Ny Fahafolonkarena (מַעֲשֵׂר)
Ny Background niavian’ny Fahafolonkarena
Tany amin’ny Ancien Proche Orient:
Tsy teo amin’Israely ihany no
nahitana ny fahafolonkarena fa tany amin’ireo firenena manodidina azy toa an’i
Ejipta sy Mezôpôtamia ary Ogarita. Ny tena nampiasana ny fahafolonkarena tamin’ireo firenena ireo dia
nanampiana ireo mpiasa tao amin’ny tempoly izay fananan’ny fanjakana.[1] Tany Ogarita dia hetra tsy
maintsy naloan’ny rehetra ny fahafolonkarena. Sarotra ny manavaka ny
fahafolonkarena ara-pivavahana sy ny fahafolonkarena ara-panjakana satria ireo
mpiasa nandoavana hetra (fahafolonkarena) dia teo ambany fitantanan’ny
fanjakana ihany. Ny iraky ny mpanjaka no nanangona ny fahafolonkarena tany
Ogarita. Mitovy ny zavatra nentina ho fahafolonkarena tany Ogarita sy tany
Israely: voamaina, oliva, divay... (jereo Deot 14:23). Hojerentsika etsy ambany
Ireo foto-kevitra lehibe momba ny fahafolonkarena ao amin’ny Testamenta Taloha.
·
Nifamatotra ny maha mpitondra teôkratika ny
mpanjaka tany amin’ny ancien Proche Orient izay tsy maintsy nomena ny
hetra ampahafolony mba hikarakarany ny fanjakana.
·
Toy izany koa ny hita ao amin’ny Testamenta
Taloha. YHWH no mpanjaka teôkratika mitondra izao rehetra izao sy Tompon’izao
rehetra izao. Azy ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal 89:11). Ny
fahafolonkarena dia toy ny hetra omena an’i YHWH mba hikarakarana ny Levita sy
ny mpisorona.
·
Fahiny dia ny
rantsan-tànana no fanisana. Rehefa
tapitra ny rantsan-tànana folo dia manambara izany fa feno ny isa. Ny isa folo
dia manambara ny fahafenoana.
Ao amin’ireo lalàna
mikasika ny fisoronana sy fetim-pivavahana ao amin’ny Pentateoka no tena
ahitantsika ireo soratra masina milaza momba ny fahafolonkarena. Na dia izany
aza anefa dia efa hita taratra sahady izany amin’ny tantaran’i Abrahama izay
nanolotra ny ampahafolony ho an’i Melkizedeka mpanjakan’i Salema rehefa
nandresy an’ady izy (Gen 14:18–20). Marihina anefa fa ny ampahafolon’ny babo
an’ady no nomeny fa tsy ny ampahafolon’ny fananany akory. Manambara izany fa
tsy mitovy amin’ny lalànan’ny fahafolonkarena niainan’ny Zanak’Israely taty
aoriana akory ity nataon’i Abrahama ity. Ny hita eto dia ny fomba fanao tany
amin’ny ancien Proche Orient ary mifandray tamin’ny voady izay nataon’i
Abrahama izany. Toy izany koa ny hita ao amin’ny Gen 28:22. Nanolotra ny
fahafolonkarenany i Jakoba vokatry ny fianianana nataony (and. 20–21). Raha
fintinina izany dia azo lazaina fa nanaraka ny kolontsaina tany amin’ny faritry
ny ancien Proche Orient ihany i Abrahama sy Jakoba ka nanolotra
an-tsitrapo ny ampahafolony fa tsy mbola nisy fandidiana mikasika ny
fahafolonkarena tamin’izany.
Ny Pentateoka no loharano ahitana mazava tsara
momba ny hevitra sy ny antony nanaovana ny fahafolonkarena ao amin’ny
Testamenta Taloha. Arak’izany dia teksta telo lehibe no ahafahantsika mianatra
mikasika ny fahafolonkarena ao amin’ny Pentateoka: Lev 27:30–33, Nom 18:20–28,
ary ny Deot 14:22–29. Ndao ary hojerentsika tsirairay ireo teksta ireo.
