FAMPIANARANA MOMBA NY BOKIN’I JOELA
1. Ny Antony Nahatonga an’i Joela Naminany (Contexte)
Tao anatin’ny fahamaihana sy loza no nahatongavan’ny tenin’i Jehovah
tamin’i Joela. Ny fahitany ireo valala nanafika no nanosika azy hiteny. Raha
teo amin’Israely dia manambara loza tsy roa aman-tany ny valala satria ny
faharavan’ny fambolena dia midika fahavoazana lehibe eo amin’ny toe-karena:
mosary sy fahafatesana. Tsy ny sakafo ihany no potika fa manana hevitra
ara-panahy lalina ny valala. Ny faharavan’ny fambolena dia mitarika ny
faharavan’ny vokatra izay entina ho fanatitra ho an’i Jehovah ao amin’ny Tempoly.
Ny tsy fisian’ny fanatitra dia midika faharavan’ny fifandraisana amin’i Jehovah
satria io no fomba amelan’i Jehovah ny heloky ny olony.
Ny fahatsapan’i Joela izany sy ny fahitany ny vokadratsiny no nahatonga
azy niteny fa avy amin’i Jehovah ireo valala ireo ary nirahiny mba ho fitsarana
sy fanasaziana ireo tsy mibebaka. Aminy dia tsy voina voajanahary akory ity
fanafihan’ny valala ity fa loza irahin’i Jehovahmba hahatonga ny olona
hibebaka. Na izany aza anefa dia tsy mahafoy ny olony Jehovah ka izany no
mahatonga an’i Joela miantso fibebahana faobe mba hahatonga ny olona hifona sy
hibebaka amin’ny fo ary Jehovah hamela azy ireo. Ny mpisorona mihitsy no tokony
hitarika ity fibebahana ity. Hamindra fo Jehovah fa tsy handringana, ary raha
tena mibebaka marina ny olona dia hamela heloka Izy ary hositraniny ny
fahasimbana vokatry ny valala.
Satria mampatahotra loatra ity zava-miseho ity dia nolazain’i Joela fa
ity ilay Andron’i Jehovah, ilay andro mampatahotra. I Amosa dia nilaza fa ny
Andron’i Jehovah dia andro maizina fa tsy mazava, i Joela kosa nilaza fa ny
Andron’i Jehovah dia aizina alohan’ny hisehoan’ny fahazavana.
2. Daty Nanoratana
Matetika dia manamora ny fahafantarantsika ny fotoana nanoratana ny
boky faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha ny fanomezan’ny mpanoratra
toe-javatra ara-tantara toy ny anaran’ny mpanjaka tamin’ny fotoana nanoratany
(ohatra, Amo. 1:1; Isa. 1:1). Tsy ahitana izany anefa ao amin’ny bokin’i Joela
hany ka sarotra ny mahafantatra ny daty nisehoan’ny faminanian’i Joela.
Mizarazara be ny hevitry ny mpikaroka noho izany antony izany: manomboka
amin’ny taonjato faha-9 ka hatramin’ny taonjato faha-2 BC.
Toe-javatra iray izay afaka manampy antsika amin’ny fahafantarana ny
fotoana nanoratana ny boky Joela ny tsy fisian’ny anarana mpanjaka ao amin’ny
boky. Izany no mahatonga ny mpikaroka sasany milaza fa tany amin’ny taonjato
faha-9 BC (talohan’i Jesosy Kristy) tamin’ny fotoana nanjakan’i Joasa
mpanjakan’i Joda (2 Mpan 11–12) no nanoratana ny bokin’i Joela. Ity daty ity
dia mifanaraka tsara amin’ny zava-misy tamin’ny nahampanjaka an’i Joasa. Mbola
zaza izy no lasa mpanjaka ka ny mpisoronabe Jehoiada no tena nitondra, i.e.,
mifanaraka amin’ny tsy ahitana mpanjaka ao amin’ny bokin’i Joela izany. Misy
koa mpandinika sasany milaza fa ny nametrahana an’i Joela eo anelanelan’ny
Amosa sy Hosea dia manambara fa isan’ireo soratra tranainy izy fa tsy
voasoratra taty aoriana.
