ny lehilahy sy ny vehivavy ka ny vehivavy nanapaka volo izay natao tena fohikely sady tsy nisaron-doha ary ny lehilahy kosa nanalava ny volony. Ny anton’izany dia izao: fomba fanao tamin’izany fotoana izany ny mampisaron-doha ny vehivavy mba ho marika fa efa manambady izy ka io indrindra no toherin’ity fivavahana ity mba hahazo fahalalahana ireo mpanaraka azy hanao ny fahavetavetana amin’ny firaisana amin’ny fomba amin’ny mitovy fananahana aminy (homosexualité).

Toherin’i Paoly izany ka lazainy fa ny φύσις (physis) “natiora”, izany, hoe ny ara-boajanahary mihitsy no mampianatra antsika fa tsy mety ny vehivavy raha manapaka volo sy tsy misaron-doha. Ny antony dia manala baraka ny lohany, izany hoe, tsy mampisy vidiny ny lohany ary manala voninahitra ny vadiny izay hajainy amin’ny alalan’ny fisian’ny volo sy ny saron-doha izany fanao izany.

Mino aho fa efa azonao sahady ny tian’i Paoly ahatongavana amin’ity fandidiana ny vehivavy hisaron-doha sy tsy hanapaka volo ity. Mampianatra ny fiangonana izy mba tsy hanaraka izay ataon’ireo mpivavaka tamin’i Dionysus satria sady manohitra ny lalan’ny natiora izany no tsy manome voninahitra ny vadiny.

Noho izany dia fahadisoana ny manery ny vehivavy mivavaka ao am-piangonana hisaron-doha sy tsy hanapa-bolo. Zavatra manokana ho an’i Korinto no lazain’i Paoly ary tsy mahakasika antsika akory. Ny antony nilazàny mikasika ny “natiora” teo dia satria aminy dia manome endrika ny vehivavy ny volo lava fa tsy misy ifandraisany amin’ny maha kristiana azy akory izany.

Mbola fahendrena napetraky ny fifohazana amintsika ny mpiandry misaron-doha mba hohita fa mitovy daholo izy rehetra eo am-panaovana ny asan’i Jesosy, tsy hohita izay mety ho lokon’ny akanjo na volo na izay mety ho fitafiana anaovany satria mirakotra fa ilay akanjo sy saron-doha fotsy no sisa tazana. 

HO AN'ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY VONINAHITRA

Post a Comment

0 Comments