Ny Bokin'ny Genesisy




Genesisy

1. Ny Anaran’ny Boky

Araka ny efa nolazaiko tery ambony dia avy tamin’ny fandikan’ny LXX ny Gen 2:4a (Ββλος γενσεως [biblos genesews]) no nahazoana ny anarana hoe Genesisy. Ny teny Grika hoe γνεσις (genesis) dia midika hoe “tetiarana” (genéalogie). Io teny Grika io no nahazoana ny teny Frantsay “Génèse” sy ny Anglisy “Genesis” izay nadika amin’ny teny Malagasy hoe Genesisy. Ny anaran’ity boky voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha ity amin’ny teny Hebreo dia בְּרֵאשִׁית (berêšît) izay midika hoe “tamin’ny fiandohana” na “tany am-boalohany.” Ity teny ity rahateo no manomboka ny bokin’ny Genesisy. Ny fototeny nahazoana io anarana Hebreo io dia רֹאשׁ  (rôš) izay midika hoe “loha.” Ny Genesisy izany dia manambara ny “loha” na “loharano” izay niandohan’ny zavatra rehetra.

2. Ny Mpanoratra, Fotoana ary Antony Nanoratana

Antokon’olona maromaro no nanoratra ny Genesisy fa tsy olona iray. Ny fijery fahizay dia Mosesy no nanoratra ny Pentateoka manontolo. Taty aoriana anefa dia hitan’ny mpikaroka fa tsy mitombina izany: ahoana no fomba nanoratan’i Mosesy ny fahafatesany ao amin’ny Deot 34:5?

Taty aoriana dia nahita ny mpikaroka fa vondron’olona maromaro no nanoratra ny Genesisy. Ny voalohany dia ny antoko antsoina hoe P (Priest) izay mpisorona avokoa. Ny faharoa dia ilay vondrona antsoina hoe J izay azo avy tamin’ny anarana hoe Jahve na Yahweh. Ny marika ahafantarana ity vondrona ity dia ny fampiasany matetika ny anarana hoe Yahweh na dia any amin’ny tantaram-pamoronana aza. Ny vondrona fahatelo nanoratra ny Genesisy dia ny vondrona antsoina hoe E izay azo avy tamin’ny anaran’Andriamanitra hoe Elohim. Ireo vondrona mpanoratra telo ireo no nanoratra ny Genesisy.

Ny fotoana nanoratana ny Genesisy dia nandritra ny fahababoana tany Babylona tamin’ny taonjato faha-6 BC. Nitondra ratra lehibe teo amin’ny Jiosy ny fahababoana. Nampametra-panontaniana betsaka azy izany ka isan’izany ny hoe: naninona izahay no lasa babo? Isan’ny antony nanoratana ny Genesisy io fanontaniana io ka namaliany fa noho ny tsy fankatoavana ny tenin’YHWH no nahatonga izany fahababoana izany. Isan’ny antony nanoratana ny Genesisy ihany koa ny faniriana hampahafantatra ny taranaka aty aoriana ny maha-izy azy ny Jiosy (indentité). Manoloana ireo anganom-pamoronana be dia be tany Babylona (efa nanana tranomboky ngezabe ny babyloniana tamin’izany fotoana izany) dia niezaka koa ireo mpanoratra ireo naneho ny maha izy azy azy tamin’ny alalan’ny fanehoana ny teolojian’ny famoronana sy ny tantara nipoiran’ny firenena Jiosy tany amin’ny voalohany. Tsy mahagaga izany raha misy fisainan’ny Proche Orient fahizay tafiditra ao amin’ny Genesisy satria tany amin’ny fahababoana no nanoratana azy. Ohatra iray lehibe amin’izany ny kôsmôlôjia hita ao amin’ny Genesisy izay ahitana ny foto-kevitra tany amin’ny Proche Orient fahizay.