Na dia eo aza ny fahasarotana vokatry ny tsy fisian’ny toe-javatra
ara-tantara mazava dia misy ihany ireo fisehoa-javatra voasoratra amin’ny Joela
azo ampiasaina hamantarana ny daty nanoratana azy. Ity
fanohanan-kevitra ity dia manondro ny daty anelanelan’ny 630–500 BC ho
nanoratana ny bokin’i Joela.[1] Ny fisian’ny fitovitoviana
eo amin’ny Joela sy ireo boky faminaniana hafa (Amosa, Isaia, Zefania, Jeremia,
Ezekiela ary Malakia) dia manondro ity vanim-potoana ity. Tena mahagaga ny
fitoviana misy eo amin’i Joela sy Zefania ary Amosa eo amin’ny filazana
mikasika ny Andron’i Jehovah. Ny fomba filazan’i Joela momba ny
fanompoam-pivavahana sy ny toerana nisy azy tamin’ny fotoana nanoratany dia
mampahatsiaro ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny Tempoly tamin’ny andron’i Jeremia
sy Ezekiela. Izay voalaza eo amin’ny Joela 4:1–8 no ahafahantsika mahafantatra
bebe kokoa ny fotoana nanoratan’i Joela. Voalaza ao fa nozaraizaraina ny tany,
nanaovana filokana ny olona, namidy ho andevo nya nkizy, ny nakan’ireo firenena
jentilisa ny volafotsy sy volamena avy tany Joda ary novalian’i Jehovah ny
ratsy nataon’ireo firenena jentilisa. Tena hita mazava eto fa manondro ny
fahababoana tany Babylona ity fisehoan-javatra ity. Lasa babo Joda, noho izany
tsy mahagaga raha tsy miresaka mpanjaka ny bokin’i Joela satria nentina babo ny
mpanjaka. Ny sisa tao Joda dia ireo vahoaka sy ny loholona
(1:2, 14; 2:15–16). Hita ao amin’ny bokin’i Joela koa fa efa miasa tsara ny Tempoly.
Ireo zava-niseho ireo dia ahafahantsika milaza fa tsy lavitra ny fotoana
niasan’i Hagay sy Zakaria ny fotoana naminanian’i Joela. Mazava anefa fa efa
tafatsangana ny Tempoly rava tamin’ny fahababoana tamin’io fotoana io. Ity
Tempoly ity dia tsy hafa fa ny Tempoly nahorin’i Jerobabela izay antsoina hoe
“Tempolin’i Jerobabela” ary fantatra fa vita teo ho eo amin’ny taona 515 BC
izany. Niasa
mafy tamin’ny famporisihana ny olona hanorina ity Tempoly ity i Hagay sy
Zakaria. Hita ao amin’ny Joela koa fa mbola ho avy ny faharavan’i Edoma (4:19)
nefa ao amin’i Malakia (1:2–5) kosa dia efa rava i Edoma. Manambara izany fa voasoratra
taloha kelin’ny bokin’i Malakia ny bokin’i Joela. Araka ny fikarohana nataon’ny
mpandinika biblika dia voasoratra manodidina ny taona 450 BC Malakia. Raha
izany dia manodidina ny taona 500 BC no nanoratana ny bokin’i Joela.
3. Firafitry ny Boky
Amin’ny ankapobeny dia azo zaraina ho
toy izao manaraka izao ny bokin’i Joela:
Fampidirana (1:1)
I— Fitsarana ho an’Israely: Fanafihan’ny valala (1:2–20)
1. Fiantsoana
ny olona hibebaka (1:2–14)
2. Fitomaniana
(1:15–20)
II— Fitsarana ho an’Israely: Fanafihan’ny miaramila avy any Avaratra
(2:1–11)
3. Fiantsoana
fiantsoana fanairana (2:1–2a)
4. Filazana
mikasika ilay tafika hanafika (2:2bc–9)
5. Famantarana
ny Androan’i Jehovah (2:10–11)
III— Fibebahana sy valiny avy amin’i Jehovah (2:12–19)
6. Fiantsoana
fibebahana (2:12–14)
7. Fiantsoana
Fivoriana Masina (2:15–17)
8. Fampidirana
ny valin-tenin’i Jehovah (2:18–19)
IV— Famelankeloka ho an’Israely/Fitsarana ho an’ny Jentilisa: Ringana ny
tafika fahavalo (2:20)
V— Famelankeloka ho an’Israely: milatsaka ny orana sy ny fitahiana
(2:21–27)
9. Fiantsoana
ny olona hifaly (2:21–24)
10.
