Ny Jobily teo amin’ny Testamenta Taloha sy ny mbola ilana ny Hampiainana ny
Fiangonana izany Ankehitriny
Tanjona:
·
Ny ahazoan’ny mpamaky ny votoaty sy ny teolojian’ny
Jobily teo amin’Israely ary ny hevitr’izany ho antsika ankehitriny.
·
Hanombanantsika ny fampiasana ity teny ity ankehitriny
Drafitry
ny Famelabelarana:
·
Ny Jobily teo amin’ny Ancien Proche Orient
(Somera, Babilôna)
·
Ny lalàna
fototra momba ny Jobily teo amin’Israely (Lev. 25)
·
Ny
fivoaran’ny teolojian’ny Jobily teo amin’Israely (Isa 61)
·
Ny Jobily izay nampianarin’i Jesosy: Jesosy no Jobily
fahafahana ho an’ny mpanota
·
Ny fampiasana ny teny hoe “jobily” eo amin’ny fiarahamonina
sy ny Fiangonana
FAMELABELARANA
1. Ny Jobily teo
amin’ny Ancien Proche Orient
·
Efa fomba fanao tany amin’ny APO hatramin’ny 2500 BCE
tany Somera hatramin’ny 1500 BCE tany Babilôna; hita koa izany tamin’ireo
firenena manodidina azy ireo toa an’i Asiria tamin’ny taonarivo voalohany BCE.
·
Nampiasaina tamin’izany ny fanafoanana trosa tamin’ny
androan’ny Jobily
·
Nataon’ny mpanjaka izany tamin’ny fotoana manokana teo
amin’ny fanjakana:
-
Rehefa miakatra eo amin’ny fitondrana ny mpanjaka
vaovao
-
Teo amin’ny fahavitan’ny fanorenana na fanaovana fanavaozana
ny tempoly
-
Rehefa avy nandresy an’ady
·
Zavatra telo no
nanamarika ity famotsorana trosa nataon’ny mpanjaka ity tany Babilôna:
(1) Fafàn’ny
mpanjaka ny trosa ara-pambolena rehetra amin’ny vahoakany
(2) Afahana
ireo andevo vokatry ny trosa: ny vady, ny zanany vavy ary ny zanany lahy
rehetra dia afahana ka afaka miverina any amin’ny tranony ireo
(3) Averina
amin’ny tompony ihany koa ny tany izay natao tsatóka sy ny zony feno amin’ny
vokatry ny tany amin’ny androan’ny jobily. Ny anton’izany dia ny mba ahafahan’ny
fianakaviana rehetra mivelona indray ka afaka manao ny adidy amin’ny maha
miaramila, mandoa hetra ary manatanteraka ireo asa fanompoana ny fanjakana.
(4) Marihina
fa tsy tafiditra ao anatin’ireo famafana trosa ireo kosa ireo trosa vokatry ny
fandraharahana matihanina (business debts)
(5) Ny
ankamaroan’ny trosan’ny vahoaka dia vokatry ny tsy fahafahana mandoa hy hetra
ara-pambolena ka ireo no mitambatambatra ka lasa miavosa. Ireo no fafan’ny
mpanjaka satria fantany tsy ho vita intsony
Tany
Babilôna, ity fomba ity dia nantsoina hoe misharum na andurārum.
Ity teny ity no nahazoana ny teny Hebreo hoe derôr izay
ilazana ny fanafahana amin’ny andro Jobily. Ndao ary hojerentsika inona moa no
voalazan’ny lev 25 momba ny Jobily.
2.
Ny Lalàna
Fototra momba ny Jobily teo amin’Israely araka ny Lev. 25
Ny
Levitikosy 25 no ahitantsika ny lalàna fototra iorenan’ny Jobily ao amin’ny
Testamenta Taloha. Ireto avy ireo loharano ahitana momba ny jobily ao amin’ny
Testamenta Taloha: Lev 23:15–16; 25:1–55; 27:14–24, Jer 34:14–17; Isa 61:1–2.
Lev.
25: (1) Lev 25:1–7: momba ny taon-tsabata, (2)
Lev 25:8–22: momba ny Jôbily, (3) Lev 25 23–55: ireo lalàna sy fitsipika
vokatry ny Jôbily.
