FAMPIANARANA MOMBA NY BOKIN’I AMOSA




FAMPIANARANA MOMBA NY BOKIN’I AMOSA 1. Fampidirana ankapobeny: Tao amin’ireo gazety Feon’ny SALT laharana efatra voalohany no nanarahanao ny bokin’Isaia, ny mpaminany lehibe indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha. Manomboka eto kosa dia atolotra anao ny bokin’i Amosa izay boky tranainy indrindra, izany hoe, izy no voasoratra voalohany amin’ireo bokin’ny mpaminany. Amin’izany maha-tranainy azy izany dia zava-dehibe amintsika ny mianatra izay raketiny, indrindra ny hamantarantsika izay mety ho endriky ny faminaniana tany amin’ny taonjato fahavalo talohan’i Kristy izay niainan’i Amosa. Isan’ireo boky tsy dia misy mahaliana olona firy ny bokin’i Amosa ary angamba misy mihevitra fa tsy tandrify ny toe-trandro ankehitriny izay raketiny. Hohintsika aoriana kely anefa fa diso izany fisainana izany satria sary maneho ny fiaraha-monina iainantsika ankehitriny, raha tsy horesaka afa tsy ny eto Madagasikara, ireo voarakitra ao amin’ny bokin’i Amosa. Mazava ho azy fa tsy mora sy mitaky pejy marobe ny fandinihana boky iray manontolo tahaka izao, nefa hezahako fintinina ka izay tena zava-dehibe no tena velarina. Toy izao ny hanarahantsika ity fampianarana ity: ny tapany voalohany dia hahitantsika ny mombamomba ny mpaminany Amosa sy ny boky. Ny tapany faharoa kosa dia hanarahantsika ireo hevi-dehibe ao amin’ny boky amin’ny alalan’ny fandinihana miendrika heviteny voafintina. Ny tapany fahatelo farany no hijerentsika ny fampiharana na izay mety hiainantsika ny bokin’i Amosa ankehitriny. Ho fitsinjovana ireo teolojiana izay mamaky ity fampianarana ity dia heveriko fa zava-dehibe ny ahafahantsika mandinika ny bokin’i Amosa amin’ny fiteny fototra Hebreo, nefa noho ny fahakelezan’ny toerana dia ireo teny fanalahidy sy ireo teny mavesa-danja ihany no tsindriana. Amin’izany rehetra izany dia omena mandrakariva ny fanoratana ny fiteny Hebreo na Grika amin’ny fomba ahafahanao mamaky azy (transcription). 2. Ny bokin’i Amosa 2.1. Momba ny Bokin’i Amosa Araka ny efa voalazako tetsy ambony dia ity boky ity no boky tranainy indrindra amin’ireo bokin’ny mpaminany. Ny bokin’i Amosa dia fahatelo amin’ireo mpaminany kely (“kely” satria fohy ny soratra ao anatiny, ireo mpaminany efatra voalohany kosa antsoina hoe “lehibe” satria lava ny soratra ao anatiny) miisa roa ambin’ny folo ka eo anelanelan’ny Joela sy Obadia no misy azy. Heverin’ny mpandinika fa io toerana misy azy io dia noho ny fitovitoviana misy eo amin’ny Joe 4:16a sy ny Am 1:2, Joe 4:18a sy ny Amo 9:10b ary ny filazana momba ny Edomita ao amin’ny Amo 9:12 sy ao amin’ny Oba 19. (1) Ao amin’ny Septanta (dikan-tenin’ny Testamenta Taloha amin’ny fiteny Grika) kosa, satria milahatra araka ny halavany ny boky, dia mipetraka eo anelanelan’ny Hosea sy Mika izy. Antsoin’ny maro hoe “bokin’ny loza” izy noho izy ahitana filazana loza marobe, hohitantsika ao aoriana kely ny mety fahamarinan’izany na tsia. 2.2. Ny firafitry ny bokin’i Amosa Azo zaraina dimy (5) lehibe ny bokin’i Amosa: • Fampidirana (1:1) • Boky mirakitra filazana loza (1:2 - 4:13) • Boky mirakitra filazana ozona (5:1- 6:14) • Boky mirakitra ireo fahitana (7:1 – 9:6) • Famaranana (9:7-15) Marihina fa mbola hohitantsika amin’ny antsipirahany kokoa io firafitra io rehefa miditra amin’ny heviteny ao amin’ny tapany faharoa isika. 