Miverina ny fitahiana (2:25–27)
VI— Handatsaka ny Fanahiny i Jehovah (3:1–5)
VII— Hotsarain’i Jehovah ao amin’ny Lohasahan’i Josafata ny jentilisa
(4:1–16)
VIII— Ny voninahitr’i Joda: fitahiana sy faharesen’ny fahavalo (4:17–21)
Azo zaraina roa lehibe ny boky
manontolo raha ny votoatiny no jerena. Ao amin’ny voalohany dia miresaka
amin’ny vahoaka i Joela noho ny loza vokatry ny fanafihan’ny valala sy hafanana
be izay manambara ny fiavian’ny Andron’i Jehovah izay manambara fitsarana.
Izany fanatrehana loza izany no nanosika an’i Joela hiantso ny vahoaka hanao
fibebahana faobe ho an’ny firenena manontolo ka amin’izany dia notsindriany fa
tokony hanao fifadian-kanina ireo mpisorona (toko 1). Taorian’izany dia
nanaitra an’i Jerosalema i Joela mpaminany ny amin’ny hiavian’ny Andron’i Jehovah,
niantso fibebahana sy fifadiana ka niantso ny mpisorona mba hanao vavaka ho
fanafahana (2:1–17). Ao amin’ireo andininy manaraka dia namindra fo tamin’ny
vahoakany i Jehovah ka namelona fanantenana tao amin’ny vahoakany ny hanomezany
azy ireo indray fanantenana sy fahavokarana be amin’ny ho avy (Toko 2). Ny
tapany faharoa dia milaza mikasika ny handatsahan’i Jehovah ny Fanahiny ka
amin’izany dia haminany ny olona rehetra ary ny famonjena dia hohita ao
amin’ireo mahatoky ao an-Tendrombohitra Ziona (Toko 3). Ny fanambarana ny
fitsaran’i Jehovah ho an’ny firenena rehetra ao amin’ny lohasahan’i Jehozafata
izay miaraka amin’ny fampanantenana fitahiana paradiziakaly ho an’i Joda sy
Jerosalema (Toko 4).
4. Joela Mpaminany sy ny Asany
Tena kely ny zavatra voasoratra ao
amin’ny bokiny ahafantarantsika an’i Joela mpaminany. Ny hany voalaza dia ny
anaran’ny rainy (Petoela, 1:1). Ny anarana hoe Joela dia fitambaran’ny
anaran’Andriamanitra roa dia ny Yahweh (=Jehovah) sy ny Elohim ka midika hoe “Jehovah
no Andriamanitra”. Tsy fantatra ny fiaviani Joela na ny asa nataony talohan’ny
niantsoana azy. Ireo mpaminany hafa toa an’i Hosea sy Amosa dia ahitana
filazana mikasika ny fivelomany na ny asa nataony indrindra fa ny fiantsoana
azy sy ny asa nanirahana azy ireo (cf. Hos 1:2; Amo
7:10–17).
Na izany aza anefa dia heverin’ny mpandinika maro fa nanana fifandraisana na
andraikitra tao amin’ny Tempoly izy satria hita taratra ao amin’ny boky fa
nahafantatra tsara ny Tempoly.
Hita taratra amin’ny sorany fa
nahafantatra tsara sy nanaraka akaiky ny fandehan’ny raharaham-pivavahana tao
amin’ny Tempoly i Joela. Hitany tsara fa tratry ny fahalovana ireo mpisorona
izay niseho tamin’ny endrika fanompoantsampy sy fampifangaroana ny fivavahana
avy tany ivelany (syncrétisme sy pluralisme). Azo heverina fa nanompo sampy
mihitsy ny sasany tamin’ireo mpisorona ireo. Ny hany fomba ahafahana manadio
indray ny fanompoam-pivavahana dia ny fiverenana amin’i Jehovah amin’ny fo
manontolo. Hita taratra izany amin’ny fomba filazan’i Joela fa Jehovah irery
ihany no Andriamanitra eo afovoan’Israely:
“Dia
ho fantatrareo fa ao afovoan’Israely Aho, ary Izaho no Jehovah
Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.”
