Ny teolojian'ny hazofijaliana ihany no teolojiantsika
Taridresaka
Alohan’ny hirosoantsika amin’izay tena kendrena
amin’ireto lahatsoratra ireo dia heveriko fa tsara raha manao fanazavana fohy
mikasika ireo zavatra heverin’ny maro ho mahaloterana azy saingy tsy izy.
Maro ireo zavatra ivelambelany izay heverin’ny maro fa isan’ny fototra
mahaloterana azy. Hojerentsika fohy etsy ambany ny sasany amin’izy ireo:
Fomba amam-panao: Tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny Fiangonana
tokoa mantsy ny fombafomba sy fanao.
Tsara ny manamarika fa ireo fomba fanao toy
- ny fomba fihirana,
- ny fanapahana hira,
- ny hira sy ny fomba fihirana
dia tsy mahaloterana satria miovaova arakaraka ilay firenena misy ilay
fiangonana izany.
Ny mety ho endriky ny fanaka ao am-piangonana koa dia tsy azo lazaina ho
mahaloterana avy hatrany.
Ohatra:
Ny eto Madagasikara dia misy alitara ery aloha ary
mitodika mankany aloha ny pastora rehefa mitarika ny fanompoam-pivavahana. Any
amin’ny firenena sasany any ivelany dia mitodika aty amin’ny fiangonana ary avy
ao aorian’ny latabatra (alitara) ny pastora no mijoro.
Toy izany koa ny resaka fitafiana.
Miovaova arakaraky ny firenena.
Ohatra:
Na ny loko na ny endriky ny akanjo pastoraly. Any ivelany
dia misy fiangonana loterana mampiasa ny akanjo pastoraly mainty nefa ny aty
Madagasikara dia fotsy. Na ny endriny na ny lokony dia samy tsy mahaloterana
antsika fa vokatry ny fandaminana ao amin’ilay fiangonana ihany.
Raha ireo ohatra vitsy noraisko ireo dia hita fa tsy ireo zavatra ivelambelany
akory no mahaloterana antsika fa foto-kevitra ara-teolojia izay niainga avy tamin’ny
fanaovaozam- pivavahana nataon’i Martin Lotera tamin’ny Taonjato Anelanelany ka
mbola iainan’ny fiangonana loterana ankehitriny.
1. Martin Lotera sy ny Reformasiona notarihiny
Alohan’ny hijerentsika ireo teolojia mahaloterana antsika ireo dia tsara raha
ampahatsiahivina antsika fohy ny mikasika an’i Lotera sy ilay reformasiona
notarihiny.
Nandritra ny 34 taona teo ho eo no niketrehan’i Lotera
ireo teolojiany ireo, dia tamin’ny fotoana naha profesora momba ny Soratra
Masina azy tao amin’ny Oniversite-n’i Wittemberg sy ny nahampitarika ny
reformation azy. Azo zaraina ho vanimpotoana telo izany:
(1) Nanomboka tamin’ny taona 1512 izay nanombohany nampianatra ny
Baiboly ka hatramin’ny 1522 izay niverenany tany Wittemberg taorian’ny
nitsarana azy tao Worms ka nanambarana azy ho mpandika lalàna.
(2) Ny taona 1522 ka hatramin’ny 1530 izay namolavolan’i Lotera niaraka
tamin’ireo mpiara-miasa taminy ny teolojia loterana, ka isan’izany ny
nanoratan’izy ireo boky mirakitra ny finoana harahin’ny Fiangonana tao Augsbourg.
(3) Ny taona 1530 ka hatramin’ny fahafatesany tamin’ny 1546, izay
natokan’i Lotera ho an’ny fanoratana boky sy momba ireo fanontaniana pratika sy
momba ny fiainan’ny fiangonana.
Azo lazaina fa nandritra io vanim-potoana voalohany io no tena nipoiran’ireo
lohahevitra teolojika fototra mahaloterana. Tsy nijanona teo anefa izany fa
nohamafisiny sy namboariny hifanandrify tamin’ireo zava-nisy natrehiny taty
aoriana. Isan’ny zava-tsarotra atrehin’ireo mpikaroka momba ny teolojian’i
Lotera ny manambatra sy mampiray an’ireo teolojiany izay miparitaka manerana
ireo asa sorany marobe nandritra ireo vanimpotoana samihafa nanoratany izany.
- Voalohany, isan’ny nibahan-toerana tamin’ny fampianarana nataon’i Lotera ny
fanazavany (commentaires) ny Baiboly, izay nanomboka tamin’ny bokin’ny Salamo
(1512) ary niafara tamin’ny Genesisy (1546). Maro tamin’ireo fampianarany ireo
no nasiany fanovàna taty aoriana ka navoakany ho boky. Isan’ny zava-dehibe
tamin’ny teolojiany ny fampianarany ny Epistily ho an’ny Romana (1515-16), ny
Salamo (1519-21), ny Galatiana (1531), ary ireo fampianarany momba ny bokin’ny
Genesisy (1535-45).
- Faharoa, nanoratra lohahevitra maro koa i Lotera, toy ny fanambadiana, ireo
sakramenta, ny sitrapo voafatotra, ny fianianan’ny monka, ny fiangonana, ny
fahefan’ny fanjakana, ary ny fahafahan’ny kristiana. Marihina fa ireo
lohahevitra ireo dia nipoitra indrindra avy tamin’ny toe- javatra natrehin’ny
reformasiona toy ny filàn’ny fiangonana sy ny fanoherana nataon’ireo
mpanohitra. Voalazan’i Lotera fa ny fanoherana nataon’ireo mpanohitra no
nahatonga azy ho teolojiana‖.
- Fahatelo, nanoratra bokikely maro tamin’ny fiteny alemà i Lotera mba
hanamafy ny fahalalan’ny laika. Isan’izany ny katekisma kely sy lehibe (1529),
mikasika ny vavaka, mikasika ny Didy Folo, ny Sakramenta, ny Fiaiken-keloka,
ary ny asa tsara. Azo ampidirina amin’ity karazany ity koa ireo taratasy maro
ho fampaherezana, ireo hira ary ny sorany mikasika ny litorjia. Voalaza fa i
Lotera no mpanoratra be mpamaky indrindra hatrany alohany ka hatramin’ny
vanim-potoana niainany.
- Fahefatra, nanoratra toriteny marobe i Lotera ka ny 2000 eo ho eo dia mbola
voatahiry mandraka ankehitriny.
- Fahadimy, taratasy manodidina ny 2500 no voasoratra sy voatahiry. Tsy ireo
olona nifanerasera taminy sy ny toe-javatra manodidina ny reformasiona ihany no
hita amin’ireo taratasy ireo, fa ao koa ireo lohahevitra teolojika niadiana
hevitra.
Noho ny hamaroan’ny asa soratra nataon’i Lotera sy ny fiparitahan’ireo teolojia
nosoratany, dia tena sarotra ny mahazo amin’ny fomba tsotra ireo teolojiany
ireo.
Misy fomba telo (3) azo ijerena sy ianarana ny teolojian’i Lotera:
(1) Ny mijery sy mandinika ireo teolojiany araka ireo vanim-potoana
nipoirany sy nivoarany tao anatin’ny tantara
(2) Ny manangona ireo teolojia ireo ho lohahevitra
(3) Ny mampiaraka
ireo roa voalohany ireo
Io fomba faharoa io no harahiko amin’ireo lahatsoratra hosoratako, ka
havoitrako amin’izany ireo lohahevitra teolojika mahaloterana.
Isan’ny niadiana hevitra koa izay mety ho ivon’ny teolojian’i Lotera. Ny maro
anefa manaiky fa ny “teolojian’ny hazofijaliana” no ivon’ny teolojiany
manontolo satria hoy indrindra izy: “ny hazofijaliana irery ihany no
teolojianay”. Nefa nosoratan’i Lotera tamin’ny taona 1532 fa “ny tena
votoatin’ny teolojia dia ny olombelona izay mpanota sy voaheloka ary
Andriamanitra Izay Mpanamarina sy Mpamonjy”.
Isan’ny heverin’ny sasany ho ivon’ny teolojiany koa ny momba ny Andriamanitra
miafina sy miseho, Kristy, ny Tenin’Andriamanitra, ny Lalàna sy ny
Filazantsara ary ny fanamarinana. Raha jerena akaiky anefa dia hita fa
mifandray daholo ireo lohahevitra ireo ary ny fikendreny dia iray ihany dia ny
asam-pamonjena ataon’Andriamanitra maimaimpoana amin’ny fahasoavany ao amin’i
Jesosy Kristy ho an’ny mpanota. Voalazan’i Lotera mazava tsara tamin’ny taona
1518 hoe: “ampianariko fa Jesosy Kristy ihany no tokony hitokian’ny olona fa
tsy ny vavaka na ny fahamendrehany na ny asa ataony”.
2. Ireo Toe-javatra Nanefy ny Teolojian’i Lotera
Ity tapany faharoa ity no hamaranako ny tari-dresaka ankapobeny. Heveriko fa
tsara ny ahafantarantsika ireo olona na hevitra manodidina ny teolojian’i
Lotera mba ahafahantsika mahazo izay ao ambadiky ny heviny sy ny fijeriny.