2.3. Toe-javatra ara-tantara Zava-dehibe eo amin’ny fahazoantsika ny bokin’i Amosa ny fahafantarantsika ny toe-javatra ara-tantara nanoratana azy. Ny mpaminany mantsy dia olona nirahin’Andriamanitra hiteny ao amin’ny fiaraha-monina ao anatin’ny tantara, ary tsapa fa miankina amin’ny toe-javatra ara-tantara niainany ny hafatra nampitondrain’Andriamanitra azy. Misy toe-javatra roa ao amin’ny boky ahafahantsika mahafantatra ny fotoana naminanian’i Amosa. Voalohany, eo amin’ny fampidirana ny boky no ahitantsika ny filazana momba ny fahitana hitan’i Amosa tamin’ny andro nanjakan’i Ozia tany Joda ary Jeroboama (II) tany Israely (1:1). Ireo mpanjaka roa ireo dia voalaza fa nanjaka nandritra ny fotoana ela, Ozia nanjaka 52 taona ary Jeroboama 41 taona. (2) Sarotra ny mahafantatra ny daty marina, nefa azo faritana ho manodidina ny taona 785 BC-733 BC no nanjakan’i Ozia ary Jeroboama II kosa manodidina ny 789 BC-748 BC. (3) Faharoa, afaka manampy antsika koa ny filazana momba ny horohorontany eo amin’ny Am. 1:1 izay voalazan’ny mpaminany Zakaria 200 taona aty aoriana (Zak 14:5). Tombanan’ny arkeologa ho manodidina ny taona 760 BC no nisehoan’io horohorontany io izay mifanaraka tsara amin’ireo daty voalaza tetsy ambony. (4) Nandritra ity vanim-potoana ity dia nandroso izay tsy izy teo amin’ny lafiny toekarena Israely ary ity no azo lazaina fa faratampony tamin’ny fanitarany ny fanjakany. Antsoin’ny mpandinika hoe “Silver Age” (Vanim-potoana Volafotsy) ity vanim-potoana ity ary azo ampitahaina tamin’izay niseho tamin’ny fotoana nanjakan’i Davida sy Solomona izay antsoina hoe “Golden Age” (Vanim-potoana volamena) noho ireo fandrosoana saika tamin’ny lafiny rehetra. Nanjaka tao anatin’ny fandriampahalemana ireo mpanjaka ireo satria tsy nisy loza nananontanona. Nanome vahana izany fandrosoana ara-politika izany ny fihenan’ny herin’i Asyria izay nahatonga ireo firenena manodidina (Arama, Filistia ary Foenisia) nanomana fanoherana azy, ary nampiasain’i Jeroboama izany toe-javatra izany mba hanitarana ny fanjakany. Izany fandrosoana ara-toekarena sy politika izany dia nahatonga ny fitotonganan’ny etika sosialy tany Israely (Fanjakana Avaratra). Hita tao amin’ny fiaraha-monina ny fiforonan’ny sosona sosialy izay nanan-karena be sy ny sosona hafa tena nahantra sy voahitsakitsaka. Voamarina ara-arkeolojia fa nandroso izay tsy izy ny zava-kanto indrindra ny fampihaingoana trano. Hita izany teo amin’ny fandravahana ny lapan’ny mpanjaka tamin’ny alalan’ireo fitaovana sarobidy toy ny “ivoire”. (5) Manamarina izay ambaran’i Amosa ny arkeolojia fa ireo antokon’olona vitsy nanan-karena dia niaina tao amin’ny “luxe” ary ireo mahantra kosa niankina tanteraka tamin’ny karama kely, raha amin’ny fitenintsika ankehitriny dia azo lazaina hoe “ny ohanina androany tadiavina androany ” (Amos 2:7; 3:9, 15; 4:1; 6:1–6; 8:4–6). Ny mpanankarena no tompon’ny tany ary ny mahantra dia nampiasainy sy notrandrahany mba hampitombo ny hareny. Raha atao amin’ny teny hafa dia mitovitovy tamin’ny zava-nisy ara-tsosialy