(Joe. 2:27)
“Ary
dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona,
tendrombohitro masina…” (Joe. 4:17)
Ny mampiavaka an’i Joela amin’ireo
mpaminany hafa dia izy efa manatrika loza mihatra. Ireo mpaminany hafa, toa
an’i Amosa, ohatra dia fahitana momba ny loza hanjo ny Israely no hitany ary
mbola nanana fotoana izy nifonana sy nangatahana mafy tamin’i Jehovah mba tsy
ahatongavan’izany. Ho an’i Joela kosa dia an-dohalika ny ranom-bary ka tsy
nanam-potoana nanaovana faminaniana feno fitsarana toy izay nataon’i Amosa
intsony izy (Amo. 1:3ff). Ny tena nifantohan’i Joela dia ny hitondra ny olona
hiala amin’izany loza izany ka ny nataony dia ny niantso fibebahana faobe ho
an’ny rehetra (1:2–2:17) (Mila
vakiana ity soratra masina ity).
Ao anatin’ity antso ho amin’ny
fibebahana ity dia tsindrian’i Joela ny fahalovana ara-pivavahana sy teo
amin’ny firenena. Ao anatin’izany ireo mpimamo (1:5), mpiasa tany (1:11) ary ireo mpisorona (1:13). Ny fimamoana ao
anatin’ny fivavahana dia voaheloka matetika ao soratry ny mpaminany (Hos. 4:11;
9:2; Amo. 1:8). Tsy mahagaga raha tsy mba voatonona amin’ireo hahazo fitahiana
amin’ny andro fanavaozana ny mpimamo (2:21ff.), na dia voalaza aza fa isan’ny
fitahiana omen’i Jehovah ny divay (2:24). Marihina fa ny divay dia kisary
entina milaza ny fitahiana teo amin’Israely. Ho an’ireo mpiasa tany dia hiova
ho fifaliana ny fitomaniany satria honeran’i Jehovah ny fahasimbana rehetra.
Tsy resaka fambolena ihany no tiany lazaina amin’izany fa indrindra koa ny
ara-pivavahana. Rehefa miverina ny fambolena dia hisy zavatra atao fanatitra
indray ary mazava ho azy fa ho tafaverina indray ny fifandraisana misy eo
amin’i Joda sy Jehovah. Nolotoin’ireo mpisorona ny fanompoam-pivavahana ka noho
izany dia potika ny fambolena ary tsy misy zavatra atao fanatitra. Ireo
famiazam-boaloboka izay toerana fifaliana ho an’ny mpamboly dia lasa toerana
fisaonana sy fitomaniana:
“Eo
anelanelan’ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ny
mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao
ny olonao, Jehovah ô, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin’ny
jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin’ny firenena hoe: Aiza Izay
Andriamaniny?” (Joel 2:17)
Ny vahoaka manontolo mihitsy no niala
ny fanekena, tsy manoa, fahasimbana eo amin’ny lafiny etika. Satria niala dia
asainy miverina aminy: “Koa na dia
ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra ary amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary
ny fitarainana” (Joe. 2:12) amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana ka tsy tsy
maintsy hita amin’ny alalan’ny fihetsika hita maso avy ety ivelany:
fifadian-kanina, fitomaniana ary fitarainana. Tsy maintsy atao amin’ny fo
manontolo ity fibebahana ity fa tsy amin’ny fombafomba feno fihatsaram-belatsihy:
“Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny
fitafianareo, ary miverena amin’i YHWH Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy
miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza”
(Joe 2:13). Fomba fanaon’ny zanak’Israely ny mandriatra ny fitafiany na ny
mipetraka amin’ny tany ka mihosim-bovoka rehefa mibebaka. Tsy izany fombafomba
ivelany izany no ilain’i Jehovah, tsy ny akanjo no ilainy ho traitriarina fa ny
maha olona feno fahotana azy manontolo. Ny teny Hebreo hoe lev no
nadikantsika hoe “fo” eto. Ity teny ity dia ilazana ny foibe maha-olona ny
olona ka avy ao no ivoahan’ny fitiavany, ny fankahalany ary indrindra ny
fanapahankeviny hikomy sy hanota amin’Andriamanitra. manontolo fa tsy ilay
taova mitepotepo ao anatin’ny olona akory. Raha adika amin’ny fomba hafa izany
dia ny maha olona manontolo mihitsy no mibebaka ka miverina amin’i Jehovah. Ny
fo koa dia ilazana ny
Raha fintininana ilay fibebahana andrasana amin’i Joda dia: atao ao
amin’ny Tempoly, ataon’ireo mpisorona ary ny vokatra hita maso aorian’izany dia
ny fitahiana izay hamerina indray ny fanatitra, izany hoe, ny fifandraisana
amin’i Jehovah. Ny faratampon’izany dia ny faharesen-dahatry ny vahoaka rehefa
fa Jehovah no Andriamanitra: “Dia ho
fantatrareo fa ao afovoan’Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko” (Joe. 2:27). Miverina in-7 (1:14; 2:13, 14, 23, 26,
27; 3:17) ny hoe “Andriamanitrareo” dia sady mampahatsiaro sy manamafy amin’i
Joda fa Jehovah irery ihany no Andriamanitra. Ny fanindriana ny maha
Andriamanitra an’i Jehovah dia marika manambara fa tsy tena voadio tamin’ny
fanomoantsampy ireo niverina avy tamin’ny fahababoana toy ireo razany tamin’ny
andron’i Josia mpanjaka.
