Ny Fiavian'ny Paska

 




Ny Fiavian’ny Paska (Paska tany Ejipta)

Loharano: ireto daholo ireo soratra masina ahitana ity fety ity: Eks 12:1–13:16; 23:15; 34:18–20, 25; Lev 23:4–14; Nom 28:16–25; Deot 16:1–8; Jos 4:19–23; 5:10–12; ary 2 Tan 30:2, 3, 13, 15.

Andevo tany Ejipta ny zanak’Israely nandritra ny taona maro ka ory loatra noho ny fanandevozana: “ary ny Zanak’Israely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.” (Eks 2:23). Henon’i YHWH izany fijaliany sy ny fahoriany izany ka niantso sy naniraka an’i Mosesy izy mba hitondra ny vahoakany hivoaka avy tany Ejipta: “Ary hoy YHWH: Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Ejipta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony.” (Eks 3:7). Nanamafy ny fony ny Faraon’i Ejipta ka tsy namela ny zanak’Israely hivoaka. Taorian’ireo loza folo izay namelezan’i YHWH ny Ejipta sy ny vahoakany dia navelan’ny Farao amin’izay ny zanak’Israely ka tamin’ny alina izay nivoahany tany Ejipta no nandidian’ Andriamanitra azy ireo hanatanteraka ny Paska voalohany.

Ny teny Hebreo hoe  פֶּסַח(pesaḥ) dia avy amin’ny matoanteny hoeפסח  (psḥ) izay midika hoe “mandalo” amin’ny heviny hoe mandalo ka tsy mandringana fa miaro sy mamonjy. Tamin’io alina nivoahan’ny zanak’Israely tao Ejipta io no nandidian’i YHWH ny zanak’Israely hanatanteraka ny Paska voalohany. Nodidian’i YHWH ny zanak’Israely mba hamono zanakondry tsy misy kilema ka toy izao no fanaovana azy. Voalohany dia alaina ny rany atentina amin’ny tolam-baravarana sy ny tataom-baravarana: “Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin’ny tolam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanany azy” (Eks 12:7). Ny zavamaniry antsoina hoe hysopa no ampiasaina rehefa manentina ny rà (Eks 12:22). Nandalo ny tany Ejipta YHWH tamin’io alina io ka: “Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Ejipta Aho. (Eks 12:13). Tamin’io alina io mantsy dia nandalo tao Ejipta ny anjely mpandringana nirahin’i YHWH ka nijanona sy nandringana ny lahimatoa ejiptiana rehetra (ity no loza fahafolo farany). Rehefa tonga teo amin’ny tranon’ny zanak’Israely izay nisy ny ràn’ny zanakondro kosa ny anjely dia “nandalo” ihany fa tsy nikasika ny lahimatoany. Izany hevitra fonosin’ny fandalovan’i YHWH izay midika ho fiarovana sy famonjena izany no niavian’ny teny hoe Pesach na Paska. Fandalovana no heviny ara-bakiteny fa “famindrampo” sy “famonjena” kosa no heviny ara-teôlôjia.

Ao amin’ny Testamenta Taloha ny rà dia nampiasaina nanaovana fanavotana. Tamin’izany ny rà dia nisolo aina, ka raha manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanatitra alatsa-drà ny mpanota dia mamindra fo Andriamanitra ka mamela ny helony. Ny ràn’ilay bibly atao fanatitra dia misolo ny ain’ilay mpanota ka miseho ny fisoloana izay mahatonga ny mpanota ho voavela. Manadio ihany koa ny rà. Ireo hevitra rehetra ireo mitambatra no hita ao amin’ity zanakondrin’ny Paska ity.

Ilay zanakondry avy nakana rà kosa dia ohanina amin’io alina io ka toy izao indray ny fikarakarana azy.

·       Voalohany dia tsy azo andrahoina amin’ny rano ity zanakondry ity fa tsy maintsy atsatsika amin’ny afo ary tsy azo esorina ny ao anatiny: “Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izy, fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.” (Eks 12:9)

·       Raha sendra ka tsy lany dia tsy azo avela misy sisa fa tsy maintsy dorana izany: “Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahiny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin’ny afo. (Eks 12:10)

·       Ireto daholo ireo zavatra ohanina miaraka aminy: mofo tsy misy masirasira (מַצָּה [maṣṣâ]) sy anana mangidy (מָרֹר [marôr]). Ny mofo ohanina amin’io dia mofo tsy misy lévure: “Dia hohaniny amin’izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanany azy mbamin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy (Eks 12:8)

·       Toy izao ny fihinana azy rehetra: “Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tànanareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’i YHWH (Eks 12:11)

Ireo fomba rehetra mahakasika ny fihinanana ity sakafon’ny Paska ity dia samy manondro ny fahamehana avokoa. Atsatsika ary tsy esorina ny ao anatin’ny zanakondry mba tsy handany fotoana be ny fikarakarana azy. Faharoa, manambara fahavononana ny kapa eo an-tongotra sy ny sikina ary ny tehina. Hivoaka amin’ny alina avy ao amin’ny tany fanandevozana ny zanak’Israely ka tsy maintsy atao anatin’ny fotoana fohy sy fahavononana tanteraka izany.

TEOLOJIA

·       Ireo singa nampiasaina tamin’ny Paska dia manondro ny fiarovana amin’ny faharavana, ny fahalovana ary ny fahafatesana. Ny sira dia manambara fiarovana sy fihazonana ny “original”, izany hoe, fijanonana amin’ny endrika voalohany. 

Ny masirasaira (lévure) kosa dia ny mahatonga ny mifanohitra amin’izany. Ny masirasira kosa dia mahatonga fibontsinana ary ny mofo misy lévure dia malaky tratry ny fahasimbana satria niova avy amin’ny endrika voalohany (originale). Izany no mahatonga ny masirasira ilazana ny fahalovana ao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ohatra 1 Kor 5:7). Tsy nasiana masirasira ilay mofo nohanina teo amin’ny Paska satria YHWH dia mitazona ny vahoakany tsy ho tratry ny fahalovana. Io no antony nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, niaro ny zanany tsy ho tratry ny fahalovana Andriamanitra ary izay rehetra mino Azy dia tsy ho tratry ny fahalovana mandrakizay.

·       Ny rà eto dia tsy vokatry ny fanatitra, fa natao ho marika hita maso avy ety ivelany hohitan’ny anjely mpandringana tany Ejipta. Teo am-baravarana no nasiana ny rà satria teo no nidiran’ny anjely. Ny tolam-baravarana amin’ny Hebreo dia antsoina hoe emunah, izay teny ilazana ihany koa ny finoana na fahatokiana. Ny kisarisary hita eto dia ny symbole sy ny finoana ao ambadiky ny Paska. Na dia izany aza anefa dia manana hevitra momba ny fisoloana koa ny rà teo amin’ny tolam-baravarana. Ny rà eto dia manambara fa efa nisy zanakondry nisolo ilay tokantrano ka tsy mandringana azy ireo intsony Andriamanitra.

 

Post a Comment

0 Comments