1. Ambaran’ireo
mpikaroka tantara fa zaza be tahotra i Lotera ary matetika voakapoky ny rainy
nandritra ny fahazazany. Tsy niala taminy io tahotra io ary vao maika nitombo
izany rehefa tonga tao amin’ny monastera izy. Navesatra tao aminy ny fiheverany
ny amin’Ilay “Andriamanitra mampatahotra” tsy faly amin’ny olona
satria tsy mahatanteraka ny didiny, hany ka niezaka mafy izy mba hahafalifaly
an’io Andriamanitra io tamin’ny alalan’ny fanaovana asa tsara. Isan’ireo ny
fifandian-kanina be sy fanaovana asa fanompoana be tao amin’ny monastera nisy
azy satria noheveriny fa ireo no ahazoany fitia avy amin’Andriamanitra.
Zava-dehibe ny ahafantarantsika fa io Andriamanitra mampatahotra io no hany
fantany mandrapahatongan’ny fotoana izay nahitany ny fahazavan’ny Filazantsara
ka nahafantarany fa Andriamanitra be fitiavana Izy ary
manome sy mampiasa ny fahasoavany mba hamonjena ny mpanota izay mino an’i
Jesosy Kristy.
2. Ao koa ireo
karazan’olona sy firehan-kevitra ary teolojia tamin’ny Andro Antenantenany izay
azo lazaina fa namolavola ny teolojian’i Lotera. Isan’izany ny skolastisisma sy
ny monastisisma.
- Ny skolastisisma dia fotokevitra nahazo vahana tany Eoropa
tany amin’ny taona 1100–1500 tany ho any. Nampiasain’ireo manampahaizana
(skolastika) tamin’izany fotoana izany ny skolastisisma noho izy mampiasa
ny saina sy ny “raisonnement dialectique” ho entina miady hevitra
sy mamaha olana. Fomba iray ampiasain’izy ireo ny adihevitra amin’ny alalan’ny
antsoina hoe “disputatio”. Rehefa misy hevitra tiana havoitra na tohanana dia
miantso fivoriana hanaovana adihevitra.
Nampiasain’i Lotera izany rehefa niady hevitra sy
nanohitra ireo skolastika sy ny fivarotana famelankeloka (indulgence) i Lotera
tamin’ny taona 1517, izay mbola azontsika vakiana ao amin’ireo fehin-kevitra
(95 theses). Tokony ho tadidintsika fa io 31 Oktobra 1517 io, izay andro
nametahan’i Lotera teo amin’ny varavaran’ny katedraly (Castle Church) tao
Wittenberg any Alemà, no fotoana nanombohan’ny atao hoe reformasiona loterana.
Izany antony izany no mahatonga ny loterana eran-tany hankalaza ny 31 Oktobra
ho “andron’ny reformasiona.”
[Tsetsatsetsa tsy aritra, ny 1 Novambra kosa dia “andron’ny Filazantsara”
fa tsy fetin’ny maty ho antsika loterana, manana ritoaly manokana ho amin’izany
isika ka tokony ho velomina ny fankalazana ireo andro roa ireo eran’ny FLM.]
Ny antony nahatonga an’i Lotera hametaka ireo
fehin-kevitra 95 ireo dia ny mba hiantsoany adihevitra mikasika ireo heviny
ireo. Marihina fa mbola hohitantsika aoriana kely ny votoatin’ireo hevitra
teolojika ireo
- Ny teny hoe “monastisisma” dia avy amin’ny teny Grika hoe
μοναχός (vakiana hoe monachos) izay avy amin’ny teny hoe μόνος (vakiana hoe
monos) midika hoe “irery”.
Io teny io dia iantsoana ny fitokana-monin’ireo relijiozy ao amin’ny Fiangonana
Katolika ka antsoina hoe “monka” (moine)ny lehilahy mpitoka-monina
ary “nona” kosa ireo vehivavy.
Araka ny efa fantatrao dia monka Aogostiniana i Lotera nefa niala tamin’izany
ka nanam-bady an’i Katharina von Bora izay nona nandositra niala ny maha nona
azy niaraka tamin’ireo nona hafa avy tao amin’ny monastera nisy azy ireo.
Notoherin’i Lotera ny foto-kevitra monastika satria nolazainy fa tsy
ara-tSoratra masina izany.
Azo aseho amin’ny teboka dimy (5) ireo fanoheran’i Loterana ny monasitisisma:
(1) satria tsy
ara-tSoratra Masina:
tsy misy azontsika atao ho amin’ny famonjena fa asan’Andriamanitra ao
amin’i Jesosy Kristy irery ihany izany fa tsy amin’ny alalan’ireo asa maro toy
ny fampahantrana tena sy ny maro hafa;
(2) satria mifanohitra amin’ny finoana:
toherin’i Lotera ny fiheverana fa tahaka ny “batisa faharoa” ny
fianianana amin’ny fanokanana monka (voeu monastique) izay manamaivana ny
batisa izay fomba anomezan’Andriamanitra antsika ny fahasoavany;
(3) satria ny fianianana monka dia mifanohitra amin’ny fahafahana kristiana:
ny fianianana monka dia zavatra ataon’olombelona ihany ka mifanohitra amin’ny
feon’ny fieritreretana sy ny fahafahana;
(4) satria mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra izany:
ny monastisisma dia manohitra ny fanoavana ny ray
aman-dreny sy ny fanampiana ny manodidina;
(5) tsy ahazoana sitraka avy amin’Andriamanitra akory ny fahadiovan’ny monka satria vao maika mampitombo
ny filàna izany, tsy misy masina sy ambony mihoatra noho ny fanambadiana.
3. Ny zavatra fahatelo dia ny filozofian’i Aristote.
Nanjaka tamin’ireo anjery manontolo manerana ny Eoropa ny filozofian’i
Aristote. Nampiasaina saika tamin’ny lafiny rehetra ity filozofia ity na teo
amin’ny teolojia eny fa na dia teo amin’ny resaka siansa koa aza. Heverina ho
toy ny “illetré” izay tsy mahay ny filozofian’i Aristote.
Tao amin’ireo anjery manontolo izay nanjakan’ny filozofian’i Aristote ireo no
nanovozan’i Lotera fahalalana. Taorian’ny nianarany tao amin’ireo sekoly tao Mansfeld,
Magdeburg, ary Eisenach (antsoina hoe trivial schools) dia tao amin’ny anjery
manontolon’i Erfurt no nianarany.
Raha tao amin’ireo “Trivial Schools” dia niompana tamin’ny fiteny ny fianarana
nataony. Tao Erfurt kosa dia niompana tamin’ny famerenana ny fiteny latina sy
ireo “forms literaires” ny fianarana narahany. Nandritra ny antsasa-taona
faharoa sy fahatelo dia nifantoka tamin’ny resaka “lojika” izay niorina
tamin’ny foto-kevitr’i Aristote.
Nianaran’i Lotera tamin’izany ny fomba fandresena lahatra
amin’ny alalan’ny lojika sy ny fanomezana porofo eo amin’ny fanaovana
adi-hevitra akademika. Azo lazaina fa nofolahana hahay hiady hevitra sy
handaha-teny ny mpianatra nandritra io fandaharam-pianarana “Bachelor”
(mitovitovy amin’ny Licence aty amintsika io fa tsy Bacclaureat) io.
Isan’ny nianaranay tamin’izany koa moa ny atao hoe
“grammaire et logique” sy ny resaka “rhetorique.”
Ireo rehetra ireo dia nifototra tamin’ny fijery
aristoteliana avokoa.
Tao amin’ny dingana “Master” dia nianatra momba ny “philosophie
naturelle” sy ny “philosophie morale” izy. Nanampy izany ny resaka mozika ary
matematika. Voalaza fa isan’ireo mpianatra naranitsaina i Lotera ary saika
vitany tao anatin’ny fotoana fohy noho ny notakiana ireo asa nataony.
Tamin’ny taona 1508 dia nantsoina avy tao Erfurt Lotera hampianatra momba ny
etika sy ny dialektikan’i Aristote tao amin’ny anjery manontolon’i Wittenberg.
Efa hita taratra sahady ny tsy fahazoazoany ny filozofia. Tao aorian’ireo
karazana fampianarana sy asa maro tsy maintsy nataony dia nahazo ny
maripahaizana “Doctorat en Theologie” izy tamin’ny 18 oktobra 1512.
Tao aorianakelin’izany dia nanomboka ireo fampianarany momba ny Salamo izy
tamin’ny volana Jolay 1513. Naharitra hatramin’ny taona 1515 izany ary
nandritra ireo fotoana ireo no nahitany ny tsiamabaratelon’ny Filazantsara ary
izany no nahatonga azy hifidy ny bokin’ny Romana indray nanomboka tamin’ny
Novambra 1515 izay naharitra hatramin’ny Septambra 1516. Ity fotoana ity no
tena nanazavany ny resaka finoana sy ny fanamarinana maimaimpoana amin’ny
finoana izay lasa foto-kevitra lehibe amin’ny teolojia loterana.
Marihina fa nanomboka tamin’ity fotoana ity dia efa nitsoka tao Wittenberg ny
fijery teolojika vaovao izay nanohitra ny atao hoe “sitrapo afaka.”
