Ny Epistily 1 Petera
Ny Lalan’ny Hazofijaliana
Fitarihanteny momba ny Epistily
Ny Mahaza-dehibe ny Epistily
Manana ny toerany sy lanjany manbokana eo amin’ny finoana
kristiana ity epistily ity. Nolazain’ny mpikaroka fa “ity no resumé-n’ny
finoana kristiana sy ny fitondrantena kristiana mazava indrindra”. Martin
Lotera dia nilaza fa “ity no epistily manankaja indrindra ao amin’ny Testamenta
Vaovao ka mitovitovy lenta amin’ny Romana sy ny Filazantsaran’i Jaona”.
Nolazainy koa fa hita ao amin’ny epistily daholo ireo zavatra tokony ho
fantatry ny Kristiana rehetra.
Ny Mpanoratra sy ny Nanoratana
Petera iray tamin’ireo apôstôlin’i Jesosy Kristy no
nanoratra ny epistily ary tsy tokony hampisalasala izany (1 Pet. 1:1). Ity
epistily ity izany dia taratasy nalefa ho an’ireo fiangonana tany “Ponto,
Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidy (1 Pet. 1:1). Ireo tanà na
ireo dia tany amin’ny faritra ngezabe tany Azia Minora, izay any amin’ny
faritr’i Torkia ankehitriny. Ny ankamaroan’ireo tanà na tany Azia Minora
indrindra ireo tany andrefana dia nahitana ireo tempoly naorina ho an’i amperora
Agustus. Ireo tanà na ireo dia nanjakan’ny kolontsaina greko-romana. Ny Amperora
dia noheverina ho sady mpanjaka no andriamanitra. Ity faritri’i Azia Minora ity
dia lasa berceu nahaterahan’ireo olo-malazan’ny finoana kristiana:
Aquilla vadin’i Prsicilla (Asa 18:2), Marcio, Aquilla mpandika teny…
Ireo Kristiana nanoratany ny epistily dia volazan’i Petera
fa: amin’ny Grika parepidemoi = “vahiny” (1:1) sy paroikoi=
“mpivahiny, mpandalo” (2:1). Ireo filazana ny kristiana ireo ho “vahiny sy
mpivahiny” dia sady azo raisina ara-bakiteny ary azo raisina ho amin’ny hevitra
métaphorique. Ireo Kristiana ireo dia Jiosy izay niely patrana tany
amin’ireo firenena maro voalaza etsy ambony. Ny loharano nahatonga ireo
kristiana ireo dia ny fitoriana lehibe tao Jerosalema tamin’ny androan’ny
Pentekosta voalohany. Ny telo amin’ireo fiangonana voatonona eto (Ponto,
Kapadokia ary Azia) dia voalaza fa nanatrika tao Jerosalema tamin’io fotoana io
(Asa 2:9–11). Ireo kristiana nanatrika teo no heverina fa nitondra ny filazantsara
tany Azia sy nanorina ireo fiangonana ireo.
Fotoana sy Toerana Nanoratana
Ny hoe “Babilôna” izay voalaza ao amin’ny 5:13 dia manondro
an’i Roma (jereo koa ny Apo. 16:19; 17:5; 18:2). Raisin’i Petera ho toy ny
vahoakan’Andriamanitra lasa babo sy miely patrana ireo Kristiana (1:1, 17;
2:9–11). Tany Babilôna fahizay no nahababao ny Zanak’Israely izay nipetrahany
ho “vahiny sy mpivahiny” nandritra ny taona maro. Ambaran’i Petera eto koa
anefa izy koa dia “vahiny” any am-pielezana toy ireo Kristiana hafa rehetra.
Ireo Rain’ny Fiangonana dia samy nilaza fa maty maritiora
tany Roma i Petera sy Paoly (Eusebius, Papias, Origène). Tamin’ny faramparan’ny
fiainany no nipetrahan’i Petera tany Roma. Ny fotoana nanoratan’i Petera ity
taratasy ity dia taorian’ny nivoahan’i Paoly ny fonja tamin’ny nigadrany
voalohany tamin’ny taona 62 AD. Tamin’ity fotoana ity ihany koa no
nanombohan’ny fanenjehana mamaivay ny Kristiana nataon’ny Neron. Manodidina ny
taona 63 AD izany no nanoratana ny epistily 1 Petera.
