Jesosy Kristy: Mpisoronabe araka ny fanaon’i Melkizedeka




Kristy Jesosy: Ilay Mpisoronabe araka ny fanaon’i Melkizedeka (Heb. 4:14–5:10)


14 Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.

15 Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.

16 Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory

5:1 Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ny olona ka tendrena ho solon’ny olona hanao ny raharahan’Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,

2 dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin’ny fahalemena ihany;

3 ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an’ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ny olona ihany.

4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afatsy izay antsoin’Andriamanitra, tahaka an’i Arona.

5 Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: “Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany”

6 ary toy ny lazainy eo amin’ny teny hafa koa hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’i Melkizedeka” (Sal 110:4).

7 Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, 8 dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;

9 ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy,

10 fa notononin’Andriamanitra hoe Mpisoronabe «araka ny fanaon’i Melkizedeka.» (Heb. 4:14-5:10)



DRAFITRY NY FAMELABELARANA


1. Ny maha Mpisoronabe araka ny fanaon’i Melkizedeka an’i Jesosy

2. Inona avy ireo asa fisoronana ataon’i Jesosy amin’ny maha Mpisoronabe Azy

3. Ny vokatr’izany fisoronana nataon’i Jesosy izany eo amin’ny Mino

1. NY MAHA MPISORONABE ARAKA NY FANAON’I MELKIZEDEKA AN’I JESOSY



  • Ny mpisorona Levitika dia avy amin’ny taranak’i Levy, ny Mpisoronabe dia avy amin’ny taranak’i AronaEks. 29:44: “Ary hohamasiniko ny tranolay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy”
  • Jesosy anefa dia tsy taranak’i Arona, noho izany, dia tsy manao fisoronana araka ny modelin’ny fisoronana nataon’i Arona: Arona koa dia mpanota satria olombelona ka tsy maintsy manao fisoranana sy fanavotana ho an’ny tenany (Jereo Lev. 16:1-34); miverimberina isan-taona ny fanavotana izay ataony satria tsy mahomby ho fanavotana indray mandeha
  • Tsy araka ny fisoronan’i Arona ny fisoronan’i Jesosy fa araka ny fisoronan’i Melkizedeka:
  • Melkizedeka dia tsy taranak’i Arona nefa voalaza fa Mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra (Gen. 14:18)
  • Ndao hojerentsika ireo teboka ilazan’ny Hebreo ny maha manokana an’i Melkizedeka:
  • Ambony noho ny fisoronan’i Arona ny fisoronan’i Melkizedeka satria:
  • Ny taranak’i Arona dia nandoavan’ny zanak’Israely fahafolonkarena; Abrahama kosa nandoa/nanome fahafolonkarena an’i Melkizedeka, izany hoe, ny taranak’i Arona no nandoa fahafolonkarena tamin’i Melkizedeka (Heb. 7:4-10)
  • Izay mitahy dia lehibe noho izay tolorana fitahina, noho izany, Melkizedeka izay nitahy an’i Abrahama no lehibe noho i Arona izay taranak’i Abrahama (Heb. 7:7-10)
  • Tsy nahomby ny fisoronan’i Arona satria mbola nanangana Mpisoronabe hafa Andriamanitra izay hita ao amin’ny Salamo 110 (Heb. 7:11)
  • Ny fisoronana nataon’i Arona dia miorina amin’ny firazanana ka voafetran’ny fahafatesana, ny an’i Melkizedeka kosa dia mandrakizay (Heb. 7:8,15-16,23-25)
  • Jesosy Kristy dia tsy nanota ka tsy mila fanavotana ho an’ny tenany (Heb. 7:26-27
  • Ny fanavotana araka an’i Melkizedeka izay nataon’i Jesosy Kristy dia indray mandeha ihany dia ampy; ny an’i Arona kosa dia naverimberina isan-taona (Heb. 7:27)
  • Ny mpisorona araka an’i Arona dia mpisorona ihany, Jesosy kosa dia sady mpanjaka no mpisorona mitovy amin’i Melkizedeka (Heb. 7:1)

FA IZA MOA I MELKIZEDEKA?