Tamin’ny September 25, 1515 ohatra dia nisy mpianatr’i Lotera iray antsoina hoe
Bartholomaeus Bernhardi izay nanoratra lahatsoratra teolojika nanohitra ny
fisainana skolastika momba ny fahafahan’ny olona hanao ny
sitrapon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny “sitrapony malalaka” tsy miaraka
amin’ny fahasoavana. Raha ny marina dia efa nanomboka nampianarin’i Lotera ireo
mpianany avy hatrany ity harena be hitany tao amin’ny Soratra Masina ity, ary
niseho ho hitan’ny rehetra izany tamin’ny 31 Oktobra 1517.
Hazavaiko fohy ity satria mbola hohitantsika amin’ny
antsipirihany kokoa ao aoriana kely.
Araka ny efa voalazako tery ambony dia monka aogostiniana
i Lotera. Ireny monastera ireny dia samy manana ny olomasina miahy azy ka ny
an’i Lotera dia i Augustin no mpiahy azy, ary nanjaka tao ny fisainana sy ny
teolojiany. Hita taratra teo amin’ny fanazavana nataon’i Lotera ny
fahafantarany tsara io teolojia io, eny fa ireo Rain’ny Fiangonana tranainy.
Tsara ho fantatsika fa i Augustin dia tsy nahay ny fiteny Grika ka tsy tena
nahazo ny hevitry ny teny hoe “manamarina” tao amin’ny Testamenta vaovao. Ny
hany Baiboly nampiasainy dia ny dikanteny amin’ny fiteny Latina. Noho izany
antony izany dia diso ny fandraisany io teny ka noheveriny fa ny hoe
“manamarina” dia midika hoe “manao ho marina.” Nohazavainy fa ny fanamarinana
dia zavatra avy ao anatin’ny olona amin’ny fotoana hiovany fo, ary mihamitombo
tsikelikely izany fahamarinany izany amin’ny alalan’ny fanaovany asa tsara.
Izany hoe, ny fanamarinana no mandeha aloha avy eo manaraka izany ny fanamasinana,
ka ny fanamasinana dia làlana lava andehanan’ny mino efa voamarina nefa mbola
mila hamarinina bebe kokoa.
Notoherin’i Lotera izany ka nolazainy fa ny fanamarinana dia zavatra avy any
ivelany izay asan’Andriamanitra amin’ny olona izay anambarany ny olona iray ho
marina. Amin’i Lotera dia miaraka ny fanamarinana sy ny fanamasinana fa tsy
zavatra misaraka, ka amin’ny fotoana anamarinan’Andriamanitra ny mino dia feno
izany ary tsy mila ampiana na ampitomboina. Ny fanamasinana kosa dia ny vokatry
ny finoana sy ny fanamarinana, miasa ny mino satria manana finoana fa tsy hoe
mba ahazoana fanamarinana bebe kokoa.
Ary farany nefa tsy kely indrindrany toe-javatra
ankapobeny tao amin’ny Fiangonana Katolika tamin’ny andron’i Lotera. Niely
eran’ny Eoropany fivarotana “indulgence.” Ny“indulgence” dia tsy inona fa ny
fivarotana famelankeloka, ninoana’izy ireo manko fa mananatombom-pahamasinana
sy tombom-pahamarinana ireo olomasina fahizay ka azo vidina sy zaraina amin’ny
havana sy ny namana mba hahatonga azy ireo ho voavonjy. Nanaovana dokam-barotra
mihitsy izany ka nolazaina fa amin’ny fotoana hirotsahan’ny vola ao amin’ny
boatim-bola dia manidina avy any amin’ny afo fandiovana ny fanahin’ny olona ka
voavonjy. Nampiasaina ireo karazana fampijalian-tena sy asa tsara maro mba
hahaoana sitraka avy amin’Andriamanitra.
Nahitsin’i Lotera izany ka nolazainy fa maimaimpoana ny famelankeloka
omen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy amin’ny fahasoavany.
Tapitra eto ireo pejy vitsy mikasika ny taridresaka ankapobeny.
Manomboka amin’ny lahatsoratra manaraka dia hiroso
amin’ny tena votoatiny amin’izay isika.
Dia manasa anao hanjohy ireo lahatsoratra manaraka izay hahitanao ireo
lohahevitra amin’ny teolojian’i Lotera toy ny fahotana, ny fanamarinana
maimaimpoana amin’ny finoana, ny fisoronan’ny mino rehetra, ny sitrapo afaka sy
ny sitrapo voafatotra, ny teolojian’ny hazofijaliana, ny fahafahana kristiana,
ireo fanjakana roa, ny fanendrena mialoha (predestination), ny fiantsoana sy ny
maro hafa
MOMBA NY FAHOTANA
1. Ny Fahalalana ny Ota
Azo lazaina fa isan’ny lohahevitra lehibe izay nandrafitra ny teolojian’i
Lotera ny fijeriny mikasika ny fahotana. Hohitantsika miandalana amin’ireo
lohahevitra hafa manaraka eo izany satria tena hita fa miankina tamin’ny
fampianarany mikasika ny ota ny fijeriny mikasika ireo lohahevitra hafa
rehetra.
Zavatra roa lehibe no nahatongavan’i Lotera tamin’izany fijery momba ny
fahotana izany:
- voalohany ny fandinihan-tena manokana sy ny fandinihany
lalina ny teolojian’i Paoly ao amin’ny Testamenta Vaovao.
Raha nanomboka ny fampianarany mikasika ny epistily ho an’ny Romana izy tamin’ny
1515/1516 dia izao no nolazainy: “ny tanjona sy ny fikendren’ny apostoly ao
anatin’ity epistily ity dia ny hampiseho miharihary ny fahamarinana sy ny
fahendrena ananantsika . . . sy ny hampiseho miharihary ny fahotana mba
hahitana ny mahazavadehibe sy ny mbola fisiany, ka amin’izany dia hohita fa
tena ilaina tokoa i Kristy” (ny dikan-teny rehetra ato amin’ity
lahatsoratra ity dia dikanteny malalaka ataon’ny mpanoratra). Nasehon’i Lotera
mazava tsara ny mahazava-dehibe ny fahafantarana sy ny fanekena ny mahampanota
eo amin’ny finoana kristiana sy ny teolojia rehetra.
- Na dia efa voasoratra ao amin’ny feon’ny fieritreretan’ny olona aza ny
lalàna dia tsy misy olona tena mahatsapa ny faharatsiany satria manamaizina ny
fijeriny izany.
Hoy i Lotera: “tsy mba fantatr’izao tontolo akory ilay ota fototra izay tena
mahafaty, ny olona tahaka izany dia tsy mba hahatsapa ny natiora sy ny herin’ny
fahotana.” Ny fahalalàna sy fahatsapana ny fahotana dia avy amin’ny Tenin’Andriamanitra
ihany. Tsy maintsy inoan’ny olona rehetra fa misy ny ota ary manandevo azy.
Hohitantsika aoriana kely fa ny Tenin’Andriamanitra ihany no fitaratra tena
ahitantsika ny tena marina mikasika antsika dia ny mahampanota antsika.
2. Ny natioran’ny fahotana
Isan’ireo boky izay nitarika an’i Lotera tamin’ny fahazoany ny natioran’ny
fahotana ireo Salamo, ireo bokin’ny mpaminany ary indrindra ireo soratr’i
Paoly. Hita miverimberina ao amin’ny soratr’i Lotera ny filazana fa ny ota dia
“fiavonavonana” na “fanirian’ny tena” na koa ny hoe “nofo” olombelona na ny hoe
“fahamarinan’ny tena.” Maro amin’ireo famaritana ny fahotana nomen’i Lotera
ireo no tsy vaovao fa zavatra efa teo amin’ny fiangonana hatramin’izay nefa
nomeny famaritana sy heviny vaovao. Ilay hoe peccatum radicale (fiteny latina)
izay ampiasainy matetika tamin’ny fampianarany ny Romana anefa dia tsy mbola
fahita teo amin’ny fampianarana skolastika. Io ilay “ota fototra”, ny fahotan’i
Adama na fahotana lovàna izay lovan’ny taranak’olombelona rehetra. Amin’ny
skolastika dia zavatra roa miavaka ilay fahotana lovàna sy ny fahotana (asa)
ataon’ny olona, izany hoe, na dia nohalemen’ny fahotana lovàna aza ny natioran’ny
olona dia tsy tena miankina amin’izany kosa ny fahotana ataon’ny olona
tsirairay.
Amin’i Lotera kosa dia zavatra roa tsy afa-misaraka ireo, satria ilay fahotana
fototra (lovàna) no mbola manandevo sy mibaiko ny asa rehetra ataon’ny olona ka
io no ao ambadik’ireo (asa)mpahotana rehetra ataony.
Amin’ny skolastika ny peccatum naturae dia ilay fahotana
izay mampahalemy ny natioran’ny olona (ka mahatonga azy hanota) ary ny peccatum
personale kosa dia ilay (asa)m-pahotana ataon’ny olona.
Amin’i Lotera kosa dia ny fahotana lovàna na ny fahotan’ny natiora na ny
fahotan’ny tsirairay, ireo rehetra ireo no mamaritra ny olona ho mpanota ka tsy
azo sarahina.
Ny fampianarana skolastika dia manindry kokoa ilay asampahotana ataon’ny olona
tsirairay fa tsy ilay toetra maha-mpanota ny olona rehetra.