3. Ny Votoatin’ny Boky

Azo zaraina telo lehibe ny Bokin’ny Genesisy:[1]

1.  Ny tantaram-pamoronana (primeval history) (Gen 1–11)

2.  Ny tantaran’ny Patriarka(/Matriarka) Abrahama, Isaka ary Jakoba (Gen 12–36)[2]

3.  Ny tantaran’i Josefa (Gen 37–50)

Misy koa mpikaroka mizara ny Genesisy ho efatra lehibe:[3]

1.  Ny tantaram-pamoronana (Gen 1–11)

2.  Ny tantaran’i Abarahama (11:27–25:18)

3.  Ny tantaran’i Jakoba (the Jacob cycle) (25:19–36:43)

4.  Ny tantaran’i Josefa (37:1–50:26)

Ity fizarana farany dia ahitana mazava kokoa ny fiavahan’ny tantaran’i Abrahama ao anatin’ny tantaran’ny Patriarka. Mendrika ny hiavaka tokoa ny tantarany satria izy amin’ny maha lohan’ny Patriarka azy dia manana ny toerany manokana ao amin’ny Genesisy. Izy no genesisin’ny firenena voafidy.

Araka ny efa nolazaiko etsy ambony dia zava-dehibe ao amin’ny Genesisy ny hevitra fonosin’ny teny Hebreo hoe  תוֹלְדוֹת(tôledôth) izay manana hevitra maro: fiandohana, taranaka, tetiarana, tantara sns. Ity teny ity rahateo moa no nadikan’ny Septanta (LXX) hoe γνεσις (genesis) izay nahazoana ny anaran’ny boky. Noho izany dia io teny io no manomboka ireo fizarana lehibe ao amin’ny boky araka ny ahitantsika azy etsy ambany:[4]

I. Famoronana (1:1–2:3)

II. Talohan’ny Patriarka

1.  Tôledôth n’ny Lanitra sy ny Tany (2:4–4:26)

2.  Tôledôth n’i Adama (5:1–6:8)

3.  Tôledôth n’i Noa (6:9–9:29)

4.  Tôledôth n’i Sema, Hama, ary Jafeta (10:1–11:9)

5.  Tôledôth n’i Sema (11:10–26)

III. Ireo Patriarka tany Palestina: Fanorenana ny Vahoakan’ny Fanekena

1.  Tôledôth n’i Tera (11:27–25:11)

2.  Tôledôth n’i Ismaela (25:12–18)

3.  Tôledôth n’i Isaka (25:19–35:29)

4.  Tôledôth n’i Esao (36:1–8)

5.  Tôledôth n’i Esao (36:9–37:1)

IV. Ireo Patriarka tany Egypta

1.  Tôledôth n’i Jakoba (37:2–50:26)

Araka io firafitra io dia mizara iraikambinifolo ny boky Genesisy ka ny teny Hebreo hoe  אֵלֶּה תֹּלְדוֹת(’êleh tôledôth) izay midika hoe “ity ny tantaran’ny” na “toy izao no tantaran’i” no manomboka ireo fizarana ireo. Antsoin’ny mpikaroka hoe “toledoth formula” ity fomba fanoratra ity. Amin’ny ankapobeny dia azo adika hoe “tantaram-pirazanana” na “tantara” ny teny hoe תוֹלְדוֹת (tôledôth) ary raha amin’ireo tantaran’olombeblona dia marina tokoa io fandikana io. Tsy marina anefa izany raha ny lanitra sy ny tany no resahina (2:4–4:26). Hita miharihary izany fa “formule” manokana nampiasain’ny mpanoratra ny Genesisy ity fomba fiteny ity nanombohany ireo fizarana tsirairay ao amin’ny boky. Ndao ary hojerentsika etsy ambany ny votoatin’ireo fizarana telo lehibe voalaza tery ambony.

Ny Tantaram-pamoronana (Primeval History): Gen 1–11

Ity fizarana voalohany ity dia mahakasika ny famoronana izao tontolo izao (Gen 1:1–2:4a) arahin’ny tantara mikasika ny olombelona voalohany: ny tantaran’i Adama sy Eva tao amin’ny saha Edena sy ny nandroahan’Andriamanitra azy ireo avy tao (Gen 2–3), ny namonoan’i Kaina an’i Abela rahalahiny (Gen 4), ny tantaram-pirazanana manomboka amin’i Adama ka hatramin’i Noa (Gen 5), ny tantaran’ny safo-drano (Gen 6:1–9:17) arahin’ny fahamamoan’i Noa sy ny tantaran’ireo zananilahy telo dia Sema, Hama ary Jafeta (Gen 9:18–10:32). Ity tantaram-pamoronana ity dia miafara amin’ny tantaran’ny Tilikambo tao Babela, ny fifangaroan’ny fiteny, ny fiparitahan’ny olombelona manerana ny tany ary ny tantaram-pirazanana avy amin’i Sema mandrapahatonga amin’i Tera, rain’i Abra(ha)ma (Gen 11).