izay notsikerain’i Karl Marx ny zava-nisy tany Israely tamin’ity vanim-potoana ity. Isan’ny teny fanalahidy ao amin’ny bokin’i Amosa ny hoe “rariny” sy “hitsiny”, ny “fahamarinana”, ny “fitsarana”. Jamba ka tsy nahita ny rariny sy ny hitsiny ho an’ny hafa ireo mpanankarena, very ny fahamarinana ary satria nanadino ny fitsarana marina izy ireo dia mitatao ao andohany ny fitsaran’Andriamanitra izay tsy azony hiodivirana intsony. Nanjaka ny kolikoly sy famitahana tamin’ny endriny maro toy ny hala-danja, varotra tsy mendrika ary na ny fitsarana izay hany fanantenan’ny mahantra sy ny voahitsakitsaka aza dia voavidin-karena ka tsy nahitan’ny mahantra rirany. Lohahevitra lehibe ao amin’ny bokin’i Amosa izay hovelariko ao amin’ny tapany faharoa ny resaka etika sosialy, izany hoe, ny fiainan’Israely feno tsy fahamarinana sy tsy fahatahorana an’Andriamanitra. Vokatr’izany fahombiazana ara-materialy izany dia niforona ny fahatokiana sy ny fanantenana diso toerana teo amin’ny vahoaka. Isan’izany ny finoany momba ny “andron’i Jehovah” izay noheveriny fa ho andro fandresena sy feno voninahitra. Hohitantsika aoriana kely fa notoherin’i Amosa izany ka nolazainy fa tsy ho andro fahazavana fa ho aizina sy faharesena, ary tsy tokony irina akory satria ho andro mahatahotra ho an’Israely. Mora amin’izay miaina ao anatin’ny fandrosoana ara-toekarena tahaka an’Israely ny manadino an’Andriamanitra ary niseho tamin’ny alalan’ny fanompoantsampy izay niainany izany. Antenaiko fa tsy dia ho sarotra aminao amin’izay ny hahazo ny anton’ireo teny mivantambantana sy mahitsihitsy feno fitsarana sy filazana loza ao amin’ny bokin’i Amosa raha mahafantatra ireo toe-javatra ara-tantara ireo ianao. 2.4. Iza moa ny mpaminany Amosa? Ny anarana hoe Amosa (עָמוֹס) (‘amos) dia avy amin’ny matoanteny Hebreo hoe עמס (‘amas) izay midika hoe “mitondra”, “mampiakatra”, “mivesatra” ary mifono hevitra momba “famonjena” na “fanafahana”. (6) Matetika dia misy heviny ho an’ny tompony mandrakariva ny anarana teo amin’ny Jiosy, izany no mahatonga ny mpikaroka hilaza fa manambara fisaorana vokatry ny famonjena nataon’Andriamanitra na koa angamba fangatahana fanafahana ity anaran’i Amosa ity. (7) Tsy tokony afangaro amin’ny anaran’ny rain’ny mpaminy Isaia (Amoza na Amotsa) anefa izy satria fototeny hafa no fiaviany (Is 1:1). Na dia nantsoin’Andriamanitra hiasa tany Israely avaratra aza i Amosa dia tany Joda atsimo no fiaviany. Tanàna kely antsoina hoe Tekoa (Amo. 1:1; 7:12) no tanindrazany ary tany amin’ny 9 km atsimon’ny Betlehema ary 18 km atsimon’ny Jerosalema no misy azy. (8) Chirbet Teqû no anarana iantsoana azy ankehitriny. Faritra feno havoana ity toerana ity ary manamorona ny taniefitr’i Joda. Olona nahafantatra tsara ny natiora manodidina azy i Amosa ary hitantsika fa nampiasainy ireo teo amin’ny fampitan-kafatra nataony. Tsy dia marina loatra ny filazana fa ambanivohitra kely mahantra sy taniefitra i Tekoa satria hita fa toerana nanana ny mahaizy azy izy tamin’ny andron’i Davida mpanjaka (2 Sam 14:2). Voalaza ao amin’ny 2 Tantara 11:5 koa fa isan’ireo tanàna mimànda tamin’ny andron’i Rehoboama izy. Noho ireo antony ireo dia tsy mitombina loatra ny filazana