Toy izao no famaritan’i Lotera ny fahotana:
“ny fahotana, ao amin’ny Soratra Masina, dia tsy ilay asa ataon’ny vatana hita
ety ivelany ihany fa izay rehetra mampihetsika ny olona hanao ireny asa ireny,
dia ny fo ao anaty miaraka amin’ny heriny rehetra.” Ny fahotana dia mitoetra ao
anaty, izany hoe, ao anatin’ny “fo.” Lazain’i Lotera fa ny toetran’ny fahotana
dia ny tsy finoana, ny tsy fahatoakiana an’Andriamanitra, ny tsy fitiavana an’Andriamanitra.
Ny tsy fahaizana misaotra an’Andriamanitra no lazainy fa blasfemia
(fitenenan-dratsy) sy tsy fanajana an’Andriamanitra ambony indrindra. Isan’ny
mampiavaka ny fijerin’i Lotera koa ny famaritany ny fahotana ho “fanirian’ny
olona haka ny toeran’Andriamanitra, ka tsy amelany an’Andriamanitra ho
Andriamaniny.”
Noho izany, ny tena tokony hataon’ny olona dia ny midera an’Andriamanitra andro
aman’alina noho ny famindrampony, na dia anatin’ny tafiodrivotra sy afo
midedadeda aza; tsy mitsiriritra ny fananan’ny namana fa mifaly amin’izany
satria heveriny ho tahaka ny azy izany, ary midera an’Andriamanitra amin’izany
rehetra izany.
Ny fahotana dia fitiavan-tena (amor sui). Heverin’ny
olona ho zava-dehibe ny tenany ka te hoderaina sy handohalihana. Isan’ny antony
nanoheran’i Lotera ny “asa tsara” izany satria izy ireny dia natao mba
hahazoana sitraka ho an’ny tena ka miteraka fiavonavonana sy fahatokiantena.
Izany no tian’i Lotera nolazaina amin’ilay fomba fiteniny hoe homo incurvatus
in se, izay midika hoe “mitodika amin’ny tenany ihany ny olona.” Avy amin’izany
no anazavany ny maha “nofo” ny olona.
Hoy indrindra i Lotera: “Ny
fahotana lovàna na ny fahotana ao amin’ny natioran’ny olona, io no tena
fahotana fototra satria raha tsy misy ireo dia tsy hisy koa ireo
(asa)m-pahotana ataon’ny olona andavan’andro. Na dia tsy zavatra ataon’ny olona
tahaka ireo fahotana hafa rehetra aza izy dia “misy” (ao amin’ny “nofo.”)
Velona izy ary izy no manao ireo fahotana rehetra, izy no tena fahotana izay
tsy mba manota ao anatin’ny adiny iray na amin’ny fotoana fohy; fa na aiza na
aiza ary na hafiriana na hafiriana no iainan’ny olona iray dia ao aminy foana
ity fahotana ity.”
3. Ny Fahotana Lovàna
Raisin’i Lotera ara-bakiteny izay voalaza ao amin’ny
tantaran’ny fahalavoana ao amin’ny bokin’ny Genesisy: talohan’ny fahalavoana
dia marina, natahotra an’Andriamanitra ary masina i Adama. Isan’ny mampiavaka
ny fijerin’i Lotera koa ny fiheverany fa na dia talohan’ny fahalavoana aza dia
efa tsy tena nanana sitrapo afaka, izany hoe fahafahana
hisafidy, i Adama satria ny fananana sitrapo afaka feno dia toetran’Andriamanitra
irery ihany.
Iza ary izany no fototry ny fahalavoan’i Adama?
Hita taratra amin’ny fanazavana ataony ny fanindriany fa tsy Andriamanitra
akory no niavian’ny fahotana, nefa na dia izany aza dia ambarany koa fa tsy
afaka nanao na inona na inona ny menarana raha tsy navelan’Andrianaitra nanao
izany izy. Ankoatr’ireo dia nampitandremany isika mba tsy hanontany na hikaroka
lavitra fa hiankina amin’izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina ihany.
Teto koa no nanazavany ny anton’ny fahalavoana ka nampiasainy ny hoe felix
culpa (midika hoe fahadisoana mahasambatra) ka toy izao no nanazavany
izany: “raha anontaniana Andriamanitra amin’ny andro fitsarana farany hoe, naninona
no navelanao ho lavo i Adama? dia hamaly Izy hoe “mba ho azon’ny olona ny
fahatsarako tamin’ny nanomezako ny Zanako ho famonjena ny olombelona”.
Nanana “fahamarinana nolovàna” (avy tamin’Andriamanitra) i Adama sy Eva
saingy rehefa nihinana tamin’ilay voankazo voarara izy ireo ka nanota dia simba
sy potika ilay fahamarinana. Dia nanomboka tonga daholo ireo fanirian-dratsy
rehetra toy ny fanambonian-tena, tsy fahadiovam-pitondrantena, ary ireo
fahotana rehetra fantatsika ankehitriny.
Fomba roa no anazavan’i Lotera ity fahotana lovàna ity:
- Ampiasainy ny fomba fitenin’ireo skolastika hoe carentia
iustitiae originalis, (arabakiteny, “tsy fisian’ny fahamarinana voalohany”)
izany hoe, ny fahasimban’ilay fahamarinana nolovàna avy tamin’Andriamanitra.
- Lazainy koa fa tao Edena dia voasazy noho ny fahotan’i
Adama isika ary antsoina hoe “lovàna” izany satria tsy nataontsika nefa miaraka
amintsika amin’ny alalan’ny ray aman-drenintsika ary isaina ho toy ny efa
nataontsika koa.
Ao amin’ny fanazavany ny Salamo 51 no ahitantsika amin’ny
antsipirihany kokoa ny fijeriny momba ny fahotana lovàna. Ambarany fa eo amin’ny
conceptio, augmentatio, nutritio in matris utero (midika
hoe nanomboka teo amin’ny nitorontoronina, ny fitomboana, na ny famahanana tao
an-kibon’ny reny) dia efa niseho sahady ilay fahasimban’ny natioran’ny olona
vokatry ny fahotana lovàna, ka samy simba (corrupta) manontolo izany.
Noho izany dia ao ambanin’ny fanapahan’ilay fahotana lovàna avokoa izay rehetra
miseho eo amin’ny fahaterahana. Tsindrian’i Lotera tsara anefa fa tsy miresaka
ny maha fahotana ny fanambadiana akory ity Salamo ity, fa ilay fahalovan’ny
natioran’ny olombelona manomboka hatrany an-kibo izay iforonany ho olona.
4. Ny Devoly
Ny Loterana dia mahafantatra tsara fa misy zavatra telo izay ampiarahan’i
Lotera rehefa miresaka momba ny herin’ny ratsy izy. Hita ohatra izany ao amin’ny
katekisma nosoratany, dia ny fahotana, izao tontolo izao, ary ny devoly na ny
nofo, izao tontolo izao, ary ny devoly. Hita tsara ny fiheveran’i Lotera
mikasika ny devoly rehefa miresaka ny fanoherany ny fahefan’ny Papa (katolika)
tamin’ny androny izy. Nolazainy mantsy fa ny fanoherana nataony tamin’ireo
fahadisoan-kevitra sy ny familiana làlana ny Filazantsara dia ady nataony hanoherana
ny devoly.
Ny olombelona dia eo anelanelan’Andriamanitra sy ny
devoly. “Tsy marina,” hoy i Lotera, “fa mitazana fotsiny ny ady ifanaovan’Andriamanitra
sy ny devoly ny olombelona, fa tena mandray anjara eo amin’ny tanim-piadiana,
amin’izany dia na izy “itaingenan’Andriamanitra na izy “itaingenan’ny devoly.”
Mitsangana eo anelanelan’ny ady mangotraka ny olombelona ka tsy afaka mijery
fotsiny fa tsy maintsy mandray anjara. Ny fahavalon’Andriamanitra voalohany
indrindra dia ny devoly ka ao ambadik’izay rehetra manohitra an’Andriamanitra
ny devoly ary izy no mitondra fahasimbana eto amin’izao tontolo izao sy ny
olombelona. Na dia ambarany aza fa mahery ny devoly dia ampianariny fa
Andriamanitra no tompon’ny hery sy ny fahefana faratampony ka tsy afaka manohitra
izany ny devoly. Ny fahotana sy ny fahafatesana no fanjakan’ny devoly. Ny
devoly no miasa ao ambadik’ireo faharatsiana rehetra toy ny aretina, fahantrana
ary ny fahafatesana (Jereo Heb 2:14). Efa nahalavo ny olombelona voalohany ho
amin’ny fahotana ny devoly ary mbola manohy maka fanahy ny taranany rehetra ho
amin’ny fahotana. Izany no nahatonga azy hilaza fa ny devoly no tao ambadik’ireo
fanoherana ny reformasiona notarihiny ka niasa na dia tao anatin’ny Fiangonana
aza mba handiso ny Tenin’Andriamanitra. Izany no mahatonga an’i Lotera hanindry
tsara ny fahadiovan’ny fampianaram-pinoan’ny Fiangonana sao dia simban’ny
devoly amin’ny hevi-petsiny ka mahavery ny fahamarinana avy amin’ny Soratra
Masina.