Ny Lev 27:30–33 dia
milaza fa:
30 Ary ny ampahafolon’ny vokatra rehetra ao amin’ny tany, na
avy amin’ny tanimbary, na avy amin’ny saha, dia an’i YHWH; masina ho an’i YHWH
izany. 31 Ary raha misy tian’ny tompony havotana ny ampahafolon’ny
vokatra, dia hampiany ho tonga avy fahenina izy. 32 Ary ny amin’ny
ampahafolon’ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon’izay rehetra
mandalo eo ambanin’ny tehin’ny mpiandry, ho masina ho an’i YHWH. 33
Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy
takalozany, dia samy ho masina avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana.
Misy teboka dimy lehibe ambaran’ity teksta ity momba ny fahafolonkarena:
(1) omena an’Andriamanitra ny ampahafolon’ny vokatry ny tany dia ny vokatry ny
voa sy ny voankazo, (2) masina (קֹדֶשׁ, qôdeš) ho an’i YHWH izany, (3) raha tsy tian’ny olona
ny handoa izany vokatry ny voa sy ny voankazo izany dia azony atao ny mandoa ny
vidiny ka ampiany 1/5 ny fahafolonkarena, (4) ny ampahafolony amin’ny biby
fiompy dia tsy maintsy atokana ka atolotra an’i YHWH ary (5) tsy azo atao ny
manavotra na manakalo ny biby voatokana ho an’i YHWH, nefa raha manakalo izany
izy dia samy masina ho an’i YHWH na ilay biby natao fahafolonkarena na ilay
natao takalony ka samy tsy azo avotana.[2]
Mizara roa ny foto-kevitra ao amin’ny Nom 18:20–28. Ny tapany voalohany dia eo amin’ny
and. 21–24 milaza hoe:
21 Ary, indro, ny taranak’i Levy efa
nomeko ny fahafolonkarena rehetra amin’ny Israely ho fananany noho ny
fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ny tranolay fihaonana. 22
Ary tsy mahazo manakaiky ny tranolay fihaonana intsony ny Zanak’Israely,
fandrao meloka izy ka maty. 23 Fa ny Levita ihany no hanao ny
fanompoana momba ny tranolay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho
lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo hatramin’ny taranaka fara mandimby
izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin’ny Zanak’Israely izy. 24
Fa ny fahafolon-karen’ny Zanak’Israely, izay ateriny ho fanatitra ho an’i YHWH,
dia efa nomeko ho an’ny taranak’i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy
hoe: tsy hanana lova eo amin’ny Zanak’Israely izy.
Antony roa no voalaza fa hanomezana ny fahafolonkarena ho an’ny Levita.[3] Voalohany
satria voalaza mazava
tsara eo amin’ny and. 20 fa ... tsy mba hanana lova eo amin’ny tany ianao sady
tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ny Zanak’Israely.
Tsy mba nanana zara-tany toy ireo
foko hafa ny Levita. Ny faharoa dia ny maha tomponandraikitry ny fahamasinan’ny
Tabernakely ny Levita. Miantoka ny fahamasinana sy ny fahadiovan’ny Tabernakely
ny Levita ka raha sendra tsy lavorary izany dia ny ainy mihitsy no manefa. Ny
Lev 10 no ahitantsika ohatra velona ny amin’izany. Rehefa tsy nanaja ny
fahamasinan’ny Masina Indrindra ireo zanak’i Arona roalahy dia maty tsy
tradrano tao. Noho ireo antony roa ireo no tsy maintsy nanomezana ny
fahafolonkarena ho an’ny Levita.[4]
Amin’izany ny fahafolonkarena dia “karama” (שָׂכָר, śākhār, Nom 18:31), fa tsy
“fanomezana” (מָשְׁחָה,
māšeḥâ). Omena ny Levita manontolo ny
“fahafolonkaren’Israely.” Omena azy avokoa ny ampahafolony avy amin’ny
fambolena sy ny fiompiana.
