Hevitry ny Tsodrano Aronika

 


NY TSODRANO ARONIKA

Heviny sy Lanjany eo amin’ny Kristiana

22 ARY Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:

 23 Mitenena amin’i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak’Israely:

 24 Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;

 25 Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;

 26 Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.

 27 Dia hametraka ny anarako amin'ny Zanak’Israely izy; ary Izaho hitahy azy. (Nom. 6:22-27)

Fanazavana ny Nom. 6:24–26

Fomba entina manao ny fanazavana:

Ny fanazavana dia mifototra amin’ny tontolo ara-kolontsaina sy ara-piteny teo amin’ny Zanak’Israely fahizay. Ny fanazavana ny tsodrano aaronika dia miainga avy amin’ny fanazavana ireo matoanteny sy teny mavesa-danja eo amin’ny tsodrano (birkat hakohanim)

Mampiseho kanto ity tsodrano ity:

·         And. 24= 12 syllabes, and. 25= 14 syllabes, and. 26= 16 syllabes

·         Raha esorina ny anarana hoe Jehovah miverina in-telo dia miisa 12 ny isan’ny teny ao anatiny, mampahatsiaro ny isan’ny foko 12 teo amin’Israely

And. 24: “Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao”

·         Ny matoanteny Hebreo hoe barach: dia ilazana ny fiondrehana sy fandohalehana amin’ny fampisehoana fanajana. Raha ny olona no manao ilay fihetsika amin’Andriamanitra dia midika izany fa: manaja, mitsaoka, manome voninahitra an’Andriamanitra izy. Raha Andriamanitra kosa no lazaina fa mi-barach ny olombelona dia midika izany fa manome ny fitahiany sy ny hatsarany rehetra Izy. Mila azontsika tsara ny tontolo nisy ny Zanak’Israely tamin’izany vao azontsika ny atao hoe fitahiana.

(1)    Fiarahamonina niankina tanteraka tamin’ny fiompiana sy ny fambolena: tena zava-dehibe ny orana izay mampahavokatra ny tany, hanirian’ny ahitra hiraofan’ny biby fiompy (hoditra, volo nanaovana akanjo, hatao sakafo ny ronono sy ny hena, hatao fanatitra izay antoky ny famelankeloka sy ny fianany ara-panahy), menaka hanamboarana mofo sns: dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razanao homena anao.” (Deot. 7:13)

(2)   Fahasalamana:  tsy mbola nanana hopitaly na mpitsabo toy izay misy ankehitriny izy ireo: ny fitahiana dia mitondra ny tsy fisian’ny aretina eo amin’ny olombelona, ho lavitry ny valala sy ny aretina mandringana ny fambolena sy ny fiompiana

(3)   Fahasalaman’ny olombelona: ambony be ny taham-pahafatesan’ny zaza eo am-piterahana: raha miteraka 7 dia 3 na 4 ihany no velona, tsy ho sampona

(4)   Fandresena amin’ny ady: Hatolotr’i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka làlana iray no hivoahany hanatona anao, fa làlana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. (Deot. 28:7)

(5)   Azontsika ny anton’ny filazana amin’ny antsipirihany ny fitahiana omen’i Jehovah ny zanak’Israely ao amin’ny Deot. 28 (mila vakína)

Ho antsika ankehitriny: tsy ho tratry ny areti-mandringana, ho feno mandrakariva ny frigo sy ny vilany fahandroana, lapoaly; ny fourchettes sy ny sotronao tsy ho tapaka (ama-taonany ianao vao hividy indray), ny jironao sy ny ranonao tsy ho tapaka, ireo fitaovana ampiasainao, ny solosaina tsy ho simba na hi bug, ny fiaranao tsy hi-chauffe eny an-dalana na ho vaky pneu(s), ny kisoa sy ny poulet de chair, ny ombinao dia ho lavitry ny aretina, isaky ny mampiakatra poulet de chair ianao dia hahita mpividy, izy no hiantso anao fa tsy ianoa hitady mpividy, hahita clients mandrakariva ny mpanao taxi sns.