Ny devoly dia andriamanitr’izao tontolo izao (2 Kor 4:4)
nefa tsy mahatsangana eo anoloan’ny Tenin’Ilay Andriamanitra marina. Ary satria
tsy mangina Ilay Andriamanitra marina dia miseho mandrakariva ny ady ifanaovan’ireo
andriamanitra roa ireo ka izany no mahatonga izao tontolo izao tsy hisy
fiadanana fa ady mangotraka. Lazainy koa fa amin’izay tsy misy ny fanjakan’Andriamanitra
dia misy ny fanjakan’ny devoly. Tsindrian’i Lotera mazava tsara anefa ny maha
Andriamanitra an’Andriamanitra izay efa naniraka ny Zanany handrava ny herin’ny
devoly. Amin’ny alalan’ny finoana no anafahan’i Kristy antsika avy amin’ny hery
manandevon’ny devoly.
Famintinana
- Zava-dehibe eo amin’ny famonjena ny olona ny
fahafantarany sy ny fanekeny fa tena mpanota izy
- Amin’i Lotera dia tsy ireo asa ratsy izay hita ataon’ny
olona avy ety ivelany ihany no fahotana fa ilay fahotana fototra na fahotana
lovàna izay ao anatin’ny olona rehetra na dia mbola any an-kibo aza izy. Ireny
asa ireny dia tahaka ny ravina sy voan’ny hazo fa ny tena olana dia ilay fakan’ilay
hazo ao ambanin’ny tany, izay na dia tsy hita maso aza dia mamelona sy
mampamokatra ilay hazo.
- Tena simban’ny fahotana tanteraka sy manontolo ny
natioran’ny olona ka tsy misy azony anombohana itiavana na inoana an’Andriamanitra,
noho izany dia
- Very ilay fahamarinana tao amin’ny olona ka tsy maintsy
mila an’Andriamanitra izy vao afaka ho voavonjy
- Tsy eken’ny fampianarana loterana ny filazana fa misy
zavatra sisa tsy simba ao amin’ny olona ka azo ampiana mba ho tsaratsara kokoa.
Koa satria simba tanteraka dia tsy misy afa tsy i Kristy no fanantenany
hanamarina sy hamonjy azy
****************
Lesona Tsara ho fantatra
(1) Inona marina moa no tena fahotana; ireo asa ratsy ataoko ve? Tsia ny tena
fototra dia ilay “fahotana lovàna” Tsy mba ianarana izy io ary mbola any
an-kibon’ny reny ny olona iray dia efa mandova azy sahady. Io ota fototra io no
tena fahotana, ary izay asa ratsy ataon’ny olona ka hita ety ivelany dia tahaka
ny ravin-kazo ihany fa ny fàkany ao ambanin’ny tany no tena izy ka miteraka
izay hita maso.
Fampiharana:
• Izany no mahatonga antsika hanao batisa zaza satria efa teraka ho mpanota izy
ka tsy maintsy ateraka indray vao afaka ho voavonjy
• Isan’ny antony handavantsika ny homosexualité koa izany satria teraka aminy
amin’ny maha mpanota azy izany fa tsy zavatra noharian’Atra tao aminy akory
• Ilaina ny fibebahana isan’andro mba hamonoana ilay ota fototra
(2) Simba ny natioran’ny olona noho ny fahotana raha ny resaka famonjena no
resahana. Ireo piétistes taorian’i Lotera dia nilaza fa samba tanteraka ny
natioran’ny olona ka tsy misy zavatra tsara vitany intsony; i Lotera kosa
nanindry fa eo amin’ny resaka famonjena dia simba izy nefa mbola afaka mampiasa
ny sainy ary mety hahavita zavatra tsara izy amin’izany.
Fampiharana:
• Tsy manana fahafahana hino sy hatahotra an’Andriamanitra ny olona; tsy afaka
manapa-kevitra ny hino sy handray an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy azy
• Tsy maintsy mila an’Atra ny olona hanome azy finoana izay vao afaka mibebaka
sy mino an’Atra ka izany ihany no làlana ahatongavany amin’ny fanamarinana ka
ahazoany famonjena. Asan’Atra fa tsy asa ataon’ny olona, Atra no manomboka sy
actif ary ny olona mpanota dia passif ihany.
Ny Sitrapo voafatotra /afaka
Alohan’ny hijerentsika ny amin’ny fanamarinana
maimaimpoana amin’ny finoana dia tsara raha lalovantsika fohy ny amin’ny resaka
sitrapo afaka / voafatotra na dia efa voaresako fohy tao amin’ny lahatsoratra
teo aloha aza izany.
Zava-dehibe loatra tamin’i Lotera ity lohahevitra ity ka nanokanany boky iray
manontolo hiresahana izany (De Servo Arbitrio, The bondage of the will).
Marihina fa azonao vakiana amin’ny fiteny anglisy ao amin’ny aterineto io boky
manontolo io:
http://www.truecovenanter.com/truelutheran/luther_bow.html
Isan’ny hevitra notoherin’i Lotera mafy ny fampianarana
tamin’ny Andro Antenantenany momba ny sitrapon’ny olona afaka misafidy. Ny
fomba fiteny hoe “sitrapo afaka” sy “sitrapo voafatotra” dia
entina ilazana ny fahafahan’ny olona hisafidy ireo zavatra momba ny
famonjena azy:
afaka misafidy sy manapa-kevitra amin’ny herin’ny tenany ve ny olona ny ho tia
sy hino an’Andriamanitra?
Izany hoe raha atao amin’ny fomba mahitsy kokoa dia izao: safidy sy
fanapahan-kevitra ataon’ny olona ve ny mahatonga azy ho voavonjy sa misy hafa
avy any ivelan’ny tenany izay tsy maintsy manao izany vao tanteraka aminy
izany?
Voalazan’i Lotera fa Andriamanitra irery ihany no manana ny sitrapo
afaka zato isan-jato ka afaka misafidy malalaka izay tiany atao.
Notsindriany fa na talohan’ny fahalavoana aza dia efa tsy nanana feno ny atao
hoe “sitrapo afaka” ny olombelona. Ny fahalavoana moa dia vao maika nahatonga
izany fahafahany izany ho voafatotra amin’ny ratsy ka ny hany mba safidy hainy
atao dia mankany amin’ny fahotana avokoa. “Tsy mahay tsy manota” izy satria na
izay saininy na izay heveriny hatao dia mankany amin’ny fahotana avokoa ary ny
safidiny dia voafatotra ao amin’ny ratsy mandritra ny andro.
Hita eto indray ny fiheverana loterana momba ny fahotana, tsy ilay asa ratsy
ataon’ny olona akory no maha-mpanota azy fa ilay toetrany efa mpanota, izy tsy
maintsy manota satria tsy mahay tsy manota. Zavatra tsy hain’ny olombelona
lavon’ny fahotana ny mino na tia an’Andriamanitra indrindra fa ny mandray ilay
fanomezana sarobidy momba ny famonjena. Isan’ny nampiasain’i Lotera hanohanana
ny heviny mikasika izany ny Rom 1–4 sy ny toko faha-7 izay ilazan’i Paoly
mazava tsara fa zavatra tsy hain’ny olona atao amin’ny herin’ny tenany ny
mandray ny famonjen’Andriamanitra.
Nambarany fa raha ohatra ka mbola manana fahafahana
handray izany famonjena izany ny mpanota dia tsy misy ilana ny “fahasoavana”
intsony. Noho izany dia toherin’i Lotera ny fiheveran’ireo skolastika fa manana
fahafahana handray ny famonjena ny olona satria mbola manana sitrapo afaka
hisafidy sy handray izany izy.
Ny fanontaniana ngezabe mipetraka eto dia izao:
- ahoana no fomba hahavoavonjy ny mpanota very raha ohatra ka tsy manana
fahafahana ny ho voavonjy izy?
- Ary ahoana no fomba hamonjen’Andriamanitra ny mpanota raha diso sy meloka ary
tsy mino sy tia Azy izy?
Zavatra iray ihany no tsy maintsy miseho, Tsy maintsy Andriamanitra no midina
sy manatona ny mpanota ka manao izay rehetra hahatanteraka izany famonjena
izany. izany famonjena izany anefa dia tsy maintsy manomboka amin’ny antsoina
hoe “fanamarinana” satria tsy hisy olona “meloka” na “diso” afaka hiara-monina
amin’Andriamanitra.
- Ahoana marina ary no mahatanteraka izany fanamarinana izany?
Ny fanamarinana maimaimpoana amin’ny finoana
Ity lohahevitra teolojiaka momba ny fanamarinana ity no ivo sy fon’ny teolojian’i
Lotera. Ity no lohahevitra nandaniany ny heriny sy ny fotoany indrindra, hoy
indrindra mantsy izy: “ity fampinaram-pinoana (fanamarinana) ity no mahalavo na
mampijoro ny Fiangonana.”
Nolazainy koa fa “ity no fehin-kevi-pinoana ivon’ny fampianaranay, izy no
masoandro, andro, ary fahazavan’ny Fiangonana.” Ao amin’ilay adihevitra nataony
tamin’ny 1537 dia nolazainy fa “ny fampianarana momba ny fanamarinana no
tompomenakely, mpanjaka ary tompo, mpitarika ary mpitsara ireo karazana
fampianarana, izay mitazona sy mitarika ny fampianaran’ny Fiangonana rehetra…”
Fahamarinana vahiny (na avy any ivelan’ny olona)
Araka ny fampianarana nataon’i Paoly dia tsindrian’i
Lotera tsara fa tsy afaka ny ho marina amin’ny alalan’ny asa ataony ny olona,
fa amin’ny alalan’ny finoana an’Ilay Andriamanitra izay manamarina ny mpanota
ihany ka anisany azy ho marina no mahatanteraka izany.
