Ny Lafiratsin'ny facebook eo amin'ny tanora

 

 


NY LAFIRATSIN’NY FACEBOOK EO AMIN’NY TANORA

Faneva: “ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara” (Heb. 10:24)

Teny hobanjinina: “Aoka ny tenin’ Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ny Salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy” (Kol. 3:16)

Fanamarihana mialoha

Hotsindriana amin’ity fampianarana ity ny lafiny miiba amin’ny fampiasana ny Facebook. Tsy midika akory izany fa tsy misy zavatra tsara na miabo azontsika avy amin’ny facebook, fa efa maro no namoaka io hevitra io ka hifantoka amin’ireo teboka miiba isika androany. Ankoatr’izany dia horesahintsika ao anatin’izany koa ireo fahadisoana eo amin’ny fampiasana ny Facebook, amin’ny maha Kristiana antsika.

- Ara-panahy

·         Tsy mahasolo ny fiaraha-mivavaka ifanatrehan’ny mpianakavin’ny finoana akory ny Facebook: tean zava-dehibe amin’ny Fiangonana Kristiana ny fifampikasohana amin’ny fomba physique: “aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro” (Heb. 10:25)

·         Fitaovana nomen’Andriamanitra antsika hampitàna ny Filazantsara ihany ny Facebook

·         Nisy fiantraikany ny fihibohana: lasa zatra manaraka fanompoam-pivavahana amin’ny Facebook live ny maro ka malaina mankany am-piangonana

·         Misy fitaizana miiba marobe ampitain’ny Facebook: zatra zavatra fohy sy tsotra (soratra sms), tsy mahatanty toriteny na fampianarana lava, mampianatra ny olona tsy ho tomponandraikitra sy hanaonao foana (afaka miafina ao ambadika compte fake), tsy mahatsoaro tena hanao tamberinandraikitra izy satria mihevitra fa zavatra virtuel daholo no atao eo amin’ny Facebook

·         Marobe ireo diso hevitra ka manolo ny tena izy amin’ny virtuel:  mampanao j’aime publication na mampanao Amen publication mba hahazo fitahiana (TSIA), tsy ahazoanao fitahiana ny fanaovana j’aime publication, sy ny fizarana ireny publication ireny amin’ny hafa. Ny fitiavan’i Jesosy sy ny fanoavantsika an’Andriamanitra no ahazoantsika fitahiana fa tsy fanaovana j’aime eto amin’ny Facebook.

·         Azo atao ve ny mivavaka eto amin’ny Facebook? Henoin’i Jesosy ve izany? Raha misy zavatra tianao hiarahana mivavaka amin’ny namana dia ireo sujet no lazaina, na atao mangigina amin’ny MP, ny tena azo antoka fa vavaka dia ilay nampianarin’i Jesosy hoe: “Ary raha mivavaka hianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ny synagoga sy eo an-joron-dàlana hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao. (Mat. 6:5–6).

·         Mandany angovo be dia be ny fifandroritana sy ady na eo amin’ny Facebook aza. Aza lanina amin’ny zavatra tsy misy dikany ny fotoana sy ny hery izay ahafahanao manao zavatra hafa mahasoa kokoa: “ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy” (Efe. 4:32)

Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo” (Fil 4:5)

·         Fakam-panahy lehibe ny Facebook: maro ireo mampiasa ny Facebook mba handavoana ny namany, tanora maro no mifanadala amina fitiavana maloto, maro ireo toa namana nefa ny handavo no tena tanjony:

manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ndriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro”(2 Tim. 3:5)

- Ara-pihetsehampo

·         Amin’ny maha reseau social azy dia miparitaka haingana sy mahomby ny fanehoan-kevitra eto amin’ny Facebook

·         Izay ahely dia hitan’ny rehetra fa tsy vaotery izay kendrena manokana ihany

·         Izay soratana dia misy fiantraikany amin’ny mpamaky avy hatrany

·         Ny psykôlôga dia nilaza fa misy fiantraikany amin’ny tontolo andronao ny zavatra vakina, indrindra amin’ny maraina

·         Raha tenin’Andriamanitra mampahery na manitsy dia hanampy anao betsaka amin’ny iatrehana ny tontolo andro izany

·         Raha resaka mifono faharesena na tsy fahatokian-tena na fahalemena eny fa ireo vaovao ratsy dia hisy fiantraikany miiba eo amin’ny fiainana izany

- Ara-pahasalamana

·         Ny fandaniana fotoana ela be eo amin’ny Facebook dia manimba fahasalamana

·         Mitroka rano avy amin’ny vatantsika ny solosaina, manimba maso ny écran,

·         Manimba fahasalamana ny tsy fahampian-torimaso

- Ara-toekarena

·         Fandaniana be fahatany amin’ny fividianana fahana aterineto ahafahana manao Facebook

- Ara-pifandraisana

·         Mampifanakaiky ny mifanalavitra fa saingy mampifanalavitra ireo mifanakaiky

·         Mahatonga fifandraisana maloto

·         Mahatonga fifandraisana tsy salama

·         Mahatonga fanehoan-kevitra sahisahy (tandremo fa misy ny cybercriminalité)

·         Mihena ny fifanajana  satria lasa zatra mananihany sy tsy manaja ny hafa eo amin’ny Facebook

 

INONA NO HATAO ?

Handositra sy hankahala ny teknoloijia moderna momba ny fifandraisana ve isika ka hitoka-monina ?

TSIA

·         Tsy ireo fitaovana ireo akory no fahotana, fa ireo fitaovan-tserasera ireo dia afaka manosika ilay fahotana sy faharatsiana efa ao anatin’ny fontsika

·         Mampianatra ny Kristiana ny fiainana Kristiana madio

·         Mampianatra ny Kristiana ny toerana sy ireo zava-tsoa azo avy aminy raha ampiasaina araka ny tokony ho izy

·         Mampianatra ny tena mahaizy azy ny Fiangonana mba tsy hanoloan’ny Kristiana ny tena Fiangonana amin’ny virtuel.

 

Post a Comment

0 Comments