Ny tantaran’i Abrahama, rain’ny mino dia manomboka amin’ny fiantsoana azy avy tany 

Teolojia fa tsy Tantara ny Genesisy

Maro ireo mamaky ny bokin’ny Genesisy no very hevitra sy tafalatsaka amin’ny fijery fa diso ny Baiboly. Ny mahatonga izany dia satria heverin’ny maro fa boky mitantara ny famoronana amin’ny antsipirihany toy ny boky siansa moderna ny Genesisy. Tsy boky tantara ny Genesisy fa boky mirakitra ireo teboka teolojika lehibe teo amin’ny famoronana sy ny fiforonan’ny firenen’Israely. Raha ny solomason’ny siansa moderna no amakiantsika ny Genesisy dia hahita zavatra maro tsy mifanaraka amin’izany tokoa isika: tsy boribory ny tany ao amin’ny Gensisy fa fisaka ka hazonin’ny andry lehibe avy ao ambanin’ny tany, tsy planeta hafa ireo kintana fa fahazavana izay miraikitra eo amin’ny lanitra, ny habakabaka dia tsy “vapeurs” fa takelaka “solide” izay mihazona ireo rano ao amboniny tsy hiraraka sady mihazona ny fitoeran’Andriamanitra ao ambony… Tadidio fa Jiosy niaina tany amin’ny taonjato faha-6 BC no nanoratra ny Genesisy. Ireo Jiosy nanoratra sy namaky ny Genesisy dia tsy nahafantatra ny siansa moderna fa nanoratra tamin’ny alalan’ny fahalalany. Izay nosoratany dia marina tamin’ny siansan’ny taonjato niainany na dia toa diso amin’ny siansantsika ankehitriny aza.

Tsy voatery hazava na nasehon’ny mpanoratra amin’ny antsipirihany ny tantaran’ireo olombelona nohariana voalohany. Izany no mahatonga antsika tsy hahazo iza marina no vadian’ireo mirahalahy zanak’i Adama sy Eva, Kaina sy Abela. Ny zava-dehibe tamin’ny mpanoratra dia ny hahazoan’ny mpamaky ny teolojia lehibe ao amin’ny famoronana: Andriamanitra no Mpamorona ny zavatra rehetra dia ny lanitra, tany ary ny olombelona.

2.2.1.4. Ny Teolojia Fonosin’ny Boky

Famoronana

Ny boky Genesisy dia manomboka amin’ny tantara roa mikasika ny famoronana dia ny Gen 1:1–2:4a izay nosoratan’ireo mpisorona (P) sy ny Gen 2:4b–2:25 izay asa soratry ny Yahwiste (J). Araka ny P ny Andriamanitra mpamorona dia miasa ivelan’ny tontolo voahary (transcendent creator). Ity fijerin’ny P ity dia manohitra ireo anganom-pamoronana tany amin’ny Proche Orient fahizay izay nilaza ny famoronana ho vokatry ny ady nifanaovan’ireo andriamanitra toy izay hita ao  amin’ny Enuma Elish sy ny tantaram-pamoronana babyloniana (Babylonian Creation Epic).[5] Hita taratra ihany io resaka ady kosmika io amin’ny toerana hafa ao amin’ny Baiboly saingy eto amin’ny Genesisy kosa dia tsy misy ady ataon’Andriamanitra mihitsy mandritra ny famoronana, i.e., tsy manana mpanohitra Izy teo amin’ny asam-pamoronana nataony. Hita taratra amin’ity tantaram-pamoronana natao’ny P ity ny fisainana tany amin’ny Proche Orient fahizay momba ny famoronana. Tsy toy ireo fijery Jiosy sy Kristiana taty aoriana izay nametraka ny famoronana ho avy amin’ny tsy misy ny P. Amin’ny P dia tsy namorona ny rano sy ny tany maina Andriamanitra fa ny nataony dia nandamina ireo singa tsirairay ireo. Eo amin’ny Gen 1:1 dia namorona (ברא bara’) ny lanitra sy ny tany Andriamanitra (Elohim). Marihina fa tsy fantatry ny Proche Orient fahizay ny hevitra momba ny famoronana avy amin’ny tsy misy (creatio ex nihilo) fa fisainana moderna ankehitriny izany. I Augustin no voalohany nampiasa io fomba fiteny io nilazana ny famoronana ao amin’ny Genesisy. Ny fiverimberenan’ny matoanteny roa בדל (bdl, “mizara, mampisaraka” Gen 1:4, 6, 7,  14, 18) sy קרא (qr’, “miantso, manome anarana” Gen 1:5, 8, 10, 2:19, 20, 23sns) ao amin’ny tantaram-pamoronana dia manambara fa manana toerana lehibe teo amin’ny famoronana ny fandaminana sy fanomezana anarana ary anjara asa. Raha ny famoronana no lazaina, teo amin’ny Proche Orient fahizay dia antsoina hoe “voaary” ny zavatra iray rehefa nomena anarana sy anjara asa (nom et fonction). Eo amin’ny Gen 1:2 dia voalaza fa  תֹהוּ וָבֹהוּ  (tôhû wāvôhû) ny tany (הָאָרֶץ) voary voalohany. Ny hoe tôhû wāvôhû dia ilazana ny tany mbola nikorontana sy tsy nisy endrika ka tsy mbola azo nampiasaina. Manomboka eo amin’ny and. 3 dia namorona ny fahazavana Andriamanitra ary eo amin’ny and. 4 dia nosarahiny ny fahazavana sy ny aizina ary nomeny anarana ireo singa vaovao ka ny fahazavana nantsoiny hoe andro ary ny aizina nantsoiny hoe alina. Toy izany hatrany ny fizoran’ny famoronana. Andriamanitra dia manasaraka avy eo manome anarana ary avy eo manome ny anjara asany eo amin’ny voahary.