Iza moa i Melkizedeka? (Gen. 14, Sal. 110, Heb. 7)

  1. Fanontaniana sarotra, adihevitra tsy mety vita eo amin’ny mpikaroka biblika
  2. Mpanjakan’i Salema: nitondra mofo sy divay, sady nitsodrano an’i Abrahama, Abrahama nanome azy ny ampahafolon’ny fananany
  3. Mpanjakan’ny Fahamarinana no hevitry ny anarany
  4. Sal 110: voaresaka matetika ao amin’ny Testamenta Vaovao: ny Mesia dia tsy ho mpisorona toy ireo mpisorona levitika fa araka ny fanaon’i Melkizedeka
  5. ireo soratra tao amin’ny Ranomasina Maty (Dead See Scrolls): 11Qmelkizedek: Melkizedeka dia nidina avy any an-danitra amin’ny andro farany, hitarika tafika, hisolo tena an’Andriamanitra hita maso, mpanavotra ireo vahoakan’Andriamanitra; niseho tamin’ny Andro Fanavotana Lehibe izay manondro fa mpisorona izy; nantsoina hoe El na Elohim=Andriamanitra
  6. Mpisorona Mpanjaka;
  7. Tsy fantatra ny niaviany sy ny niafarany: “tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana na voalohananandro na faran’ny fiainana fa natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra, izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay (Heb. 7:3).

2. NY ASAN’I JESOSY AMIN’NY MAHA MPISORONABE AZY


NY MAHA MPANALALANA AN’I JESOSY KRISTY


Ny maha Mpanalalana an’i Jesosy Kristy araka ny Testamenta Vaovao

Matoanteny: Manalalana, mi-garantir, Jesosy Kristy no mi-garantir ilay asa fanelanelanana nataony

“Ary amin’izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin’ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan’ny sitrapony, dia nataony mafy tamin’ny fianianana izany” (Heb. 6:17)

Anarana: Jesosy Kristy no Mpanalalana ny olona amin’Andriamanitra ao amin’ny Fanekena Vaovao

“Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona” (1 Tim. 2:5)

“Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra.” (Heb. 8:6)

“Ary noho izany dia Mpanalalana amin’izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. (Heb. 9:15)

“sy amin’i Jesosy, Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, ary amin’ny ra famafazana, izay tsara lavitra noho ny an’i Abela” (Heb. 12:24)

Mpanalalana tao amin’ny Fanekena Taloha: Mpisorona, Mpisoronabe

Tsy maintsy fantatsika aloha ny Fanekena Taloha vao azontsika izany maha Mpanalalana an’i Jesosy Kristy ao amin’ny Fanekena Vaovao izany

Ny Fenekena tao Sinay (Mosesy) dia miorina amin’ny Didy Folo sy ny fisoronana levitika. Manaiky Jehovah fa hanadio sy hamela heloka ny zanak’Israely amin’ny alalan’ny fanatitra. Ny fiainam-pivavahan’Israely dia mihodinkodina manodidina ny Tabernakely na ny Tempoly avokoa. Tena zava-dehibe ny Tempoly satria io no faritra ihaonan’i Jehovah amin’ny zanak’Israely. Tsy inona izany fa amin’ny alalan’ny fanatitra izay ataon’ny mpisorona sy ny Mpisoronabe.

Mpanelanelana tao amin’ity Fanekena taloha ity Mosesy araka ny epistily ho an’ny Hebreo.

- Andavanandro dia manatitra ny fanatitra ho an’i Jehovah ny mpisorona mba ho fanadiovana sy ho famelan-keloka

- Manana ny toerany lehibe amin’izany ny rà satria io no anaovana ny fanavotana:

“Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny ra; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ny alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo, fa ny ra no manao fanavotana, satria aina izany.” (Lev. 17:11)

- Ny Andro Fanavotana Lehibe (Lev 16): indray mandeha isa-taona dia manatitra ny fanatitra ho an’ny tenany sy ho an’ny vahoaka rehetra ny Mpisoronabe. Io ihany no fotoana idirany ao ambadiky ny efitra lamba (parôketh, rideau) ka itondrany ny ràn’ny Fanekena Taloha ka afafiny im-7 eo anoloana sy eo ambonin’ny rakotra fanaovana fanavotana (Heb. kappôreth)

- Ny Andro Fanavotana Lehibe dia fanadiovana ny zanak’Israely amin’ny fahotany rehetra, ny fahalotoany ary koa fanadiovana ny Tabernakely/Tempoly.