Noho izany dia naniraka ny miaramilany, izany hoe, ny valala Jehovah
mba hanafay an’i Joda. Izany no nahatonga ny fibebahana amin-dranomaso ary raha
miseho tokoa izany dia hanome ny fitahiany i Jehovah ka ho tretrika indray
Joda.
Araka ireo zava-misy ireo dia mazava tsara ny antony nanoratana ny boky
Joela. Manambara ny boky fa nalefan’i Jehovah ny valala mba hanitsy sy hanadio
an’i Joda tamin’ny fiodinanay sy ny fanompoantsampiny sy ny hanomezany azy ny
fitahiany sy ny hanomanany ny tena fitahiana amin’ny ho avy amin’ny alalan’ny
fanomezany ny Fanahiny. Izany rehetra izany anefa dia tsy tanteraka raha tsy
miverina amin’i Jehovah sy ny fanekeny Joda.
5. Ny Hafatra ao amin’ny Bokin’i Joela
Mizara roa lehibe ny bokin’i Joela
araka ny ahitantsika azy etsy ambany. Ny fizarana voalohany (1:2–2:17) dia
ahitana ny loza vokatry ny fahotan’i Joda tamin’ny alalan’ny fanafihan’ny
valala. Ity loza ity dia voalaza fa fitsarana sy sazy avy amin’i Jehovah mba
hahatonga ny firenena hibebaka. Ny fizarana faharoa (2:18–4:21) kosa dia
manambara famindrampo sy fanasitrana vokatry ny fibebahana marina nataon’ny
vahoakan’ny Joda. Ndao ary hojerentsika etsy ambany ireo fizarana roa ireo.
1.
Ny
Loza entin’ny Valala sy ny Andron’i Jehovah (1:2–2:17)
(1:2–20): tonga dia
loza no ambaran’ny boky satria ny fanafihan’ny valala no lazain’i Joela. Mahatsiravina ireto valala ireto satria
tonga handrava sy hanapotika. Ny anti-panahy no nantsoin’i Joela
voalohany satria ireo no efa manana traikefa amin’ny fanafihan’ny valala teo
amin’ny fiainany ka afaka mamaly ny fanontaniana napetrany (1:2). Ny faharoa
dia ny mponina rehetra amin’ny tany (i.e., Joda): “Moa mba efa nisy tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo,
va izao?” (Joel 1:2). Zava-doza tsy mbola nisy toa azy no miseho izay
nasain’i Joela mba hotantaraina amin’ny taranaka fara mandimby rehetra.
Hatreo amin’ny and. 3 dia tsy mbola
nambaran’ny mpaminany inona marina moa ilay zavatra miseho. Eo amin’ny and. 4
vao lazainy mivantana: hita eto ireo anarana iantsoana ireo dingana efatra
ahitana ireo karazana valala: kijeja, koraika, valalavao ary ny sompanga.
(1:5–14): ny mpimamo no ivantanan’ny fiantsoana fibebahana voalohany satria izy ireo no
hahatsiaro fijaliana voalohany noho ny tsy fisian’ny divay sy toaka hosotroina
intsony: Mifohaza ry mpimamo.
Ao amin’ny TT ny valala dia oharina amin’ny nifin’ny liona (Amo 5:19) sy toy ny vangin’ny liona vavy (cf. Sal.