Ireo Levita izay nahazo ny
ampahafolony dia nodidian’i YHWH hanome ny ampahafolon’ny ampahafolony (מַעֲשֵׂר מִן־הַמַּעֲשֵׂר [maʿśēr min-ha maʿśēr]) ho an’i Arona:
25 Ary YHWH niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: 26
Mitenena indray amin’ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin’ny Zanak’Israely ny fahafolonkarena,
izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho
an’i YHWH izany. 27 Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo
toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin’ny famiazana. 28 Toy izany koa no hanateranareo
fanatitra ho an’i YHWH avy amin’ny fahafolonkarenareo rehetra, izay
horaisinareo amin’ny Zanak’Israely; ary avy amin’izany no hanateranareo ho an’i
YHWH, dia ho an’i Arona mpisorona.
Satria tsy mba nanana vokatry ny
tany hanomezany ny ampahafolony ny Levita dia ny anjara ampahafolony azony avy
amin’ny Zanak’Israely no nakany nanomezana ny ampahafolony ho an’i Arona.
Voalaza fa “ho an’i YHWH” ity fahafolonkarena omen’ny Levita ity saingy nomena
an’i Arona izany.
Ny ao amin’ny Deot 12:5–6 dia
milaza amin’ny Zanak’Israely mba hitondra ny fahafolonkarenany ho ao amin’ny
toerana masina izay fanaovana ny fanompoam-pivavahana. Eo amin’ny Deot 14:22–27
no ahitantsika ny fanoritsoritana momba ny fahafolonkarena sy ireo lalàna
mahakasika izany:
22 Aloavy tsara ny ampahafolon’ny vokatra rehetra
avy amin’ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona; 23
dia aoka ho eo anatrehan’i YHWH Andriamanitrao eo amin’ny tany izay hofidiny
hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ny varinao sy ny
ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry
aman’osinao, mba hianaranao hatahotra an’i YHWH Andriamanitrao mandrakariva. 24
Fa raha lavitra loatra ny làlana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra
izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’i YHWH
Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin’i YHWH Andriamanitrao
ianao, 25 dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho
entinao eo an-tànanao hankany amin’ny tany izay hofidin’i YHWH Andriamanitrao; 26
ary ny vola dia amidio izay rehetra tian’ny fanahinao, na omby, na ondry, na
osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian’ny fanahinao; ary aoka ho eo
anatrehan’i YHWH Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin’ny
ankohonanao; 27 ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao;
fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
Ny hitantsika eto dia ny ampahafolonkarena ohanina. Ny ampahafolony voalaza
eto dia vokatra isa-taona alaina avy amin’ny vokatry ny fambolena toy ny
voamaina, divay, menaka, na ny voalohan-teraka avy amin’ny fiompiana. Izany dia
nohanin’ilay olona nitondra azy, ny ankohonany ary ny Levita tao amin’ny
toerana masina fivavahana. Ny antony nanaovan’ny Zanak’Isrealy izany dia ny mba
hatahoran’izy ireo an’i YHWH. Raha lavitra loatra ny toerana nitondrana ireo
fahafolonkarena ireo ka tsy vitan’ny tompony ny nitondra izany, dia azony natao
ny nivarotra izany ka ny vola azo dia nividianany izay tiany rehefa tonga tany
amin’ilay tanàna nisy ny toerana masina izy mba hifalifaliany. Fotoana
firavoravoana sy fifaliana eo anatrehan’i YHWH ity fotoana ity. Azo antsoina hoe “Fahafolonkarenan’ ny fety
firavoravoana” (Ang. festival tithe) ity fahafolonkarena ity.