Votoatin’ny Epistily
1. Ny Apostolin’ny Jiosy miarahaba ireo Jiosy amin’ny alalan’ny Fitahiana
(1:1–2)
Fanaon’ny Fiangonana voalohany ny miarahaba dia mirary
fifaliana ny fiangonana anoratana. Tononin’i Petera honan’ireo fiangonana ireo
ny fahasoavana sy fiadanana. Ao anatin’ny ady sy fanenjehana ireo Kristiana
ireo ka tena ilainy ny fiadanana. Tsapan’i Petera tsara izany satria any Roma
izy no nanoratra ary ny amperora Neron no nitondra. Ity amperora ity dia
nanenjika mafy sady nanaratsy ny Kristiana. Ity Petera ity no nanatsoaka ny
sabany mba hisakana ilay miaramila tao Getsemane tsy hamono an’i Jesosy Kristy.
Noheveriny mantsy fa ny fahafatesan’i Kristy dia hampangina hatreo ny fanantenana
sy ny fiadanan’ny Mesia. Raha ny marina anefa dia mifanohitra amin’izany no
nentin’ny fahafatesan’i Jesosy. Ankehitriny dia mitory ny fiadanana avy
tamin’ny hazofijaliana i Petera fa tsy fiadanana avy tamin’ny sabatra.
Mahafantatra tsara an’i Jesosy Kristy sy ny asany i Petera. Mpanjono nantsoin’i
Jesosy hanarato olona (Mat. 14:19); izy no nanao fanekempinoana voalohany momba
ny maha Mesia an’i Jesosy (Mat. 16:16) ary teo no nilazan’i Jesosy fa izy no
vatolampy iorenan’ny Fiangonany (Mat. 16:18); nanatrika ny fiovan’i Jesosy
tarehy tao an-tendrombohitra (Mat. 17:4); izy ilay nafana fo ka nandeha teo
ambony rano (Mat. 14:30); izy no nanatsoaka ny sabany saika hamono ilay
miaramila tao Getsemane (Mat. 26:52); izy no nidokadoka fa tsy hivadika amin’i
Jesosy nefa avy eo tsy naneno in-telo akory ny akoho dia nivadika (Mat. 26:75);
farany dia maty maritiora tany Roma Petera. Tsy nanaiky nohomboina toa an’i
Jesosy izy fa nanhataka mba ny lohany no atao ambany.
Ran’ny famafazana: “ho amin’ny fanarahana sy ny
famafazan’ny ran’i Jesosy Kristy (1 Pet. 1:2). Inona no hevitr’izany? Tsy ny
ran’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana akory no tiany lazaina. Ny fanekena tao
Sinay ao amin’ny Eks. 24 no ao ambadika. Mba hahazoana izany dia tsara ny
manazava fohy ny fanekena, ny fianianana amin’ny fanekena izay fianianana
mihatra amin’ny fahafatesana ho an’izay mivadika ny fanekena. Eo amin’ny Eks.
24 dia nalaina ny ran’ny fanekena ka natosaka teo amin’ny alitara sy nafafy
tamin’ny vahoaka. Eto izany dia ny ran’i Kristy mihitsy no nanaovany fianianana
2. Misaotra an’Andrimanaitra noho ny Fanantenana ao amin’i Kristy (1:3–12)
Ambaran’i Petera fa fanantenana velona no ao amin’i Jesosy
Kristy satria Kristy nitsangana tamin’ny maty no mitondra azy. Nanatri-maso
izany i Petera. Rehefa nitsangana Jesosy dia nilazan’ireo nankany am-pasana
voalohany ka nihazakazaka hijery izany. Fantany fa tsy tao am-pasana intsony
Jesosy Kristy. Niova ho fanantenana sy
fifaliana ny tahotra sy ny fahaverezam-panantenana tao amin’i Petera sy ny
mpianatra hafa.
Izany fanantenana velona izany dia vokatry ny fiterahana
indray ao amin’i Jesosy Kristy izay nanalan’i Jesosy antsika avy tamin’ny
fahafatesana nankao amin’ny fahavelomana mandrakizay. Nambaran’i Petera fa ny
batisa dia manambara ny firaisantsika. Ny fahaterahana indray vokatry ny
fitsanganan’i Jesosy dia mitondra finoana velona (1:5; 3:21). Ny
fanantenantsika miorina amin’ny lasa: Jesosy nitsangana, sy ankehitriny: Jesosy
velona! Midera an’Andriamanitra noho izany i Petera.