·         Ny matoanteny Heb. shamar: dia manambara fiarovana, fiandrasana. Ny teny Heb. hoe shômêr no ilazana any gardien.

(1)   Ny shamar izany dia ilazana ny fitahian’i Jehovah izay manaraka sy momba ny vahoakany (mino) ka miaro azy amin’ny ratsy sy ny fahavalo. Azon’Andriamanitra atao ny mampiasa ny tafiky ny lanitra manontolo hiaro anao (anjely, ny Kerobima).

(2)   Izay no maha Yahweh Tsevaoth (=Jehovah-n’ny tafika fa tsy Jehovah Tompon’ny maro, Eternel des Armées). Mpitari-tafika sady mampandresy no miaro ny olony Jehovah. Izao no voalaza: “Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin'ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony. (Zak. 2:12)

(3)   Manana gardien Yahweh dia ireo kerobima: zavamananaina mifangaro, lohana biby, manana tongotra omby na liona, manana elatra. Manotrona an’i Jehovah eo amin’ny seza fiandrianany no asany. Izay manatonkatona ny seza fiandrianana dia mahazo fampitandremana, manatona ny seza fiandrianan’ny lanitra ianao ka tandremo. Ampiasain’i Jehovah ireo Kerobima sy ny anjeliny hi-escorter anao, ny fiarantsika dia ovany ho blendée tsy handairan’ny bala.

(4)   Ny tranonao hisy hiambina ka tsy hisy handroba

And. 25: Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao

·         Ny fomba fiteny Heb. hoe tava mamirapiratra na tava mazava dia manambara fankasitrahana sy fijerena manokana. Ny mifanohitra aminy dia tava manjombona izay manambara tsy fankasitrahana sy fahatezerana.

·         Raha adika amin’ny fomba fiteny hafa ity dia izao: hitsiky aminao aho ka ho faly ary misokatra aminao ny foko ka hanome izay ilainao aho.

·         Mitsiky aminao Jehovah, positif ny fijeriny anao; mitsiky aminao ny lanitra ka mandraraka ny fitahiany aminao: “Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo hianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” (Neh. 8:10)

·         Rehefa Jehovah mampamirapiratra ny tavany na ny tarehiny dia manambara ny fiantrany sy ny fiarovana, famonjena ny olony izany (Sal. 27:144:3); ny tarehy manjombona kosa dia manambara fahaverezan-kevitra sy fahadisoam-panantenana (Lev. 17:10Deot. 31:17-18Job 13:24Sal. 27:934:16)

(    Ny tavan’Andriamanitra dia kisarisary ilazana ny fanatrehanan’Andriamanitra feno fitiavana: entina ilazana ny fiarovany mandrakariva ny olony (Sal. 31:16), sy ny fanarenanay indray ny olony (Sal. 80:3), manampy sy mamonjy ny olony amin’ny fotoan’ny loza (Sal. 22:24), ilazana an’i Jehovah ho loharanon’ny fifaliana sy fahasambarana (Sal. 89:15) ka mitahy ny olony amin’izany fanatrehany izany amin’ny teniny (Sal. 119:135)

·         Ny matoanteny faharoa dia ny hoe chanan: mamindra fo: mila fantatsika tsara ny heviny mba ahafahantsika mahazo tsara ny hevitra lalina raketiny.

(1)    Ny anarana hoe chen dia ilazana zavatra tsara tarehy, mahatehotia toy ny vatosoa lafo vidy sns. Ao anatin’izany koa ny tanàna tsara be voninahitra sy mamirapiratra

(2)    Ny chanan dia matoanteny azo avy amin’izany hevitra izany. Ity matoanteny ity izany dia ilazana ny olona iray izay tsy mahatehotia ka jeren’ny hafa amin’ny maso feno fitiavana ka tiany sy lasa manana tombam-bidy manokana aminy na dia ratsy aza. Ity teny ity no nadikan’ny TV hoe fahasoavana. Ity teny ity no nampoiasain’i Lotera nanazava ny atao hoe fahasoavana eo amin’ny fiainan’ny Kristiana. Fiantrana, fiangarana manokana no tena heviny.