58:6; Ohab. 30:14; Nom. 23:24; Deut. 33:20). Ny voaloboka sy ny aviavy no voalaza manokana (1:7) satria ireo no
tena vokatra ahafantarana an’i Palestina (1 Mpan. 4:25; 2 Mpan. 18:31;
Mik. 4:4; Zak. 3:10) ary azo tehirizina
izy ireo ka azo ohanina mandritra ny taona.
Manomboka eo amin’ny and. 8 dia voafaoka daholo ireo
karazan’olona rehetra: “Midradradradrà
toy ny virijina misikindamba fisaonana noho ny amin'ny vadin'ny fahatanorany,
Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny
fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah” (Joe. 1:8–9). Tsy hisy intsony ireo
cereal hatao fanatitra.
Ny and. 11–12:
miantefa amin’ny tantsaha
Ny
and. 13–14:
miantso ny mpisorona amin’izay i Joela. Hitafy lamba fisaonana mandritra ny
alina ao amin’ny Tempoly. Io dia manambara fa tena urgent ity fibebahana sy
fitomaniana tsy maintsy atao ity. Nefa tsy ampy ny fitomaniana fotsiny fa tena
fibebahana amin’ny fo manontolo, fiverenana amin’i Jehovah. Ny anton’izany
fifonana sy fitomaniana izany dia ny mba hampitony ny fahatezeran’i Jehovah ka
hanasitrana ny tany izy; manamasina andro fifadian-kanina,
i.e., andro atokana manokana ho andro fibebahana faobe ho an’ny firebnena
manontolo.
2:1–17: efa
mby an-koditra ny Andron’i Jehovah
“Ary Jehovah mahatonga kotroka eo
alohan’ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay
manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Jehovah,
ka iza no mahatanty izany?” (Joe 2:11)
Oharin’i Joela amin’ny miaramila manafika ny valala. Ity Andro
mahatsiravina loatra ity dia tsy inona fa fanombohan’ny Andron’i Jehovah. Ny
tafiky ny valala dia toy ny lohana lamasinina ka hanaraka ao aoriana ireo loza
hafa rehetra raha tsy mibebaka. Asaina mitsoka anjomara ao amin’ny
tendrombohitra Ziona. Ho tafiakatra ao Ziona ve ny valala? Heverina mantsy fa
voaaro ny tendrombohitra masina satria ao no misy ny Tempoly, saingy izao kosa
dia hanafika azy ny tafiky ny valala irahin’i Jehovah. Eo amin’ny 2:10 dia
voalaza fa maizina ny tany; mangovitra ny tany noho ny anjomara; mihorohoro ny
tany manontolo, mampatahotra loatra izany. Ireo rehetra ireo dia manambara fa
tonga Jehovah miaraka amin’ny miaramilany dia ireo valala mba hitondra
fitsarana. Amosa dia nilaza fa ny Andron’i Jehovah dia tsy andron’ny fahazavana
fa andron’ny aizina, loza fa tsy famonjena (Amo. 5:18–20). Antsoina hoe
miaramila lehiben’i Jehovah ny valala satria ireo no fitaovana ampiasainy
manatanteraka ny fitsarany. Manafika ny
olony Jehovah.
2. Ny Andron’i Jehovah sy Fanasitranana (2:18–4:21)
Taorian’ny fibebahana nataon’ny vahoaka dia nambaran’i Joela fa namela
azy ireo Jehovah satria tia sy saro-piaro aminy: “Ary Jehovah dia saro-piaro ny
taniny sady niantra ny olony” (Joe. 2:18). Hita eo amin’ny 2:21–27 fa
nositranin’i Jehovah ny tany ary naveriny ny fitahiana teo amin’ny fambolena.
Tsy nijanona teo amin’ny fanasitranana ny tany tamin’ny alalan’ny famerenana ny
fitahian’ny tany ihany ny fiantran’i Jehovah fa teo amin’ny ara-panahy
indrindra koa. Hampilatsaka ny Fanahiny amin’ny nofo rehetra Izy: ny volana ho
lasa rà (3:4). Ao amin’ny lohasahan’i Josafata no hanao ny fitsarany i Jehovah;
amin’io andro io dia “ny masoandro sy ny
volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra,” (Joel
4:15).