Eo amin’ny Deot 14:28, 29 no
ahitantsika lalàna hafa momba ny fahafolonkarena:
28 Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon’ny
vokatrao rehetra amin’izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao; 29
ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty
ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba
hotahin’i YHWH Andriamanitrao hianao amin’ny asan-tànanao rehetra izay ataonao.
Isaky ny telo taona dia nalain’ny Zanak’Israely
ny ampahafolon’ny fananany ka napetrany teo am-bavahadiny (שַׁעַר, šaʿar) ka niarahany nifaly tamin’ny Levita, ny vahiny
tao an-tanàna, ny kamboty ary ny mpitondratena. Izany no natao mba hitahian’i
YHWH ny asa nataon’ilay mpanome. Ity karazana fahafolonkarena ity dia antsoina
hoe “fahafolonkarena ho an’ny mahantra” (Ang. poor tithe). Ny teksta
farany ahitana ny fahafolonkarena ao amin’ny Deoteronomia dia ao amin’ny 26:12:
Rehefa voangonao ny fahafolonkarena rehetra avy amin’ny vokatrao
amin’ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolonkarena, dia omeo ny
Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao
an-tanànanao, ka ho voky izy. Mitovy tamin’ny fahafolonkarena ho an’ny mahantra ihany ity voalaza eto ity. Ny
“taonan’ny fahafolonkarena” dia voalaza eto fa isaky ny telo taona.
Fehiny
Ireo boky telo (Levitikosy, Nomery ary Deoteronomia) nojerentsika teo
dia ahitana karazana fahafolonkarena efatra:
- (1) Ny ampahafolony izay omen’ny Zanak’Israely ny Levita (fahafolonkarena levitika)
- (2) Ny ampahafolon’ny ampahafolony omen’ny Levita an’i Arona
- (3) Ny fahafolonkarena ohanina sy iravoravoana ao amin’ny toerana masina (fahafolonkarena firavoravoana)
- (4) Ny fahafolonkarena ho an’ny mahantra izay ataon’ny Zanak’Israely rehetra isaky ny telo taona
Ireo vokatra anatanterahana ny fahafolonkarena levitika dia ny voa avy
amin’ny tanimboly, ny voankazo, ary ny vokatry ny fiompiana. Ny fahafolonkarena
firavoravoana dia alaina avy amin’ny voa avy amin’ny tanimboly, ampahafolon’ny
voamaina, divay vaovao, menaka, ary ny voalohan-teraka avy amin’ny fiompiana.
Ny fahafolonkarena ho an’ny mahantra dia nalaina avy tamin’ny ampahafolon’izay
nangonina isaky ny telo taona. Samy manana ny tanjony ireo fahafolonkarena
ireo. Ny ampahafolony ho an’ny Levita dia natao hanohanana azy ireo satria tsy
manana zara-tany hambolena izy ary mafy sy mihatra aman’aina ny asa fanompoana
nataony tao amin’ny Tabernakely. Ny ampahafolon’ny ampahafolony dia natao ho
fanomezana sy fanohanana an’i Arona Mpisoronabe. Ny fahafolonkarena
firavoravoana dia natao hifaliana sy hamorona fahatahorana an’i YHWH amin’ny
alalan’ny fanarahana ny teniny. Ny fahafolonkarena ho an’ny mahantra dia manana
endrika fanaovana asa soa satria natao ho fitsinjovana ny mahantra teo amin’ny
fiarahamonina.
יוֹם הַבִּכּוּרִים(Yôm
habikkûrîm) (Pentekosta)
Ny anarana faharoa iantsoana
ny Fetin’ny Herinandro dia ny hoe יוֹם הַבִּכּוּרִים (Yôm habikkûrîm)
izay midika hoe “Andron’ny Voaloham-bokatra.” Ny teny hoe בִּכּוּרִים (bikkûrîm) dia midika hoe “voaloham-bokatra” izay
ilazana ny fanatitra aterina ho an’i YHWH amin’ny fankalazana ny Shavuôth
araka izay hita ao amin’ny Nom 28:26: “Ary amin’ny andro fanaterana ny
voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an’i YHWH
ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho
anareo; aza manao tao-zavatra akory.” “Voaloham-bokatra” na “Andron’ny
Voaloham-bokatra” na “Fetin’ny Voaloham-bokatra” no anarana faharoa niantsoana
ny Shavuôth.