3. Manoava amin’ny Fahamasinana fa efa Olom-boavidy (1:13–2:3)
Ambaran’i Petera ny antony tsy maintsy hanoavan’ny mino.
Lazainy fa olom-boavidy ny mino an’i Jesosy Kristy. Ity no fondation eo
amin’ny fiainana Kristiana, tsy ahy ny fiainako fa voavidin’i Kristy, an’Atra
aho. Ny zavatra rehetra dia manomboka amin’ny hoe: an’iza ianao, iza no
tomponao. Lafo vidy mihoatra noho ireo mety ho lafo vidy rehetra ny vidy
nividianana ny mino satria ny ra soan’i Kristy mihitsy, tsy andevo intsony fa
olon’afaka ka manompo an’i Kristy amin’ny fahafahana sy fahamasinana. Feno ny
fanantenana satria ny fahaveloman’i Kristy no mamelona azy.
“Koa amin’izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka
antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy
Kristy” (1 Pet. 1:13). Ny sary ao ambadika dia miaramila, ohatra, izay malalaka
akanjo ka voasaringotry ny zavatra maro eny an-dalana sy eo am-piadiana. Ny
tian’i Petera lazaina dia izao: ataovy matotra ny momba ny finoanao isan’izany
ny fampianarano (doctrine), ny faharesen-dahatra ara-biblika, miorina
amin’ny soratra masina ve izay inoanao sy iainanao? Eo amin’ny 1 Pet. 2:1 no
ahitantsika ireo loharanon’ny fampianarana biblika ireo: “Koa esory ny lolompo
rehetra sy ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana
rehetra, fa tahaka ny zaza vao teraka
dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany ho
amin’ny famonjena” (1 Pet. 2:1-2). Toy ny fanirian’ny zaza vao teraka ronono
hamelona azy no tsy maintsy hanirianareo nyn Tenin’Andriamanitra hamelona
anareo. Rehefa mamaky ny soratra masina dia mahazo fahalalana, ny fahalalana
koa dia lasa finoana ary farany lasa fitiavana, tiana ny fampianaran’ny baiboly
fa tsy zavatra mavesatra. Tsy vaohozongozona amin’ny fampianaran’ny soratra
masina.
4. Miaina amin’ny maha Vahoakan’Andriamanitra
·
Ny Fiainan’ny Tempoly
ara-panahy (2:4–10)
Tadidintsika ny nanomezan’i Jesosy anarana an’i Petera ny
anarana hoe Kefasy, izay midika hoe “vato”. Eto dia ampisain’i Petera izany
anarana “Vato Velona” izany ilazany an’i Jesosy (2:4–6). Ity kisarisary ao
amin’ny Isa. 28:16 no nahazoana ity anarana ity. Natoky tena ireo mpitarika tao
Jerosalema ka nihevitra fa tsy hisy hahakasika azy raha tonga ny fanafihan’ny
fahavalo. Nilaza Jehovah fa tsy hisy hahajoro amin’ny fandringanana afa tsy ny
Tranon’i Jehovah ihany, ny Tempoly izany satria nahorina amin’ny alalan’ny Vato
azo antoka sy mafy. Jesosy izany eto, araka ny filazan’i Petera azy, no Vato
sarobidy sy Vato fehizoro. Ny Jiosy dia nandà ilay tena Vato fehizoro (Jesosy)
nefa Izy no nataon’Andriamanitra ho tena fehizoro ka eo Aminy no iorenan’ny
Tempoly ara-panahy dia ny mino rehetra (2:4). Amin’ny alalan’i Kristy
nitsangana tamin’ny maty sady Vato velona no anoloran’ny mino rehetra ny
fanatitra ara-panahy (2:5). Afaka manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’i
Jesosy Kristy ny mino.
·
Ny Ministeran’ny Vahoaka
Mpisorona
Ny mino dia Tempoly velona ara-panahy izay mirafitra eo
ambonin’i Jesosy Ilay Vato Fehizoro velona. Trano na Tempoly ara-panahy ny mino
ary manao asa fisoronana ara-panahy. Ny asa fisoronana ataon’ny mino dia fisoronana
ara-panahy sady manerana (spirituel et universel) amin’ny alalan’ny
vavaka fifonana sy ny fanompoana. Ny asan’ny mpisorona dia ny mibata ny olona
mankao amin’Andriamanitra.