Inona
marina ny hevitra teolojika fonosin’ny “Andron’i Jehovah” ao amin’i Joela?
Lohahevitra ngezabe ao amin’ny Joela ny Andron’i Jehovah: “Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny
andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fiaviny”
(Joe. 1:15). Ity no lohahevitra ivon’ny boky manontolo. Ao amin’ireo mpaminany
talohan’i Joela dia manambara ilay Andro andrandrain’ny zanak’Israely manontolo
fatratra ity satria hanatanterahan’i Jehovah ny fanavotana ny zanak’Israely
amin’ny alalan’ny fametrahany ny maha Mpanjakan’izao rehetra izao Azy (jereo
Isa. 2:6–22; Amo. 5:18–20; Zef. 1, 2). Ireo firenena rehetra izay tsy
nanaiky Azy ho Mpanjaka dia hotsarainy sy haringany tsy hisy intsony. Ny lafiny
pozitifa kosa dia ity: ny Andron’i Jehovah koa dia andro hanamarinany ny olony
izay nahatoky ka hiarovany azy amin’ireo mpampahory. Ao amin’ny Joela dia samy
hita ireo hevitra roa ireo: harigan’i Jehovah ny fahavalon’Israely ary homeny
rariny ny vahoakany ka hamindrany fo.
Tsy mba resaka ady sy fandresena na faharesena toy ny hevitra fonosin’ny
Andron’i Jehovah ao amin’ny Amosa ny hita ao amin’i Joela fa manambara
famindrampo sy famonjena. Ny voalohany amin’izany dia ny fanidinana (avy
amin’ny “manidina rano”) ny Fanahy. Ny rà (volana), ny rano (Fanahy) dia samy
“symbole”-n’ny fanadiovana daholo ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny Andron’i Jehovah
ao amin’i Joela dia maneho asam-pamonjena amin’ny fanasitranana ny tany
(2:21–27) sy ny fanidinana ny Fanahy (3:1–5). Ny fitsarana ny firenena eo
amin’ny (4) dia manambara famonjena ho an’i Ziona (=Joda).
Ao amin’ny Asa 2:14–21 dia manambara fa tanteraka tamin’ny Pentekosta ny
andron’i Jehovah izay nandatsahany ny Fanahy Masina ho an’ny Fiangonana. Teraka
teo ny Fiangonana Kristiana ary mbola mijoro mandraka ankehitriny. Toky tsy
mamitaka ny tenin’Andriamanitra.
Raha fintinina ny hafatra raketin’ny
boky Joela dia ireto teboka ireto no hita:
·
Andriamanitra marina Jehovah
ka tsy mandefitra amin’ny fahotana.
·
Mampiasa fomba maro
Andriamanitra mba ahatonga ny olona hibebaka: fitsarana, loza, fahoriana, tsy
fisiana, aretina sns. Ny anton’izany dia ny mba hahatonga ny olona hibebaka ka
hiverina amin’Andriamanitra amin’ny fo manontolo.
·
Misy fifandraisany ny
olombelona sy ny tontolo manodidina azy: rehefa marary ny olona ka manota sy
miala amin’Andriamanitra dia marary koa ny tany. Tonga ny valala, ny haintany,
ny kere, ny valan’aretina sy ny loza maro.
·
Jehovah dia tia sy saro-piaro
amin’ny olony ka tsy manary azy ho very mandrakizay.
·
Fibebahana marina amin’ny fo
manontolo no tadiavin’Andriamanitra fa tsy fibebahana feno fihatsarambelatsihy.
Ny maha-olona manontolo mihitsy no tadiavin’i Jehovah hiverina aminy sy hanoa
azy fa tsy ny ambinambiny ihany.
·
Rehefa mibebaka marina ny
mpanota dia mamindra fo Jehovah ka manasitrana azy sy ny tany: avelany ny
helony, averiny ny fifandraisana feno fiadanana amin’ny olona sy Jehovah ary
sitraniny ny tany ka miverina ny fitahiana rehetra ho azy.
·
Miaro ny olony Jehovah ka
miaro azy amin’ny fahavalony ary mitsara sy mamaly ny fahavalony.
6. Ny Hafatra ho Antsika (Hermeneotika)
Inona
moa no hafatra ho antsika entin’ny bokin’i Joela?