Ny teny hoe בִּכּוּרִים dia avy amin’ny בְּכֹר
(bekhôr) izay midika hoe “voalohan-teraka.” Teny roa no ampiasain’ny Testamenta Taloha ilazana
ny voaloham-bokatra dia ny בִּכּוּרִים (bikkûrîm) sy ny רֵאשִׁית (rēʾšît) izay midika ara-bakiteny hoe “ny lohany” na “ny
voalohany.”[5] Ny
hoe bikkûrîm dia ilazana ireo voankazo sy vary masaka voalohany
any an-tsaha izay otazana ka aterina ho an’i YHWH. Ny teny hoe bikkûrîm
izay amin’ny endrika pluriel
mandrakariva dia ilazana ny vokatra voalohany avy amin’ny tany (Eks
23:16, 19; 34:26; Nom 28:16; Neh 10:35; 13:31) na ny vary tritika manokana (Eks
34:22) na ny vokatra azo avy amin’ny vary (koba [Ezek 44:30], ny mofo [Lev
23:17; 23:20]), na ny voankazo amin’ny ankapobeny (Nom 18:13; Ezek 44:30) na ny
aviavy (Nah 3:12) sy ny voaloboka (Nom 13:20); indraindray koa ity teny ity dia
ilazana ny vokatra masaka aloha (Lev 2:14; 2 Mpa 4:42).
Ny hevitra fonosin’ny רֵאשִׁית (rēʾšît) kosa dia “izay tsara indrindra,” izany hoe, izay
voafidy tao anatin’ny maro ka izay tapitrohatra amin’ny hatsarana.[6]
Azo adika amin’ny teny Malagasy hoe “santa-bokatra.” Maro ny zavatra voafaoka
ao amin’ny fampiasana ity teny ity toy ny koba (Num 15:20, 21; Ezek
44:30; Neh 10:38 [37]), ny varimbazaha (Lev 23:10; Deot 18:4; 2 Tan 31:5), ny
voaloboka vaovao sy menaka (Deot 18:4; 2 Tan 31:5), ny tantely (2 Tan 31:5), ny vokatra rehetra amin’ny tany (2 Tan
31:5), ny voankazo rehetra (Neh 10:38) eny fa hatramin’ny volom-biby aza (Deot
18:4). Voalaza koa fa Israely dia Voaloham-bokatr’i YHWH: “Masina ho an’i
YHWH ny Israely sady santatra amin’ny vokany…” (Jer 2:3). Indraindray koa
dia ampiasana miaraka ireo teny roa ireo (רֵאשִׁית בִּכּוּרִים) ka amin’izany dia midika hoe
“santatry ny voaloham-bokatra” (Eks 23:19; 34:26; Ezek 44:30).
Inona moa no atao hoe “manavotra ny voalohan-teraka”?
Teksta roa no ahafahantsika
mahazo ny hevitry ny fanavotana ny voalohan-teraka dia ny Eks 13:2–16 sy ny Nom
3:12–16. Ny Eks 13:2 dia milaza fa masina, izany hoe, voatokana ho an’i YHWH ny
voalohan-teraka eo amin’ny olona sy ny biby fiompy: “Hamasino ho Ahy ny
lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Zanak’Israely,
na olona na biby fiompy: Ahy ireny.” Eo amin’ny and. 12 dia voalaza mazava
tsara fa ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ny biby dia ny lahy rehetra no
masina ho an’i YHWH. Rehefa tonga ny Shavuôth dia aterina ho an’i YHWH
ilay voalohan-teraka.