Ao amin’ny Enuma Elish (boky mirakitra ny anganom-pamoronana babyloniana) ny olombelona dia nohariana avy tamin’ny ràn’ilay andriamanitra mpikomy antsoina hoe Kingu mba hanamaivanana ny asa fanompoana ataon’ireo andriamanitra ambany kokoa. Ao amin’ny Gen 1 anefa ny olombelona lahy sy vavy dia nohariana tamin’ny endrik’Andriamanitra ary nataony hanjaka amin’ny zavaboahary rehetra. Ny matoanteny hoe ברא (bara’) no ampiasain’ny mpanoratra ilazana ny famoronana ny olombelona voalohany (Gen 1:27). Lahy sy vavy (זָכָר וּנְקֵבָה, zākhar ûneqēvā) no noforoniny. Mazava tsara fa olombelona roa manana “sexes” roa samy hafa lahy sy vavy no nohariany fa tsy olona iray manana “sexes” roa na ilay antsoina hoe “androgyne.” Amin’ity famoronana ny olombelona araka ny P ity dia ankapobeny kokoa ny anolorana azy.

Miavaka kosa ny tantaram-pamoronana araka ny J satria mampiasa voambolana fampiasa ety an-tany sy ny antsoina hoe “anthropomorphisme.” Ny “anthropomorphisme” dia ny fomba filazana an’Andriamanitra ho manao ny fanaon’ny olombelona toy ny mandehandeha, manenina, tezitra sns. Antsipirihany kokoa ny famoronana ny olombelona araka an’i J. Naka vovotany (עָפָר, ʽāphār) Andriamanitra (Elohim) ka novolavolainy (יצר, yr) tamin’ny tànana toy ny fanaon’ny mpanao sary vongana ary avy eo nofofoniny (נפח, nph) fofonaina mahavelona (נִשְׁמַת חַיִּים , nišemath ayyîm) teo amin’ny vavorony (אַף, ’aph) ka tonga olona na aina  velona (נֶפֶשׁ חַיָּה, nepheš ayyā) izy.

Ny famoronana ny vehivavy voalohany dia vokatry ny tsy nahitan’ Andriamanitra mpanampy tandrify ho an’i Adama tamin’ireo biby voahary rehefa hitany fa tsy tsara raha irery izy (Gen 2:18–20). Tamin’izany no nakan’Andriamanitra singa tao amin’i Adama dia ny taolan-tehezany (צֵלָע, ēlāʽ) ka namoronany ny vehivavy voalohany. Teto ihany koa no niforonan’ny filàna teo amin’ny lahy sy vavy voalohany. Mazava tsara fa teo amin’ny “sexes” roa samy hafa lahy sy vavy no nipoiran’ny firaisana ara-nofo voalohany. Manohitra ny resaka fiarahan’ny mitovy fananahana (homosexualité) izany. Lavin’ny Genesisy tanteraka ny “homosexualité” sy ny fanambadiana maro (polygamie).