Raha
jerena ny Lev 25:1–7 dia ireto no azo amintinana ny taon-tsabata:
·
Toy ny itsaharan’ny olona isaky ny andro fahafito
(Sabata), dia mitsahatra koa ny tany (taon-tSabata), ka tsy ambolena fa avela
hahazo hery: mbola fanafahana ihany no hevi-dehibe eto: afahana amin’ny fiasany
isan-taona ny tany ka avela haka aina; ireo mahantra koa dia avela hanana
fahafahana haka izay hitany eny an-tsaha mba hivelomany: “fa amin’ny taona
fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin’ny malahelo
amin’ny firenenao; ary izay sisan’ireo dia mba hohanin’ny biby any an-tsaha
kosa. Toy izany koa no hataonao amin’ny tanimboalobokao sy amin’ny
tanin’olivanao.” (Eks 23:11).
·
Ampianarin’i Jehovah hahay hiankina Aminy ny
Zanak’Israely: ny vokatry ny tany avy amin’ny taona fahenina sy izay mitsiry ho
azy no mamelona azy ireo mandritra ny taon-tsabata.
·
Itaizan’i Jehovah ny Zanak’Israely mba ho fantany fa
an’i Jehovah ny tany fa izy dia notolorana fotsiny, tsy azony atao amin’izay
itiavany azy ny fiasana ny tany fa tsy maintsy araka izay andidian’i Jehovah azy
·
Taona fanafahana satria avotsotra ny trosa: Raha misy
Israelita nindrana vola dia avotsotra izany trosa izany amin’ny fanombohan’ny
taon-tSabata. Toy ny amotsorana ny tany tsy hamokatra no amotsorana ny olona
koa tsy handoa ny trosany (Deot 15:1–11, 31:10–11). Miova ho fanomezana ny
trosa fa tsy enta-mavesatra mampilonjy ny mpitrosa intsony. Ny trosa dia toy ny
rojo vy eny amin’ny vozon’ny mpitrosa amin’izay alehany rehetra
ambarapahatongan’ny fotoana ahavitany mandoa izany na indrindra raha avotsotra
toy izay miseho amin’ny taon-tSabata.
·
Fitsinjovana manokana ireo mahantra
Lev 25:8–22: ny Jobily
·
Isaky
ny faha 94 taona, i.e., 7x7=49 ka amin’ny Andro Fanavotana Lehibe (10 amin’ny volana
Tishri na Septembre ankehitriny) no itsofana ny yôbel na yôvel. Ny
yôbel dia ilazana ny tandrok’osy izay notsofina tamin’io andro io. Avy
amin’io no nahazoana ny teny hoe jôbily.
·
Tsofina
isaky ny tanàna ny anjomara ary mody any amin’ny foko sy ny tanànany daholo ny
rehetra.
·
Fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra satria misy
famotsorana trosa, ny fanafahana andevo
·
Averina amin’ny tompony tamin’ny voalohany ny zara
tany rehetra
Ny
Fampiasana ny Jobily taty aoriana:
Ny
rahavavy Katôlika no nampiasa ny antsoina hoe Jobily Indolzansa isaky ny 25
taona:
·
Anomezana famelankeloka (indulgence) izay
mibebaka
·
Anomezana famelankeloka izay nahavita asa manokana teo
amin’ny Fiangonana
·
Jobily volafotsy (25 ans), jobily volamena (50 ans)
ary jobily vatosoa (60–75 ans)
Lioka 4:16–21:
16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
17 Dia natolotra Azy ny bokin’Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:
18 Ny Fanahin’i YHWH no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
19 Hitory ny taona ankasitrahan’i YHWH (Isa. 61. 1, 2).
20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’izay rehetra teo amin’ny synagoga.
21 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany. (Lio. 4:16-21)
·
Jesosy Kristy no tena jobily ho an’ny mpanota:
nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny rafitra mangeja teo amin’ny
fiarahamonina
·
Tsy mba anjomara tandrok’osy no nampanenoina fa ny
kiakan’Ilay zanak’Andriamanitra teo amin’ny hazo fijaliana
Ahoana ny
hiainantsika ny Jobily ankehitriny?
- Ny fototry ny Jobily dia fanafahana sy fanavotana
- Famelan-keloka: andro famotsoran-keloka ny
jobily. Isika ve mba mahavita mamela ny heloky ny namantsika? Sa milanja trosa
eny foana?
- Ananan’olona trosa ve ianao? Inona no ataonao? Vitanao ve ny mamotsotra ny vola nindramin’olona taminao?
- Ahoana ny fitondranao ireo olona ambany fahefanao? Manitsakitsaka azy ve? Sa manome fahafahana azy ka mihevitra azy ho toy ny zanaka na havana?
- Efa mahatsiaro afaka ve ianao?
0 Comments