Misy tranga roa anefa izay tsy
maintsy anaovana fanavotana dia ny (1) biby maloto (ara-ritoaly) sy ny (2) ny
voalohan-teraka olombelona (Eks 13:13). Ny biby maloto dia tsy azo atao
fanatitra ho an’i YHWH ka noho izany dia tsy maintsy soloina biby hafa azo atao
fanatitra (avotana) na vonoina tsy alatsa-dra.[7]
Ny matoanteny Heb. hoe פדה (pdh) izay ampiasaina eto dia
fampiasa amin’ny fandoavana vola avotra ho fanafahana andevo.[8]
Izany no hitantsika eo amin’ny and. 13: “ary ny voalohan-teraky ny boriky
dia hosoloanao zanakondry; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny
vozony.” Azon’ny tompony atao ny manolo ny voalohan-teraky ny boriky
amin’ny zanakondry saingy raha tsy manao izany izy ka tsy maintsy manatitra ny
zana-boriky dia tsy maintsy vonoina ilay zana-boriky amin’ny alalan’ny
fanolanana ny tendany. Tsy azo alatasa-dra izy satria tsy azo atao fanatitra.
Toy izany koa ny voalohan-teraky ny olona. Tsy
azo atao ny manao fanatitra olona ka noho izany dia tsy maintsy avotana. Raha
ny Lev 27:6 no jerena dia tokony ho sekely volafotsy 5 no naloan’ny ray
aman-dreny ho an’i YHWH ho an’ny voalohan-teraka lahy. Ny arkeôlôjia dia nahita
fa nahitana ny fanaovana fanatitra ny voalohan-teraka olombelona tany Kanana
fahizay. Tany Israely kosa dia tsy nahitana izany mihitsy taorian’ny tantaran’i
Abrahama izay nasain’i YHWH nanao fanatitra ny zanany (Gen 22). Raha nisy izany
teo amin’Israely dia vokatry ny tsy fahalalana (Jefta, Mpits 11:39) na
faniratsirana fivavahana (Ahaza, 2 Mpa 16:3).[9]
Ny hita ao amin’ny Nom 3:12 dia manambara fa ny Levita no misolo ny lahimatoa
rehetra teo amin’Israely: “Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin’ny Zanak’Israely
ho solon’ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ny Zanak’Israely:
dia Ahy ny Levita.” Tsy atao sorona ny lahimatoa satria efa nalain’i YHWH
ho solony ny Levita.
Inona moa no antony nanaovana ny voaloham-bokatra?
Satria YHWH no niavian’ny
zavatra rehetra ary Azy ny zavatra rehetra dia masina ho azy izay rehetra
mivoaka voalohany avy amin’ny olona, ny biby ary ny tany. Ny fanaterana ny
voalohan-bokatra dia ho fisaorana an’i YHWH izay nitahy sy nampahavokatra ny
tany. Azo inoana fa fomba fanao tany Israely izany ka mbola hita taratra teo
amin’ny fankalazana ny Shavuôth.[10]
Tsy azo odian-tsy hita ny toerana nisy ny fivavahana ho amin’ny fahavokarana
tany Kanana (culte de fertilité). Tamin’izany no nampirongatra be ny
fivavahana tamin’i Baala izay ninoany fa afaka mandatsaka orana. Ny fanolorana
ny voaloham-bokatra izany dia natao indrindra mba hampahatsairo ny Zanak’Israely
fa i YHWH no Mpikarakara sy Mpanome ranonorana ary mitahy ny tany ka mahatonga
azy hamokatra. Isaky ny manatitra ny voaloham-bokatra ny Israelita fahizay dia
mahatsiaro an’i YHWH Ilay mpikarakara azy ka manohitra ho azy ny fivavahana
tamin’ireo andriamanitra ninoan’ireo firenena hafa fa mpandatsaka orana sy
mitahy.