Fahalovana / Fahalavoana

Isan’ny teboka teolojika manana ny maha izy azy ao amin’ny Genesisy ny fahalovana vokatry fahalavoana. Maro ireo teolojiana ankehitriny no mandà ny teolojian’ny “fahotana lovàna” (péché originel na original sin) izay milaza fa vokatry ny nidiran’ny fahotana tao amin’i Adama, ilay olombelona voalohany, dia mandova izany fahotana izany koa ny olombelona rehetra. Na dia tsy voalaza miharihary aza izany hevitra izany ao amin’ny Gen 3 dia hita taratra kosa ny fivoizana izany teolojia izany taty aoriana ao amin’ny Testamenta Vaovao ao amin’ny teolojian’i Paoly. Tamin’ny alalan’ny fitaky ny menarana no nidiran’ny fahotana tao amin’ny olombelona voalohany. Tsy ambaran’ny Genesisy ny fiavian’ny ratsy, fa ao amin’ny Gen 3 kosa dia efa tao amin’ny menarana ny ratsy ka tafiditra tao amin’ny olombelona. Ny fidiran’ny fahotana tao amin’ny olombelona dia nahatonga an’Andriamanitra handroaka azy ireo avy tao amin’ny saha Edena mba tsy hahatonga azy ireo hihinana avy amin’ny hazonaina ka ho velona mandrakizay (3:22–24).

Tsara ho fantatra ihany koa fa araka ny teolojian’ny J dia nahorina hanana ny endriky ny Tempoly voalohany ny saha Edena. Ny firafitry ny saha Edena indrindra ny fametrahana ireo kerobima teo atsinanan’ny saha dia manambara fa sarin’ny fidirana tao amin’ny Tempoly ity nambenan’ny kerobima ity. Marihina mantsy fa mitodika miankandrefana ny Tempoly ary any atsinanana no fivoahana. Araka io sary ataon’ny J io dia voaroaka niala tao amin’ny Tempoly voalohany ireto olombelona voalohany. Ity hevitra ity ihany koa dia ahitantsika taratra ny antony nanoratana ny Genesisy. Isan’ny fanontaniana lehibe izay valian’ny Genesisy ny hoe: “nahoana no lasa babo Joda?” Ny valin’io fanontaniana io dia ao amin’ny Gen 3: toy ny nandroahana an’i Adama sy Eva hivoaka tao amin’ny Tempoly voalohany tao Edena no nandroahan’i YHWH ny vahoakany hiala tao amin’ny taniny izay nisy ny Tempoly tao Jerosalema.

 

Fanekena

Anakiray amin’ireo teolojia manan-danja ao amin’ny Genesisy ny fanekena. Ireo fanekena roa lehibe ao amin’ny Testamenta taloha dia samy hita Genesisy avokoa. Ny voalohany dia ny fanekena tamin’i Noa. Voalaza fa nanenina (נחם, nm) i YHWH tamin’ny nanaovany ny olombelona satria tena feno faharatsiana (רָעָה, ʽāh) ny fiainany manontolo (Gen 6:5, 6). Ity antony ity no nahatonga an’i YHWH handringana ny olombelona rehetra teto ambonin’ny tany. Na izany aza anefa dia Noa irery ihany no nahita fitia (מָצָא חֵן, ā’ ēn Gen 6:8) teo imason’i YHWH ka izy valo mianaka ihany no ho afaka amin’ny fandringanana. Nodiovin’Andriamanitra tamin’ny nalalan’ny safodrano izao tontolo izao ary taorian’izany dia nanao fanekena tamin’i Noa YHWH fa tsy handringana izao tontolo izao amin’ny alalan’ny rano intsony: “Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony” (Gen 9:11). Ny teny Hebreo hoe  בְּרִית(berîth) “fanekena” dia ilazana fifamatoram-panekena ataon’ny olona roa na Andriamanitra sy ny olona. Raha Andriamanitra no “sujet” manao ny fanekena dia fanekena no ilazana azy, i.e., Andriamanitra no ivoahan’ny hevitra ary Izy ihany no manapa-kevitra hanao ilay fanekena fa tsy misy hevitra avy amin’ny olona. Teo amin’ny fanekena tamin’ny Noa dia Izy no nanapa-kevitra tsy handringana ny olombelona sy ny tany intsony. Toy izany koa ny fanekena tamin’i Abrahama. Niantso an’i Abrama YHWH ary avy eo dia nanao fanekena taminy. Ny votoatin’ny fanekena nataony dia ny hanome azy taranaka maro hameno ny tany, sy tany onenana ary fitahiana: “Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho (Gen. 17:7). Nataon’Andriamanitra ho fantsona hitondra fitahiana eto amin’izao tontolo izao Abrahama sy ny taranany: “dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao (Gen. 12:2). Ny teny Hebreo hoe  בְּרָכָה(berākhā) “fitahiana” lazaina eto dia mahakasika ny lafim-piainana manotnolo fa tsy ny ara-panahy ihany.