fa ny fijery tambanivohitra tao aminy no nahatonga azy hanohitra ireo fandrosona tamin’ireo tanàndehibe tahaka ny Samaria sy Betela. (9) Araka ny mbola hohitantsika ao aoriana kely dia ny etika sosialy izay nikorosy fahana tanteraka no tena anton’ireo tsikera sy fanoherana nataony. Araka ny hita eo amin’ny 1:1dia ny teny Hebreo hoe dqn (noqed) no ilazana ny asa andavanandro nataon’i Amosa. Tsy fantatra mazava ny tena hevitr’io teny io, nefa na dia izany aza dia misy ihany ireo fikarohana nataon’ny mpandinika izay afaka manome sary momba ny heviny. Tsy eto ihany no ahitana ity teny ity ao amin’ny Testament Taloha, fa ny mpanjakan’i Moaba izay antsoina hoe Mesa (2 Mpanj 3:4) dia voalaza fa noqed. Ny mpandinika sasany dia mihevitra fa noho ny hatsaran’ny biby nompiany no nanomezana an’i Amosa ny anarana hoe noqed mba anavahana azy amin’ny mpiandry ondry tsotra h[r (ro’eh) izay tena hita matetika ao amin’ny Baiboly. (10) Ny fikarohana tamin’ireo tahirin-tsoratra ogaritika dia nahitana io anarana io ary hita fa matetika dia mifandray na miaraka amin’ny mpisorona mandrakariva ireo noqedim (noqed amin’ny endrika pluriel) tany Ogarita fahizay. Izany antony izany no mahatonga ny mpikaroka maro hilaza fa olona niasa ho an’ny tempoly izy ireo na angamba olona mpikarakara na mpanolotra biby hatao fanatitra tao amin’ny tempoly. Azo heverina arak’izany ary fa tsy mpiandry ondry tsotra i Amosa fa angamba mpikarakara ireo biby hatao fanatitra tao amin’ny Tempoly. (11) Ny teny faharoa manambara ny asa nataon’i Amosa dia izay hita ao amin’ny 7: 14 hoe rqwb (boqer). Ny teny hoe rqwb (boqer) dia avy amin’ny Hebreo hoe baqar teny ilazana andiam-biby maro. Misy mpandinika milaza fa noqed ihany no izy fa vokatry ny fahadisoana amin’ny fifangaroana litera Hebreo no nahatonga ny hoe boqer. (12) Marihina fa ny Septanta dia manaraka izany fandikana izany. Sarotra anefa ny mandray izany hevitra izany satria teny fampiasa ao amin’ny Testamenta Taloha koa ny teny hoe boqer ary koa hita amin’ireo tahirin-kevitra tranainy tany amin’ny “Ancien Orient” ny hoe noqed. Amin’ny fiteny Akadiana ohatra, ny teny hoe naqidu dia ilazana mpiandry ondry, na omby na osy. (13) Azo heverina fa io teny io no niavian’ny Hebreo ery ambony (dqn) izay ampiasain’i Amosa ilazany ny mahampiandry azy. Raha fehezina izany dia mpiandry i Amosa ary azo heverina fa nanana biby marobe nandrasana sy nokarakaraina izy, izay biby natokana ho an’ny raharahan’ny tempoly. Noho izany antony dia angamba tsy dia mitombina loatra ny filazana fa olona nahantra izy. Mikasika ny teny hoe slwb (boles) eo amin’ny 7: 14 izay nadikan’ny Baiboly Malagasy hoe ”mpioty aviavy”, dia misy mpandinika milaza, ohatra i Humbert, fa mbola manindry ny mahanahantra azy indray izany satria heveriny fa nihinana ny fihinan’ny biby i Amosa. (14) Tsy misy mpanaraka firy izany hevitra izany ary heveriko fa mahaliana kokoa ny fanazavana omen’i Wright mikasika ny hevitra (”mishnique”) hafa ananan’ny matoanteny Hebreo hoe balas izay lazainy fa midika koa hoe ”mampifangaro”. (15) Arak’izany hevitra izany, ny teny hoe boles dia manambara ny asa fikarakarana aviavy nataon’i Amosa teo amin’ny fanamboarana ny sakafon’ny