Ampifanoherin’i Lotera ny “finoana” sy ny “asa.” Ny
finoana dia valinteny ataon’ny olona manoloana ny teny famelankeloka ataon’Andriamanitra.
Ny finoana sy Teny izany dia tsy misaraka nefa ny Teny no manomboka ny zavatra
rehetra, ny Teny no amoronann’Andriamanitra ny finoana ao anatin’ny
olona. Tahaka ny namoronan’Andriamanitra an’izao tontolo izao avy tamin’ny
tsy misy no amorony finoana ao anatin’ny olona. Oharin’i Lotera amin’ny
mpangataka mamelatra tànana foana ny mpanota tonga eo amin’Andriamanitra , tsy
misy azony aroso na anombohana (io ilay asa nolazaiko tery ambony) fa
Andriamanitra no manomboka ny rehetra amin’ny alalan’ny Teny. Fanomezana avy
amin’Andriamanitra ny finoana ary omeny amin’ny alalan’ny Teny izany. Ny
finoana no andraisana ilay fanamarinana avy amin’Andriamanitra. Ary satria
tsy avy amin’ny zavatra ataon’ny olona izany fanamarinana izany ary zavatra tsy
hainy atao, dia tsy maintsy avy any ivelan’ny tenany, izany hoe, io ilay
fahamarin’i Kristy izay isainy ho an’ny mpanota. Izany no iantsoana azy hoe
“vahiny” satria tsy zavatra avy ao anatin’ny olona fa avy any ivelan’ny tenany
dia avy amin’Andriamanitra izany. Ny finoana no mahatonga an’i Kristy
ho “present” eo amin’ny fiainan’ny minoary tena zava-dehibe eo amin’ny
fanamarinana izany. Hoy i Lotera raha milaza ny mahazava-dehibe an’ity
fanamariana ity eo amin’ny Fiangonana Kristiana: “izao no tena hevitry ny
fivavahana kristiana dia isika hamarinina amin’ny finoana an’i Kristy fa tsy
amin’ny asan’ny lalàna…, raha ity fampianaram-pinoana ity no very dia ny
fampianaram-pinoan’ny Kristiana manontolo mihitsy no very.”
Ny fakam-panahy mahazo ny olona dia izy tehitady zavatra hatao mba hahazoana
sitraka avy amin’Andriamanitra ary izany no heveriny fa ahazoany fanamarinana.
Ny fototr’izany fanamarinana izany dia tsy inona fa ny asam-panavotana nataon’i
Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Ny fahafatesany sy ny fitsanganan’i Kristy
irery ihany no ahazoantsika famelankeloka sy fanamarinana.
Ahoana anefa no mahatanteraka izany raha tsy misy azon’ny mpanota atao?
“Amin’ny alalan’ny fahasoavana irery ihany” hoy i Lotera no mahatanteraka izany
ary satria fahasoavana izany dia sady tsy avy amintsika no tsy mendrika
antsika.
Tsara raha hazavaina kely angamba ity fahasoavana ity satria
maro no mampifangaro azy amin’ny hevitra hafa.
Araka ny efa hitantsika tany aloha dia nahamora ny fanazavan-kevitra nataon’i
Lotera ny fahafehezany ireo fiteny biblika roa dia ny Grika sy ny Hebreo. Ny
teny Hebreo izay niavian’ny teny hoe “fahasoavana” ao amin’ny Tetsamenta Vaovao
dia ny hoe chen. Ity teny ity dia ampiasaina ilazana ny “fiantrana” na
“fitiavana manokana” asehon’ny olona iray mpanankarena na mpanjaka amin’ny
olona iray mahantra na olona mampalahelo. Fantany tsara fa tsy ahavita
hanoninatra ary tsy manana zo omena ilay fanomezana izy nefa omeny noho ny
fangoraham-po sy ny fitiavany manokana. Averimberin’i Lotera im-betsaka fa raha
tsy amin’ny alalan’ny fahasoavana amin’ny alalan’i Kristy no ahazoantsika
fanamarinana dia maty foana Izy. “Amin’ny alalan’ny fahasoavana” satria isika
tsy mendrika ny hamarinina sy omena izany fanomezan-dehibe izany nefa omeny
noho ny fitiavany; “amin’ny alalan’i Kristy” satria ny fahafatesany sy ny
fitsanganany irery ihany no tsy maintsy fototry ny famelankeloka sy ny
fanamarinana ny mpanota. Tsy fototra iorenan’ny fanamarinana ny mpanota fotsiny
i Kristy fa Izy mihitsy no fahamarinan’ny mpanota eo anatrehan’Andriamanitra.
Tahaka ny nijeren’ny zanak’Israely ilay menarana varahina tany an’efitra ka
nahasitrana azy ireo koa no tsy maintsy ibanjinantsika an’i Kristy eo amin’ny
hazofijaliana mba hahazoantsika famonjena. Rehefa mibanjina an’i Kristy sy ny
hazofijaliany isika dia mahazo antoka fa Izy no fahamarinana sy fiainantsika
ary tsy miraharaha izay mety ho fampitahorana sy fampihorohoroana ataon’ny
lalàna sy ny ota, ny fahafatesana, ny fahatezerana ary ny fitsaran’Andriamanitra.
Satria isika dia velona ao amin’Ilay Kristy Izay banjinintsika ary Izy velona
ao amintsika; Izy no Mpandresy sy Manjaka eo amin’ny lalàna, ny ota, ny
fahafatesana ary ny ratsy rehetra.
Maninona moa no mila hamarinina isika?
Satria meloka amin’ny lalàna ary tsy mahatanteraka izany. “Efa tonga ozona i
Kristy” hoy i Lotera “mba hanafaka antsika izay tao ambanin’ny ozon’ny lalàna”,
nefa satria nitsangana Izy ka nandresy dia afa-po Andriamanitra (ny fomba
fiteny hoe “satisfaction” no fomba anazavan’ny teolojiana izany). Noho izany
dia isain’Andriamanitra ho fahamarinan’izay rehetra mino (an’i Kristy) izany
asa nataon’i Kristy izany. Ambaran’Andriamanitra fa “marina” isika noho ilay
asa nataon’i Kristy ho antsika, nefa tokony ho tadidintsika mandrakariva fa ny
nahatonga Azy nanao izany dia noho ny fiantrany sy ny fitiavany lehibe izay tsy
nijereny ny tsy fahamendrehantsika fa nomeny maimaimpoana tsy mila tambiny
izany.
Noho izany dia zava-poana izay mety ho ezaka ataontsika amin’ny endriny
samihafa satria sady tsy mila izany Andriamanitra no tsy hahavita inona akory
izany eo amin’ny fanamarinana antsika. Asan’Andriamanitra madiodio ny fanamarinana
antsika. Ny tena zava-dehibe eto dia ilay “fahamarinan’i Kristy” (antsoin’ny
teolojiana hoe “fahamarinana objektifa”) izay vokatry ny asa nataony ka isainy
ho antsika, noho izany dia tsy nanamarina antsika fotsiny Izy fa lasa
fahamarinantsika mihitsy satria “present” eo amintsika amin’ny alalan’ny
finoana.
Tsindrian’ny teolojia loterana mafy ny mahaza-dehibe ny ASA
NATAON’ANDRIAMANITRA HO ANTSIKA fa tsy ny ASA ATAONTSIKA HO AN’ANDRIAMANITRA.
Ity fampianarana ity dia manafoana izay rehetrra mety ho karazana “tohatra”
amboarin’ny olona mba hiakarany any amin’Andriamanitra satria Andriamanitra no
efa nidina ka namonjy ny olona. Ao anatin’izany ireo karazana lalàna sy
fombafomba izay hanavesarana ny kristiana ka hanerena azy mba hahazoany sitraka
amin’Andriamanitra. Efa vita ny asa rehetra, mamantam-bonona isika mpanota. Ny
sisa ataontsika dia ny mandray amimpisaorana izany fanomezana lehibe izany sy
mino fa efa voamarina ka tsy misalasala na dia kely aza.
Notoherin’i Lotera ny fijerin’i Augustin mikasika ny fanamarinana.
Amin’i Augistin mantsy ny ny fanamarinana dia tsy zavatra miseho indray mandeha
fa manomboka eo amin’ny fotoana hiovan’ny olona fo (conversion) izay isehoan’ilay
fanamarinana azy dia mitombo tsikelikely izany fahamarinany izany amin’ny
alalan’ny fihàmasinany hatrany noho ny asa sy fiezahana ataony. Aminy dia
zavatra roa samihafa ny fanamarinana sy ny fanamasinana. Izany dia vokatry ny
tsy fahazoany tsara ny hevitr’izany amin’ny teny Grika.
Nazavain’i Lotera fa tsy azo sarahina ny fanamarinana sy ny fanamasinana ary
miseho indray mandeha sady feno ny fanamarinana fa tsy zavatra mihamitombo
tsikelikely akory.
Ny fanontaniana mipetraka dia izao,
- raha nohamarinin’Andriamanitra tamin’ny asan’ny lalàna ary isika, moa mbola
misy ilantsika izany lalàna izany ve?