5. Miaina amin’ny maha Vahoakan’Andriamanitra
·
Fitondrantena Vaovao (2:11–20)
-
Olon’afaka nefa
Mpanompon’andriamanitra (2:11–17)
Nantsoina ho zanaky ny fahazavana ny mino ka afaka tamin’ny
fanandevozana rehetra. Efa lasa ireo fahamaizinana rehetra izay nanamaizina ny
sainy. Mpivahiny ny mino eto amin’izao tontolo izao fa tsy eto akory ny
tanindrazany. Tsy mifangaro amin’izao tontolo izao izay feno fahalotoana ny
mino satria efa voadio sy voavidy tamin’ny ran’i Kristy. Tsy manava-rena akory
ny mino, ory ny Fariseo, fa liavaka ho azy izy satria manana ny fomba fianany
manokana noho ny fanadiovana nataon’i Kristy. Miady amin’ny fanahy ireo
filan-dratsy maro ka asain’i Petera handosiran’ny mino izany. Na dia miaina eo
amin’izao tontolo izao aza ny mino dia tsy an’izao tontolo izao izy. Tsy
fananan’izao tontolo izao intsony ny mino fa fananan’Andriamanitra. Tsy maintsy
mamokatra fitondrantena manintona sy tsara ny firaisana amin’Andriamanitra sy
ny fahamasinana izay mahatonga ny jentilisa hitsiriritra ny mino. Amin’izany
dia manome voninahitra an’Andriamanitra izay niantso azy ny mino.
Izany fiovam-pitondrantena mahery vaika eo amin’ny mino
izany dia mahakasika ny lafim-piainan’ny mino rehetra: mpampono sy rompo,
zanaka sy ray aman-dreny, mpivady sns.
6. Fitondrantena Vaovao: Fiaretana fahoriana (2:21–3:7)
Fakampanahy: “Izany no iravoravoanareo, na dia
ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza
hianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra
ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny
volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia ami’ny
hisehoan’i Jesosy Kristy” (1 Pet. 1:6-7).
Tsy maintsy mihatra amin’ny mino satria porofon’ny finoana
izany, ho fizahan-teotra ny finoana. Raha milaza ianao fa mino, dia tonga ny
fakà mpanahy, dia lavo ianao fa tsy naharesy, manome tsiny an’Andriamanitra ary
vao maika niala an’Andriamanitra, porofo milaza mazava izany fa tsy
marim-pototra ny finoanao. Mirovy amin’ny olona nadalo fitsarana ka nivoaka no
mpandresy ary ambara fa marina. Mahatsapa fa tsara lavitra mihoatra noho ny
volamena sy ny harena rehetra ny famonjena ahy ka tsy atakaloko na inona na
inona: “Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka
mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra” (1
Pet. 2:19)
Fizahantoetra na fitsapana: “Ry malala, aza gaga
noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza
atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany, fa araka ny iombonanareo fijaliana
amin’i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny
voninahiny koa” (1 Pet. 4:12-13).
Fahoriana: tsy maintsy iharan’ny fahoriana ny
Kristiana. Jereo ny fiantsoana an’i Paoly: “Fa hoy ny Tompo taminy:
Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny
jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Israely; fa hasehoko azy ny habetsahan’izay
tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako” (Asa 9:15-16).
Lasa
fiainan’i Paoly mihitsy ny fahoriana: io no tresor-ny.
“Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay,
mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay. Voageja
manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina,
nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty; mitondra ny fahafatesan’i Jesosy
mandrakariva ao amin’ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny
fiainan’i Jesosy. Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin’ny fahafatesana
mandrakariva noho ny amin’i Jesosy, mba haseho ao amin’ny nofonay mety maty koa
ny fiainan’i Jesosy” (2 Kor. 4:7-11).
7. Mahonona Tena, akaiky ny faran’ny zavatra rehetra stewardship (4)
Alohan’ny ianadrasanao ny ondrin’Andriamanitra dia ianao
aloha no mahavita sy miandry ny tenanao:
Fa antomotra ny faran'ny
zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.
8 Ary mihoatra noho ny zavatra
rehetra, mifankatiava tsara; fa «ny fitiavana manarona fahotana maro» (Oha
10.12)
9 Mifampiantranoa, ka aza
mimonomonona.
10 Samia mifanompo araka ny
fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny
fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra.
11 Raha misy olona miteny, dia aoka
izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka
izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana
an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy
ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,
12 Ry malala, aza gaga noho ny
fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho
zavatra mahagaga manjo anareo izany, (1 Pet. 4:7-12)
0 Comments