Fifidianana

Teolojia iray lehibe manana ny toerany ao amin’ny Genesisy ny fifidianana (election). Eo amin’ny tantaran’i Abrahama no tena ahitantsika izany mazava tsara. Fanapahankevitr’Andriamanitra irery ihany izany ary tsy miankina amin’izay mety ho fahatsarana na fahamendrehan’izay voafidy. Nifidy an’i Abarama izay jentilisa sy tao amin’ny firenena mpanompo sampy YHWH mba hanorenany ny firenen’Israely. Ny taranak’i Abarahama dia i Jakoba no nitolona tamin’Andriamanitra ka tamin’izany no nanomezana ny anarana hoe Israely: “Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Israely; satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona hianao ka nahery” (Gen. 32:29). Ny teny Hebreo hoe  יִשְׂרָאֵל(yiśrāēl) dia midika hoe “mitolona amin’ Andrialmanitra.” Io anarana vaovao nentin’i Jakoba io no lasa anaran’ny firenena Israely mandraka ankehitriny ary tao no nofidin’Andriamanitra koa nivoahan’ny Mesia (Jesosy Kristy) izay Mpamonjy izao tontolo izao. Mbola mitohy mandrake ankehitriny ny fifidianan’Andriamanitra ny tsirairay ho amin’izany famonjena izany amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy.

Ny azo Iainana ny Genesisy Ankehitriny

·       Azo antoka fa Andriamanitra no namorona izao tontolo izao na dia eo aza ireo siansa izay mandiso izany

·       Tena simba ny olombelona noho ny fahotana, feno ny lafim-piainan’ny olona rehetra ny fahalovana. Mila ny famonjen’i Jesosy Kristy ny olombelona rehetra.

·       Zava-masina sy ambony amin’Andriamanitra ny fanambadiana, tsy mendrika hitsahina sy holotoina ny fahamasinan’ny fanambadiana: Izy no nanorina sy nanamasina (=nanokana) ary nitahy ny fanambadiana

·       Mankahala ota Andriamanitra, maharikoriko azy ny fahotana

·       Fitiavana Andriamanitra, na dia lavo aza ny olombelona noho ny fapahankeviny dia efa nanomana Mpamonjy ho an’ny olombelona rehetra Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Abrahama

·       Mbola mifidy mpanota hampiasainy ho fitahiana ho an’ny hafa tahaka an’i Abrahama Andriamanitra

 



[1] Vriezen, Woude, Ancient Israelite and Early Jewish Literature, 183.

[2] Matetika dia ny Patriarka foana no hita ao amin’ireo fitarihanteny maro momba ny Genesisy. Raha ny marina anefa dia tsy misaraka mihitsy ny Patriarka sy ireo reny na Matriarka izay loharano nipoiran’ny taranak’i Abrahama.

[3] Jon D. Levenson, “Genesis,” in The Jewish Study Bible (ed. Adele Berlin and Marc Zvi Brettler; Oxford: Oxford University Press, 2004), 9.

[4] Andrew E. Hill, John H. Walton, A Survey of the Old Testament, Vol. (Grand Rapids: Zondervan Publishing House, 2010), Epub Edition, Chapter 4 Genesis: Outline.

[5] Joel S. Kaminsky, “The Theology of Genesis,” in The Book of Genesis: Composition, Reception, and Interpretation (ed. Craig A. Evans, Joel N. Lohr, et al.; Leiden: Brill, 2012), 636. 

Post a Comment

0 Comments