Ny fanatitra naterina ho an’i YHWH tamin’ity fety ity ihany koa dia
manindry ny maha fety firavoravoana ny Shavuôth. Ny mofo atao fanatitra
dia mofo misy masirasira fa tsy toy ilay mofo nohanina tamin’ny Paska izay
manambara fahamehana (Lev 23:15–22; Nom 28:26–31). Nodidian’i YHWH hifalifaly
ny olona rehetra (Deot 16:11) ary indrindra, toy ireo fety roa hafa, dia tsy
maintsy nikarakara ireo mahantra (Lev 23:22). Tonga niakatra tany Jerosalema
ireo vahoaka marobe nitondra ny voaloham-bokatra ary tao anatin’ny
firavoravoana sy fety no nanaovana izany. Toy izao no itantaran’ny Mishnah
izany fety izany:
Ireo izay akaikin’i Jerosalema dia nitondra ny aviavy sy ny voalobony,
fa ireo avy lavitra kosa dia nitondra ny aviavy sy voloboka efa nohamainina.
Ary nisy omby nandeha teo alohan’izy ireo ka ny tandrony dia nolalorana
volamena ka nisy amboarana ravin’oliva teo ambony lohany. Nisy mpitsoka sodina
(flute) teo alohan’izy ireo nitsoka
ny sodiny mandrapahatongan’izy ireo teo akaikin’i Jerosalema. Ary rehefa tonga
teo akain’i Jerosalema izy ireo dia naniraka olona hilaza ny fahatongavany tany
Jerosalema ary tamin’izany dia noravahany ireo voaloham-bokany. Tonga nitsena
azy ireo ireo tomponandraikitra ambony sy mpitahiry ny fananana tao amin’ny
Tempoly. Arakaraky ny laharam-boninahitra no nanapahan’izy ireo hevitra ny
amin’izay tomponandraikitra tokony hivoaka hitsena ireo vahoaka. Ary ny mpanao
asa tanana rehetra tao Jerosalema nitsangana teo anatrehany ka niarahaba azy
hoe: “ry rahalahy, ry lehilahy avy any ananona sy ananona, tonga amin’ny
fiadanana ianareo.”[11]
Voalaza fa tsy mitsahatra ny fitsofana sodina mandrapahatongan’ny
vahoaka rehetra eo amin’ny Kianjan’ny Tempoly ka rehefa tonga tao amin’ny
Kianjan’ny Vehivavy izy ireo dia nihira ny Sal 30:1: “Hanandratra Anao aho,
YHWH ô; fa nanintona ahy niakatra Ianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ny
fahavaloko aho” ireo levita.[12]
[1] Miracle Ajah, “Theological Perspectives on Tithing in the Old Testament
and their Implications for Believing Communities in Africa” (Doctorate diss.,
University of Stellenbosch, 2006), 32–45.
[2] Momba ny hoe “manavotra” ny biby fiompy dia jereo ny p. .
[3] Ajah, “Theological Perspectives on Tithing in the Old Testament and their
Implications for Believing Communities in Africa” 92.
[4]
Jereo koa ny fanazavan’i Milgrom ao amin’ny Jacob Milgrom, Numbers (JPSTC;
Philadelphia: Jewish Publication Society, 1990), 155.
[5] Richard O. Rigsby, “First Fruits,” ABD
2: 796.
[6] Ibid.
[7]
Jereo ny fanazavana ao amin’ny R. Alan Cole, Exodus: An
introduction and commentary (TOTC 2; Nottingham, England: Inter-Varsity
Press, 1973), 122.
[8]
Jereo BDB, s.v. “פדה”.
[9] Cole, Exodus, 122.
[10] Hendrik L. Bosman, “חַג
שָׁבֻעוֹת,” NIDOTTE 4: 24.
[11]
m. Bikkurim 3:3.
[12]
m. Bikkurim 3:4.
0 Comments