INONA MARINA MOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY MOMBA NY “HOMOSEXUALITE”?


INONA MARINA MOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY MOMBA NY “HOMOSEXUALITE”?


Voaresaka betsaka tato ho ato ny resaka momba ny fanambadiana sy ny fiarahan’ny mitovy fananahana na ny “homosexualité” indrindra taorian’ny faneken’ireo firenen-dehibe tany ivelany na ara-panjakana na ara-piangonana izany. Tsy zavatra vaovao akory ity resaka “homosexualité” ity fa efa noresahina na teo amin’ny seha-panjakana na teo amin’ny fiangonana. Ny tena nanaitra ny maro dia ny naneken’ireo fiangonana tandrefana maro ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Tsy vitan’izany ihany fa ambaran’izy ireo mazava tsara amin’ny alalan’ny hevitra ara-baiboly tsara tohana fa “tsy fahotana” ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Ity hevitra ity no manosika ahy hanoratra izao lahatsoratra izao 
Amin’ny maha mpampianatra ahy dia raisiko ho andraikitra ny mitondra anjara biriky amin’ny fanazavana sy fametrahana mazava izay ambaran’ny baiboly mikasika izany. Amin’ny maha mpampianatra ny Testamenta Taloha ahy dia hifantoka amin’ny fanazavana ara-baiboly ity lahatsoratra ity. Maro ny fomba azo ijerena ity resaka “homosexualité” ity saingy ny fijery ara-baiboly no ifantohako eto. Heveriko mantsy fa na hisy aza fanazavana avy amin’ny siansa hafa toy ny psykolojia na antropolojia na ara-tantara dia izay ambaran’ny soratra masina no voalohany sy fototra.
Tsy ampy ho antsika ny milaza fotsiny fa manohitra ny “homosexualité” isika fa tsy maintsy mahay mamaly sy miady hevitra ara-baiboly. Amin’ny maha loterana antsika dia tsy maintsy ny soratra masina no iaingana ary fototry ny adihevitra rehetra. Aoka ho fantatsika mazava tsara ny fototra ara-baiboly mahatonga antsika manohitra ny fanambadian’ny mitovy fananahana mba tsy ho tonga fanaratsiana be fahatany ny fanoherana ataontsika.
Mizara telo ity lahatsoratra fohy ity. Ny tapany voalohany dia hamelarana fohy amintsika ny tantara niavian’ny teny hoe “homosexualité” sy ireo hevitra manodidina izany; ny tapany faharoa, izay ivony, dia hijerena ireo soratra masina mahakasika mivantana na an-kolaka ny “homosexualité” izay arahin’ny adi-hevitra ara-baiboly ampiasain’ireo teolojiana biblika tandrefana manohana ny “homosexualité” sy ny fanoherana avy amiko; ny fahatelo farany dia ny hisaintsainantsika ny mety hiatrehantsika ny ankehitriny sy ny ho avin’ny fampianaran’ny fiangonana mikasika ity lohahevitra ity.


Voalohany, soratra masina fito (7) no tena ifantohan’ny adihevitra, tsy inona izy ireo fa ny Gen 1:27; Gen 19:5ff; Lev 18:22; 20:13; Rom 1:26–27; 1 Kor 6:9; ary 1 Tim 1:10.

Post a Comment

0 Comments