Zava-doza raha ny Tabernakely/Tempoly no tsy voadio satria vokatr’izay dia miala ao amin’ny Masina Indrindra Jehovah satria tsy afa-miaraka ny fahamasinany sy ny fahalotoana mivangongo ao.

- Fifaliana lehibe ho an’ny zanak’Israely ny fahavitan’ny Andro fanavotana Lehibe hatramin’ny farany. Taty aoriana dia nasiana tady manaraka ny Mpisoronabe ka iny no isintonana azy raha sanatria ka maty ao amin’ny Masina Indrindra izy eo am-panaovana ny asa fisoronana.

IREO ASA NATAONY AMIN’NY MAHA MPANALALANA AZY


1. Fahatanterahan’ny asan’i Mosesy amin’ny maha mpanalalana azy: Mosesy dia nanelanelana an’Andriamanitra sy ny olona tamin’ny nitondrany ny lalàna sy ny nanomezany izany ny vahoakan’Israely (Gal 3:19ff).

2. Nanatanteraka izany asan’i Mosesy izany koa i Jesosy saingy tsy nitondra ny lalàna fotsiny Izy fa tena nanatanteraka ny lalàna ho an’ny mpanota. Izay tsy vitan’ny mpanota dia notanterahan’i Jesosy ho antsika. Afapo tamin’izany Andriamanitra ka ny finoana izany no ahazoantsika fanamarinana.

3. Jesosy Kristy no fahatanterahan’ny sorona levitika, ka noho izany dia Izy no Mpanalalana araka ny Fanekena Vaovao. Araka ny teolojian’i Jaona dia i Jesosy Kristy no Ilay Zanak’ondry tsy misy kilema izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao: “Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao! (Jao. 1:29).

4. Tsy maintsy novonoina Ilay Zanak’ondry tsy misy kilema mba hizaka ny fahotan’izao tontolo izao. Nazera tao amin’i Jesosy daholo ny fahotan’izao tontolo izao.

JESOSY KRISTY MPISORONABE


• Izy no mpisoronabe manatanteraka ny fisoronana indray mandeha

Amin’ny maha Mpisoronabe an’i Jesosy dia tsy maintsy niditra ny efitra lamba (Heb. parôket) indray mandeha Izy ka nitondra ny rany, izay nanaovany fanavotana izao tontolo izao. Io no nahatonga ny efitra lamba mankao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny Tempoly nitriatra rehefa niala aina teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy (Mat. 27:51; Mar. 15:38). Nitriatra ny efitra lamba mba hilazan’Andriamanitra fa foana hatreo ny fanavotana natao tao amin’ny Masina Indrindra satria ilay tena Fanavotana dia vitan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana.

Vita ilay tena Fanekena Vaovao izay nisolo ny Fanekena Taloha, noravan’Andriamanitra amin’izay ilay teo aloha. Ny fandravàna ny efitra lamba dia manambara ny fandravàna ny fisoronana levitika.

l Mpisoronabe mifona ho antsika eo an-kavanan’ny Ray

3. VOKATRY NY FISORONAN’I KRISTY EO AMIN’NY MINO


1. Fanavotana sy fanadiovana

2. Fifohazana manompo ao anaty fahamasinana

2. Fifohazana mpisorona ho an’ny ankohonana, Fiangonana, firenena: fifohazana mibata, mitrotro ny mpanota ho ao amin’i Jesosy; tsy mora reraka fa sady mitory ny mifona (mpisorona sy mpaminany); maro ireo manao vavaka mitora-bato; mifona ho an’ny fahavalo

3. Fifohazana manompo: raha Jesosy aza nanompo, vao maika fa isika; manolotra ny tena ho fanatitra hanompo; mahajoro ve ny zanaky ny fifohazana eo amin’ny sehatry ny fanjakana? Sa voataona hanaraka ny fanaon’ny zanak’izao tontolo izao?

Maro ireo zanaky ny fifohazana snôby, tsy mandray ravin-demo/dena. Mifidifidy asa atao, mila tambiny vao manao, indraindray toa misy saranga ny mpiandry



Post a Comment

0 Comments