- Foana ve ny Didy Folo?
Fanontaniana apetraky ny rehetra ary ampianarin’ireo fiangonana zandriny
ankehitriny ny mikasika ny atao hoe fahafoanan’ny lalàna.
Manasa anao indray aho hanjohy ny lahatsoratra manaraka izay hijerentsika ny
fijery loterana momba ny Lalàna ary indrindra ny fifandraisany amin’ny
Filazantsara.
Famintinana sy fampatsiahivana
· Hitantsika hatreto fa tena mpanota ny olona satria
nandova ota ka tsy misy afaka amin’izany na dia iray aza (fahotana lovàna)
· Ny mahampanota ny olona dia tsy ilay asa ratsy ataony
akory fa ilay ota fototra dia ny fahotana lovàna
· Voafatotra amin’ny ratsy ny sitrapon’ny olona ka tsy
manana safidy ny ho tia sy hino an’Andriamanitra (sitrapo voafatotra /tsy mahay
tsy manota)
· Meloka sy voaozona ny mpanota satria tsy nahatanteraka
ny Lalàna, ao ambanin’ny ozon’ny fahafatesana.
Jesosy Kristy no tonga ka nanao ny asam-panavotana, dia
ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Teo no nanatanterahan’i Kristy ny
Lalàna ho an’ny mpanota, afa-po tamin’izany Andriamanitra ka ambarany fa
“marina” izay rehetra mino Azy.
NY TOERAN’NY LALANA EO AMIN’NY TEOLOJIA LOTERANA
Araka ny hitantsika tamin’ny lahatsoratra teo aloha dia tao ambany
fanamelohan’ny Lalàna ny mpanota satria tsy nahatanteraka izany.
Hitantsika tamin’izany koa fa ny fisoloana nataon’i Kristy, izay nanatanteraka
ny Lalàna teo amin’ny toerantsika, no nahazoantsika fanamarinana. Nohamarinina
tamin’ny finoana isika ka tsy afaka manameloka sy mampahory antsika intsony ny
Lalàna satria efa nafahan’ i Kristy taminy isika mpanota.
Marobe ny fampianarana mandeha etsy sy eroa ankehitriny izay milaza fa tsy
ilaina intsony ny Didy Folo sy ny Lalàna satria efa nafahana tamin’izany ny
Kristiana.
Ao koa ireo milaza fa tsy tandrify ny andron’ny Testamenta Vaovao intsony ny
fitandremana ny Lalàna satria andron’ny fahasoavana izao fa tsy ny fitsipika sy
Lalàna intsony.
Inona no ambaran’ny teolojia loterana mikasika izany?
Foana tokoa ve ny Didy Folo?
Inona marina moa izany Lalàna izany?
Tsy ilaina intsony ve ny Lalàna?
Raha mbola ilaina izany, inona no asany eo amin’ny fiainan’ny mino?
Ireo fanontaniana ireo no hezahantsika hovaliana ato amin’ity lahatsoratra ity.
Ny Lalàna sy Filazantsara
Zava-dehibe tamin’i Lotera ny fahaizana manavaka ny
Filazantsara amin’ny Lalàna. Nambarany mantsy fa ny “ny Soratra Masina rehetra
sy ny fahazoana ny teolojia rehetra dia miankina amin’ny fahazoana ny Lalàna sy
Filazantsara.” Ao amin’ny fanazavany ny epistily ho an’ny Galatiana dia
nambarany fa: “izay mahay manavaka tsara ny Filazantsara amin’ny Lalàna dia
tokony hisaotra an’Andriamanitra satria izy no tena teolojiana…”
Inona marina moa izany Lalàna izany?
Araka izay ampianarin’i Paoly ao amin’ny Rom 2:14 dia
lazain’i Lotera fa ara-boajanahary dia efa nosoratan’Andriamanitra ao am-pon’ny
olona hatramin’ny famoronana ny lalàny. Na dia mbola tsy nomeny an’i Mosesy aza
ireo Didy Folo dia efa voasoratra sahady tao am-pony ny Lalàna ka tokony efa ho
naniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona.
Nambarany fa “misy lalàna iray izay manankery amin’ny
fotoana rehetra sady fantatry ny olona rehetra satria voasoratra ao am-pon’ny
rehetra izany. Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany dia tsy misy olona
afaka hiala tsiny (tsy nahafantatra izany lalàna izany) satria ny Fanahy dia
tsy mijanona miresaka an’izany lalàna izany ao am-pon’ny olona rehetra.”
Nefa nambarany koa fa nohamaizin’ny fahotana teo amin’ny
fahalavoana izany ka tsy maintsy nanome ilay lalàna voasoratra (tamin’ny
alalan’i Mosesy) Andriamanitra mba hampahatsiaro ilay voasoratra tao ampony.
Fa izay mijery akaiky ny teolojian’i Lotera dia hahita fa
tsy ilay Didy Folo na ireo fitsipika maro isan-karazany akory no tiany lazaina
amin’ny hoe Lalàna fa ny fitambaran’ireo sitrapon’Andriamanitra izay takiny
amin’ny olona mba hotanteraka. Amin’izany heviny izany dia zavatra tsara ny
Lalàna ka “nomena mba hitondra soa sy fiainana.” Miankina amin’ny
fahatanterahan’izany ny famonjena ny olona. Afaka nanatanteraka izany tamin-kafaliana
ny olona talohan’ny fahalavoana ary mbola hotanteraka izany amin’ny fotoana ho
avy any amin’ny famonjena mandrakizay.
Ny Fanahy Masina irery ihany no afaka mamerina izany
toetran’ny olona talohan’ny fahalavoana izany ary ho tanteraka feno izany any
amin’ny fiainana ho avy. Talohan’ny fahalavoana izany dia nahafaly ny olona ny
nanatanteraka ny lalàn’Andriamanitra ary toy ny soa sy fiainana ho azy ny
fahitana izany. Taorian’ny fahalavoana anefa dia niova izany ka lasa zavatra
notakian’Andriamanitra sy enta-mavesatra amin’ny olombelona mpanota ny
manatanteraka azy. Noho ny fahalavoana izany dia lasa “lalàna” ilay
“sitrapon’Andriamanitra.”
Ireo asa roan’ny Lalàna (Duplex Usus Legis)
Mbola ilaina ve izany ny Lalàna ary inona no Asany?
Misy karazany roa ny asan’ny Lalàna:
(1) ny asa sivily sy
(2) ny asa teolojika na pedagojika na ara-panahy na ny asa masina .
Ny asa politika na sivily (usus politicus sive civilis):
dia ny mba hifehezana sy hisakanana ireo faharatsiana izay manjaka eto
amin’izao tontolo izao izay hanjakan’ny devoly. Ny Lalàna izany no fitaovana
ampiasain’Andriamanitra hitazonana ny fandriampahalemana eo amin’ny
fiarahamonina sy eo amin’ny firenena.
Ohatra amin’izany ny fahafahan’ny ankizy hianatra sy ny
fahalalahan’ny fitoriana ny Filazantsara. Amin’i Lotera dia Andriamanitra no
mametraka ireo mpitondra eo amin’ny fiaraha-monina toy ny ray aman-dreny, ny
mpampianatra, ireo mpitondra isan-tsokajiny mitondra ny firenena iray. Ireo
fitsipika sy lalàna izay apetrak’izy ireo mba handrindrana ny fiaraha-monina no
tena tiana holazaina amn’ity asa sivily na asa politika ity.
Izy ireny dia natao mba hiarovana ireo fahotana maro tsy hitranga.
Andriamanitra no mitantana sy mametraka ireo sokajin’olona ireo sy ireo lalàna
ireo mba hampisy filaminana sy iarovana ireo karazam-pahotana sy faharatsiana
eo amin’ny fiaraha-monina.
Tsy toy izany kosa ilay asan’ny Lalàna faharoa.
Ny asa teolojika na pedagojika (usus theologicus sive
paedagogicus):
ity faharoa ity no tena asan’ny Lalàna.
Io no hita amin’ny fanazavan’i Jesosy ny Lalàna ao
amin’ny toriteny nataony teny an-tendrombohitra. Tsy fanoavana ivelany fotsiny
no takian’Andriamanitra amin’ny Lalàna fa fanarahana amin’ny fo madio sy
fanoavana feno sy fitiavana ary fahatahorana. Izany fanoavana ny Lalàna
amin’izany endriny izany no voalazako tery ambony fa azon’ny olona natao
talohan’ny fahalavoana, izay very taorian’ny fahalavoana; ny olona efa lavon’ny
fahotana dia tsy afaka manatanteraka izany intsony.
Tsy afaka mahatonga ny olona ho “marina” intsony ny
Lalàna fa vao maika aza mitsara sy manameloka azy. Ny Lalàna no mampihanjahanja
ny fahotan’ny olona sy mampitombo izany aza. Tsy manao afa tsy manameloka ny
mpanota ny Lalàna ary mitondra azy mankao amin’ny fahatezeran’Andriamanitra sy
ny fahafatesana mandrakizay. Izany no hery sy fahefan’ny Lalàna.