(3)    Ny chanan dia ilazana ny hetsika ataon’ny olona iray mpanankarena na manan-katao amin’izay mahantra na tsy manana ka anomezany azy fananana izay fantany fa tsy ho voaverin’izay omena. Nadikan’ny BPM hoe “mahita fitia”

(4)    Io no atao hoe fahasoavana. Io maso feno antra io no ijeren’i Jehovah anao, ka sokafany ho anao ny fitiavany, tsy ho tezitra aminao isy fa ankasitrahany ianao.

(5)    Mahatsiaro an’i Jesosy isika rehafa maheno izany. Iza moa isika no mba tiaviny. Mandefitra amin’ny fahatezerany Andriamanitra rehefa mijery anao satria efa naloan’ny Zanany ny vidin’ny fahatezearana tokony hihatra aminao. Fantany daholo ny faharatsiantsika saingy miantra Izy ka manolotra ny famelankeloka. Mianoka ao amin’ny fitiavany isika satria niantrany manokana.

And. 26: Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana

·         Ny fomba fiteny hoe manandratra tava dia midika tsotra hoe tsy tezitra. Ny miondrika dia manambara fahatezerana teo amin’ny Ancien Proche Orient.

(1)    Ny hoe manandratra ny tava dia mihaino, mifantoka aminao ny attention-n’Andriamanitra (Gen. 43:29; Sal. 4:6; 34:15).

(2)    Mahaliana Azy ny mahita sy mihaino anao: ny ao am-po mangina, ny ranomaso sy ny kiakakiaka ataonao 

·         Ny teny mavesa-danja farany hojerentsika dia ny shalôm: fiadanana. Ny teny hoe shalom dia manana hevitra maro. Ny hevitra fototra dia: fahafenoana ka tsy misy nanombinana. Azo adika hoe salama ny shalom. Tsy misy zavatra marary na tsy feno.

(1)   Ilazana ny tsy fisian’ny ady (paix) na fandriampahalemana (miaramila)

(2)  Filaminana anaty, fahatsapana fifaliana sy filaminantsaina

(3) Ilazana ny soa rehetra avy amin’i Jehovah ny shalom: harena, famonjena, fahasalamana, izany hoe, izay rehetra ahatsapanao fa misy securité ka manala ny tebiteby sy alahelo rehetra.

Famaranana

·         Mahakasika ny lafim-piainantsika manontolo ny tsodrano Aronika

·         Teo amin’ny Jiosy dia tsy nivoaka ny Tempoly na ny Synagoga mihitsy ny Jiosy raha tsy efa voatonona ny Tsodrano Aronika. Tena andrasan’ny rehetra, ny ankohonana

·         Fantatra fa manao endrika ny litera Hebreo shin ny mpitarika manonona ny tsodrano mba hampahatsiaro ny anaran’Andriamanitra masina hoe Shaddai.

·         Tena manana ny lanjany ny fisiany ao anatin’ny litorjia: tsy fantatra marina oviana no tafiditra tao amin’ny litorjian’ny Fiangonana Kristiana ny tsodrano Aronika.

·         Singa tena manana ny maha izy azy eo amin’ny litorjia satria anononan’i Jehovah ny soa rehetra ho an’ny zanany

·         Tsy mahazo fitahiana ve izay mody alohan’ny fanononana ity tsodrano ity? ENY, izay manatrika ny anononan’ny Pastora izany dia mahazo azy amin’ny fahafenoany.

·         Ny mpisorona no nanonona izany teo amin’Israely, ny Pastora kosa no manao izany ankehitriny

·         Isaky ny Alahady dia tononina amintsika mandrakariva ny tsodrano Aronika, mba hampahatsiarovana sy hiainantsika indray ny soa rehetra avy amin’Andriamanitra, sy ampahatsiarovana antsika fa tsy fanahintsika ihany, tsy ny any an-danitra ihany no iantohan’Andriamanintra fa indrindra ny eto an-tany

·         Tononiko aminao ity tsodrano ity:

24 Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;

 25 Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;

 26 Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. Amen!

Post a Comment

0 Comments