biby nompiany. Raha fintinina izany dia mpiompy ny mpaminany Amosa ary tamin’izany dia sady mpamboly koa izy ary izy ihany no nikarakara ny sakafo ho an’ny biby nompiany. Ny matoanteny Hebreo hoe xql eo amin’ny 7:15 (nadikan’ny Baiboly Malagasy hoe “nalaina”) dia manambara hevitra “misambotra” na “maka” na “misintona”, izay manindry ny tsy mbola nahampaminany azy tamin’ny fotoana nanirahan’Andriamanitra azy tany Israely Avaratra. Nanao ny asa fivelomany andavan’andro i Amosa no nantsoin’Andriamanitra haminany tany avaratra. Azo heverina fa tampoka izany fiantsoana izany raha io matoanteny Hebreo io no jerena. Fa inona marina no tian’i Amosa lazaina amin’ny valin-teniny tamin’i Amazia hoe ykna aybn-!b alw ykna aybn-al, ara-bakiteny, “tsy mpaminany aho ary tsy zanaky ny mpaminany”(Am. 7:14). Mandà ny maha mpaminany azy ve izy? Maro ny adihevitra manodidina ity fanambaran’i Amosa tamin’i Amazia mpisorona ao amin’ny 7:14 ity. Ireto misy santionany amin’ireo adihevitra naroson’ny mpandinika momba izany: manambara hevitra amin’ny fotoana lasa (“Je n’étais pas prophète mais je le suis devenu sur l’initiative de YHWH”) ve io fanambarana io sa amin’ny fotoana ankehitriny? (16) Na mety midika koa hoe ”tsy nianatra ho mpaminany aho…ary tsy izaho fa YHWH no nanao ahy ho mpaminany.” (17) Misy koa milaza fa ny fehezanteny hebreo eto dia mifono fanontaniana roa izay manambara hevitra “eny” ka azo adika hoe “moa ve tsy mpaminany aho? ary angaha tsy zanaky ny mpaminany?” (18) Fa ny hevitra iraisan’ny mpandinika maro dia ny hoe tsy ny maha-mpaminany azy akory no lavin’i Amosa fa ny mety ho fikambanany tamin’ny fikambanana mpaminany sy ny maha-mpaminany matihanina azy. Ny laviny eto izany dia ny hevitra “mpaminany” tao an-tsain’i Amazia mpisorona, izay amin’ny maha mpiasan’ny lapan’ny mpanjaka azy, dia nihevitra izy fa matihanina tahaka azy koa i Amosa. Izany antony izany no nahatonga an’i Amosa nanambara fa mpioty sy mpikarakara aviavy izy, io no asa fivelomany fa tsy ny asa faminaniana akory. (19) Pasteur Olivier Randrianjaka, Stavanger, 15 Aprily 2010 ENDNOTES (1) Shalom M. Paul, Amos : A Commentary on the Book of Amos (Minneapolis: Fortress Press, 1991), 1. (2) Francis I. Andersen, David Noel Freedman, Amos: A New Translation With Introduction and Commentary (New Haven, London: Yale University Press, 2008). (3) Mety hahita daty hafa ianao raha mamaky loharano hafa noho izay ampiasaiko, Shalom M. Paul, Frank Moore Cross. Amos, A Commentary on the Book of Amos, 1. (4) Michael A. Fishbane, Haftarot (Philadelphia: The Jewish Publication Society, 2002), 558. (5) Jereo ohatra ireo lisitry ny “ivoires” hita nandritra ny fikarohana nataon’ireo arkeologa ao amin’ny C. Decamps de Mertzenfeld, Inventaire commenté des ivoires phéniciens et apparentés, découvertes dans la proche orient (Paris: de Boccard, 1954), 62–75; toy izany koa ny J. W. Crowfoot and G. M. Crowfoot, Early Ivories from Samaria: Samaria-Sebaste 2 (London: Palestine Exploration fund, 1938). (6) The Hebrew and Aramaic Lexicon of the Old Testament, electronic ed. Leiden s.v. “עָמוֹס”. (7) Robert Martin-Achard, S. P. Re'emi, God's People in Crisis (Grand Rapids: Eerdmans