Ny Lalàna dia mampihorohoro ny mpanota. Eo amin’ny
fitoriana ny Tenin’Andriamanitra no tena iasan’ny Lalàna amin’ity asany faharoa
ity. Marihina fa tsy voatery toriteny eny ambony polipitra akory no iasan’ny
Fanahy Masina amin’ny alalan’ny Lalàna, fa ao anatin’izany koa ireo hira na
teny vakiana. Rehefa torina ny Tenin’Andriamanitra dia miaraka amin’izay koa ny
Lalàna ka tonga tahaka ny fitaratra izay mampiseho ny tena marina momba ny
olona.
Ny Lalàna no milaza aminy fa mpanota, tsy marina, tsy
masina, ao ambany fahatezeran’Andriamanitra, ary maty izy. Mampihorohoro ny
feon’ny fieritreretany ny Lalàna ka tonga mahatsapa ny mahatsinontsinona azy sy
ny fahaverezany. Mamoy fo sy diso fanantenana ary tsy mahita izay isarangotana.
Mamono ny Lalàna. Amin’izany fotoana izany koa no
ilazan’ny Filazantsara fa tsy misy afa tsy i Jesosy Kristy irery ihany no afaka
mamela heloka sy mampionona ny mpanota very hevitra sy diso fanantenana.
Ny Lalàna mitaky zavatra, ny Filazantsara kosa manolotra
maimaimpoana; ny Lalàna manameloka ny Filazantsara kosa mamela heloka; ny
Lalàna mampihorohoro, ny Filazantsara kosa manome fanantenana…ny Lalàna mamono,
ny Filazantsara kosa mamelona.
Ireo teolojiana loterana ortodoxa sasany dia mizara ity
asan’ny Lalàna faharoa ity ho roa:
(1) (peccatimanifestatio et redargutio) ny asan’ny Lalàna
izay mampiharihary ny fahotana sy mandresy lahatra amin’ny maha-mpanota; sy ny
(2) (usus paedagogicus) ny asan’ny Lalàna izay mitarika ho amin’i Kristy
amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina.
Io ilay asan’ny Lalàna izay manosika ny mpanota amin’ny fomba tsy mivantana
mankao amin’i Kristy (compulsus indirectus ad Christum.) Tsy mampihorohoro sy
manameloka ihany izany ny Lalàna fa mitarika ho amin’i Kristy Ilay hany
fanantenana ho an’ireo very hevitra sy tsy mahita haleha noho ny tsy
fahatanterahany ny Lalàna.
Marihiko manokana fa ilay asa fahatelon’ny Lalàna dia tsy mba noresahan’i
Lotera ary tsy ampianarin’ny Loterana satria atahorana hitondra ho amin’ny
fahatoakian-tena amin’ny famonjena. Fantatry ny mpandinika maro fa i Melanchton
no niresaka mikasika ity asan’ny Lalàna fahatelo ity fa tsy i Lotera akory. Ity
dia tsy inona fa ny asan’ny Lalàna eo amin’ny olona efa voamarina. Ireo
teolojiana “reformés” no nanindry ity asa fahatelon’ny Lalàna ity. Tsy inona
izany fa ny asan’ny Lalàna izay tsy mampihorohoro sy mampitahotra ny mino izay
efa nohavaozin’ny Fanahy Masina intsony fa tonga fitsipi-piainana tokony
harahiny amin’ny mahaolom-baovao azy (usus didacticus sive normativus). Tsy
enta-mavesatra aminy intsony izany ary tsy natao hahazoana sitraka na famonjena
avy amin’Andriamanitra.
Ilaina ve izany ny Lalàna?
Eny, ilaina ny Lalàna satria raha tsy eo izy dia mijanona ao anatin’ny
fahajambany ny mpanota ka tsy hahafantatra fa mpanota sy very ary ao ambany
fahatezeran’Andriamanitra izy.
Izany no fijery loterana momba ny Lalàna ary tokony ho fantatsika ny manavaka
izany amin’ireo karazana fampianarana maro izay miely etsy sy eroa izay
manindry be loatra ny toeran’ny Lalàna na diso manamaivana izany be loatra.
Izay rehetra mitady hahazo fahamarinana sy sitraka avy amin’ny Lalàna dia
manova ny asany ka mampianatra diso ny olon’Andriamanitra. Diso izany satria
tsy afaka manao izany akory ny Lalàna. Avy amin’Andriamanitra ny Lalàna satria
Izy mihitsy no nanome ary izay tsy te handre ny Lalàna dia mandà tsy hihaino ny
fahamarinan’Andriamanitra.
Notoherin’i Lotera ny fampianarana antsoina “antinomisma.” Ity fampianarana ity
dia milaza fa ny kristiana dia ao ambanin’ny fahasoavana ka tsy tapahan’ny
lalàna moraly intsony. Amin’i Lotera dia zava-panahy ny Lalàna ary avy
amin’Andriamanitra. Ary satria ny Lalàna no mampiharihary ny fahotana, ny
fanafoanana ny Lalàna dia fanafoanana ny fahotana, izay fampianarana tsy
ara-Baiboly tsotr’izao.
Ary raha foana koa ny fahotana dia foana koa ny anton’ny
nahatongavan’i Kristy ary raha foana Kristy foana miaraka aminy koa ny
Fiangonana sy ny finoana Kristiana.
Noho izany dia tsy foana akory ny Lalàna fa ny asany no niova. Tsindrian’i
Lotera ny tsy maintsy itoriana ny Lalàna mba hahatonga ny olona hahafantatra ny
fahotany sy hibebaka amin’izany. Na dia izany aza anefa dia avahany tsara ny
asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny Filazantsara.
Ao amin’ny Lalàna dia mampitahotra sy mampihorohoro no asa ataon’ny Fanahy
Masina (izay mikendry fitarihana ny olona ho ao amin’i Jesosy Ilay hany
Mpanamarina), fa eo amin’ny Filazantsara kosa dia mampionona sy mamelona ny
mpanota.
Famintinana
Hitantsika teo fa tenin’Andriamanitra koa ny Lalàna,
zavatra natao hitondra fiainana sy soa ho an’ny olona izany. Noho ny
fahalavoana anefa dia lasa enta-mavesatra ho amin’ny olona ny mantanteraka azy
ary tsy misy mahatanteraka izany intsony. Manameloka sy mampihorohoro azy ny
Lalàna.
Tsy foana anefa ny Lalàna fa ny asany no miova eo amin’ny fiainan’ny
Fiangonana: natao hiarovana ireo fahotana sy faharatsiana miseho eo amin’ny
fiaraha-monina (asa sivily) sy mampahafantatra sy mampiharihary ny fahotan’ny
olona mba hahatonga azy hanatona an’i Kristy sy hibebaka (asa teolojika).
FOANA VE NY DIDY FOLO? FOANA VE NY LALANA?
Malaza be io resaka io amin'ireo fiangonana zandriny. Misy ireo mampianatra
fa foana ny Lalàna sy ny Didy Folo eo amin'ny Kristiana, tsy ilaina intsony
ireo. Ahoana no ambaran'ny fampianarana loterana mikasika izany? Azonao vakina
ilay fichier hoe ny "toeran'ny Lalàna eo amin'ny teolojia loterana"
fa indro hofintiniko eto izany:
Tsy foana akory ny Lalàna fa ny asany (fonction) ny no miova eo amin'ny
Krstiana. Ny fampianarana loterana dia mametraka fa misy roa ny asan'ny Lalàna:
- Ny asa sivily na politika: dia ny mba hifehezana sy hisakanana ireo
faharatsiana izay manjaka eto amin’izao tontolo izao izay hanjakan’ny devoly.
Ny Lalàna izany no fitaovana ampiasain’Andriamanitra hitazonana ny
fandriampahalemana eo amin’ny fiaraha-monina sy eo amin’ny firenena. Ohatra
amin’izany ny fahafahan’ny ankizy hianatra sy ny fahalalahan’ny fitoriana ny
Filazantsara. Amin’i Lotera dia Andriamanitra no mametraka ireo mpitondra eo
amin’ny fiaraha-monina toy ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ireo mpitondra
isan-tsokajiny mitondra ny firenena iray. Ireo fitsipika sy lalàna izay apetrak’izy
ireo mba handrindrana ny fiaraha-monina no tena tiana holazaina amn’ity asa
sivily na asa politika ity. Izy ireny dia natao mba hiarovana ireo fahotana
maro tsy hitranga. Andriamanitra no mitantana sy mametraka ireo sokajin’olona
ireo sy ireo lalàna ireo mba hampisy filaminana sy iarovana ireo
karazam-pahotana sy faharatsiana eo amin’ny fiaraha-monina
- Ny asa teolojika na pedagojika: ny Lalàna dia tahaka ny fitaratra
itarafantsika ny tena maha mpanota antsika, ny Lalàna no milaza fa meloka sy very
isika ary tsy mendrika afa tsy fahaverezana satria tsy nahataneraka izay
notakian'Atra tamintsika. Noho izay antony izay dia lasa mitarika antsika ho
azy an'i Kristy ny lalàna ka. Ity no nolazain'I lotera fa tena asan'ny lalàna.
Ny atao hoe Lalàna amin'ny fampianarana loterana dia tsy ireo fitsipika na didy
ihany fa izay rehetra takian'Andriamanitra amin'ny olona mba hahazoany
famonjena. Mazava ho azy fa tsy misy mhatanteraka izany ka meloka eo
anatrehan'ny Lalàna daholo.
******************Soli Deo
Gloria*****************
0 Comments