Ho an’ny
Malagasy rehetra:
·
Mba tsapanao ve fa miaina ao
anatin’ny loza ny firenena sy ny Fiangonana?
·
Inona avy ireo loza mihatra ka
mampitam-bava ny maro?
·
Avy amin’ny fahalovantsika
mpisorona ankehitriny no mahapotika ny firenena sy ny Fiangonana. Fahamamoana
sy fanompoantsampy=filan’ny nofo, fitiavam-bola, voninahitra
·
Tena mibebaka ve ny Malagasy?
·
Ho sitrana ve i Madagasikara, ny Fiangonana?
Ho an’ny FBL
manokana:
·
Inona ny loza efa mihatra eo
amin’ny fiainanao amin’ny maha reny, mpitarika anao?
·
Andraikitra lehibe ny maha
reny: vady maditra ve? Tsy fisiana? Fitaizana na zanaka maditra?
·
Mizara roa ireo fahoriana
ireo: misy amin’izy ireny hazofijaliana tsy maintsy entinao: “Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka
tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy” (Mat. 10:38). Maharary ireo
saingy avelan’i Jesosy amintsika mba hitaizana antsika hiorina sy ihazonany
antsika ao aminy.
·
Ny faharoa kosa dia ireo
fahoriana avelan’Andriamanitra hiseho eo amin’ny fiainantsika mba hahatonga
antsika hibebaka ka hiverina Aminy. Matetika dia antsoin’ny olona hoe “kapoka”
ity karazana fahoriana ity. Fantatr’Andriamanitra fa io no làlana ahafahanao
miverina aminy ka tsy maintsy ataony izany. Tsy tokony hanome tsiny fa tokony
hisaotra izay miaina izany satria fitiavana no antony. Efa nampiasain’Andriamanitra
matetika izany ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao ary mbola ampiasainy koa
mandraka ankehitriny
·
Ny fibebahana no làlana tokana
ahafahantsika miverina amin’Andriamanitra. Tsy maintsy hita eo amin’ny
fiainan’ny mibebaka marina ny vokatry ny fibebahany. Miaraka amin’izany ny fanasitranan’Andriamanitra
ny tokantrano sy ny fitahiana rehetra.
BIBLIOGRAFIA VOAFANTINA
Crenshaw,
James L. Joel: A New Translation With Introduction and Commentary. New
Haven; London: Yale University Press, 2008.
Wolff, Hans Walter. Joel
and Amos: A
Commentary on the Books of the Prophets Joel and Amos.
Translated by Janzen, Waldemar, Jr. S. Dean McBride, and
Charles A. Muenchow. Heremeneia. Philadelphia: Fortress Press, 1977.
Hubbard, David A. Joel and Amos: An
Introduction and Commentary. Tyndale Old
Testament Commentaries 25. Downers Grove, Illinois: Inter-Varsity Press, 2009.
Ogden, Graham S., and
Richard R. Deutsch. A Promise of Hope-- a Call to Obedience: A Commentary on
the Books of Joel and
Malachi. International theological commentary. Grand
Rapids; Edinburgh: W.B. Eerdmans; Handsel
Press, 1987.
Allen, Leslie C. The Books of Joel,
Obadiah, Jonah, and Micah. The New
International Commentary on the Old Testament. Grand
Rapids, MI: Wm: Wm. B. Eerdmans Publishing, 1976.
Levy, David M. Joel, the
Day of the Lord: A Chronology of Israel’s Prophetic History. Bellmawr,
N.J.: Friends of Israel Gospel Ministry, 1987.
Busenitz, Irvin A. Joel
& Obadiah. Mentor Commentaries. Geanies House, Fearn, Ross-shire:
Mentor, 2003.
Garret, Duane A. The New American Commentary 19A. Logos
Library System: Nashville: Broadman & Holman Publishers, 2001.
Prinsloo, Willem S. The Theology of the Book of Joel. BZAW 163. Berlin: de Gruyter, 1987.
Vriezen, T.
C., and A.S. van der Woude. Ancient Israelite and Early Jewish Literature.
Translated by Doyle, Brian. Leiden, Boston: Brill, 2005.
[1] David A.
Hubbard, Joel and Amos: An Introduction
and Commentary (Tyndale Old Testament Commentaries 25; Downers Grove,
Illinois: Inter-Varsity Press, 2009), 25–26.
0 Comments