Publishing Company, 1984), 3. (8) Ibid. (9) Ibid. (10) Jereo Robert Martin-Achard, Amos, l’homme, le message, l’influence (Geneva: Labor et Fides, 1984), 18. (11) Robert Martin Achard, AMOS: L'homme, le message, l'influence, (Genève: Labor et Fides, 1984), 18. (12) Amin’ny fiteny Hebreo mantsy dia mitovitovy ny litera b sy n ary toy izany koa ny litera r sy ny d, ka io no heverin’ny mpandinika sasany fa nahatonga ny teny hoe boqer fa tsy io akory no tena izy tamin’ny voalohany. (13) Chicago Assyrian Dictionary, ed., 1980, s.v. “naqidu”. (14) Paul Humbert, ”Un héraut de la justice, Amos” in Révue de théologie et de philosophie 5 (1917): 8. (15) Jereo ny artikla nosoratan’i T. J. Wright, “Amos and the Sycamore Fig”, in Vetus Testamentum 26 (1976): 365. (16) Martin-Achard, Amos, l’homme, le message, l’influence, 25. Marihina fa ny teny hoe YHWH dia ireo litera efatra ao amin’ny anarana hoe YaHWeH (adikantsika hoe Jehovah) izay endrika orizinaly amin’io anarana io, io no tena fampiasa amin’ny fikarohana na fanoratana akademika. Ny antony dia satria tsy misy mahafantatra ny tena zanatsoratra marina niaraka taminy. (17) Paul Humbert, ”Quelques aspects de la religion d’Amos” in Révue de théologie et de philosophie 17 (1929): 242. (18) J. D. W. Watts, Vision and Prophecy in Amos (Leiden: E. J. Brill, 1958), 11. (19) Raha liana amin’izany adihevitra izany ianao dia jereo ny Shalom M. Paul, Cross, Frank Moore, 247. BIBLIOGRAFIA Boky Andersen, Francis I., David Noel Freedman. Amos: A New Translation With Introduction and Commentary. Electronic edition. New Haven, London: Yale University Press, 2008. Chicago Assyrian Dictionary, ed., 1980, s.v. “naqidu”. Crowfoot, J. W., G. M. Crowfoot. Early Ivories from Samaria: Samaria-Sebaste 2. London: Palestine Exploration fund, 1938. Decamps de Mertzenfeld, C. Inventaire commenté des ivoires phéniciens et apparentés, découvertes dans la proche orient. Paris: de Boccard, 1954. Fishbane, Michael A. Haftarot. Philadelphia: The Jewish Publication Society, 2002. Martin-Achard, Robert, Amos, l’homme, le message, l’influence. Genève: Labor et Fides, 1984. ---------------------------, S. P. Re'emi, God's People in Crisis. Grand Rapids: Eerdmans Publishing Company, 1984. Humbert, Paul, ”Un héraut de la justice, Amos” in Révue de théologie et de philosophie 5 (1917): 5-35. -----------------, ”Quelques aspects de la religion d’Amos” in Révue de théologie et de philosophie 17 (1929): 241-255. Paul, Shalom M. Amos: A Commentary on the Book of Amos. Minneapolis: Fortress Press, 1991. Watts, J. D. W. Vision and Prophecy in Amos. Leiden: E. J. Brill, 1958. Wright, T. J. “Amos and the Sycamore Fig”, in Vetus Testamentum 26 (1976): 362-368. Rakibolana The Hebrew and Aramaic Lexicon of the Old Testament, electronic ed. Leiden s.v. “עָמוֹס”.

Post a Comment

4 Comments

  1. This comment has been removed by the author.

    ReplyDelete
  2. Tena mahafinaritra ilay lahatsoratra fa ahalalana ny fiainana taloha no misy "géopolitique" kely toy ny iainana ankehitriny.
    De miandry fatratra ny tohiny e!

    ReplyDelete
  3. Salama ô, mahafinaritra be ilay tantara fa aiza kay ny tohiny azafady?

    ReplyDelete