Ny Bokin'i Estera sy ny Hafatra Entiny

 


NY BOKIN’I ESTERA

Zaikaben’ny Fikanam-Behivavy Loterana Malagasy (FBL)

Fianarantsoa Aogositra 2022

 

Tari-dresaka

Ity fampianarana ity dia hahitanao ny tantaran’ilay tovovavy Jiosy antsoina hoe Estera. Azo lazaina fa nanomboka avy tamin’ny tsy misy ny fiainany satria kamboty fahakeliny izy ka ny anadahiny (cousin) antsoina hoe Mordekay no nitaiza azy. Hita taratra teo amin’ny tantarany ny tanan’Andriamanitra izay



mitantana ny mpanompony ka nahatonga ity zazavavy kely izay noheverina ho tsy misy ity ho tonga vadin’i Ahasoerosy mpanjaka persiana ka afaka nisakana ny fandringanana ny Jiosy iray ra taminy. Ahariharin’ity tantara masina ity fa afaka mampiasa ny vehivavy izay mety heverina ho tsinontsinona Andriamanitra mba hahatonga azy ho vehivavy mahery fo sy feno finoana ka afaka manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Mahaliana anao ve izany tantara izany? Ndao ary hiaraka handalina sy handray lesona amin’izany isika.

Toe-javatra Manodidina ny Tantara

Ny vanimpotoana ngezabe misy antsika dia ny vanimpotoana taorian’ny fahababoana. Ny fahababoana babilôniana (587–536 BC) no ao an-tsaina. Ny toe-javatra ara-tantara hita ao amin’ny bokin’i Estera dia niseho teo anelanelan’ny fotoana niverenan’ireo babo jiosy andiany voalohany notarihin’i Zerobabela tamin’ny ca. 538 BC ka hatramin’ny niverenan’ireo andiany faharoa notarihin’i Ezra tamin’ny ca. 458 BC. Ny tantara ao amin’ny boky dia mahakasika manokana ny fotoana 483–473 BC izay nanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka persiana (Khshayarsha amin’ny fiteny persiana ary Xerxes amin’ny fiteny grika ary achashverôsh amin’ny fiteny Hebreo). Ny tantara ao amin’ny bokin’i Estera dia nifarana tamin’ny taona 473 BC, taloha kelin’ny namonoana an’i Ahasoerosy mpanjaka tamin’ny taona 465 BC.

Taona maro talohan’izany dia naniraka mpitarika maro Jehovah mba hitarika ny vahoaka sy ny fanarenana ny tananan’i Jerosalema toa an’i Nehemia izay nitarika ny fananganana indray ny mandan’i Jerosalema (445 BC), i Zerobabela governora, Jesoa (na Josoa) Mpisoronabe ary ny mpaminany Hagay sy Zakaria nanentana ny olona hanangana indray ny Tempoly tamin’ny taona 516 BC (Ezr 5–6). Maro anefa ireo Jiosy mbola nijanona tany Persia fa tsy niverina tany Jerosalema ka isan’izany i Estera sy Mordekay anadahiny (cousin).

I Dariosy, rain’i Ahasoerosy, dia nandresy firenena maro ka nanana Ampira nidadasika be nanomboka tany Inde ka hatrany Eoropa sy tany Ejipta, nefa resin’ny Grika tany Marathon (490 BC). Tehamaly faty ny Grika i Dariosy saingy maty izy ka ny zanany no nanao izany. Tsy iza izany fa i Ahasoerosy (519–465 BCE). Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana izy tamin’ny taona 486 BCE dia ny handresy sy hifehy an’i Ejipta sy Babilôna no tena tena nimasoany. Tamin’ny taona 481 BCE dia namaly faty ny rainy izy ka niady tamin’ny Grika nefa resy indray. Ity fotoana nitrangan’ny tantaran’i Estera ity dia fotoana nampatanjaka be ny Ampira Persiana sy nandreseny firenena maro. Ny fon’ity mpanjaka izay nandresy firenena marobe ity dia resin’i Estera sy ny hatsaran-tarehiny.

Ny Bokin’i Estera sy ny Mpanoratra

Ny Bokin’i Rota sy Estera ihany no boky ao amin’ny Baiboly no mitondra anarana vehivavy. Toy ny Tononkiran’i Solomona, Obadia ary Nahoma dia tsy mba voalaza ao amin’ny Testamanta Vaovao ny Bokin’i Estera. Ary ny bokin’i Estera dia iray amin’ireo antsoin’ny Jiosy hoe Megilloth (Hebreo=horonamboky maro) izay ahitana boky dimy ary novakìna tamin’ireo fety dimy lehibe teo amin’Israely: ny Tononkiran’i Solomona dia vakìna amin’ny fetin’ny Paska, ny Rota dia vakìna amin’ny Fetin’ireo Herinandro na ny Pentekosta, ny Fitomaniana dia vakìna amin’ny fety fankalazana ny nandravàna an’i Jerosalema (faha-9 amin’ny volana Abiba na Av izay mifanandrify amin’ny volana Jolay/Aogositra), ny Mpitoriteny vakìna amin’ny Fetin’ny Tabernakely ary Estera dia vakìna amin’ny Fetin’ny Porima.

Ny anaran’i Estera dia mety ho avy amin’ny teny persiana midika hoe “kintana” na ny anaran’ilay andriamanibavin’ny fitiavana persiana antsoina hoe “Ishtar”. Angamba noho ny hatsaran-tarehiny no nahazoany ny anaran’i Ishtar. Ny anarany amin’ny teny Hebreo kosa dia Hadassah izay anarana voninkazo (Anglisy: myrtle; Malagasy: rotra, jereo ny sary tsy ambany).



Tsy voalaza ao amin’ny boky ny anaran’ny mpanoratra ka tsy fantatsika. Ny lovantsofina Jiosy fahizay dia nilaza fa i Mordekay no nanoratra. Ny hany fantatra kosa dia olona nahafantatra tsara ny fomba sy ny fivavahana Jiosy no nanoratra ny bokin’i Estera. Noho izany dia mety anankiray tamin’ireo Jiosy nody avy tany amin’ny fahababoana no nanoratra azy.

Ireo Mpandray Anjara Fototra

Andriamanitra: Tsy voatonona ao anatin’ity boky ity mihitsy ny anaran’Andriamanitra. Izany indrindra anefa no tena mahaliana satria na dia tsy hita ao aza ny anaran’Andriamanitra, dia ambaran’ny mpanoratra mazava tsara fa Izy no mpandray anjara fototra manamboatra sy mandantolanto ary mandrafitra ny tantara manontolo. Andriamanitra no nampisy an’i Estera sy nanome azy ny hatsaran-tarehy mba hampiasainy hanafahana ny vahoakany. Rehefa esorina ao Andriamanitra dia tsy nisy Estera sy ny tantarany izay vakintsika sy andraisantsika lesona androany.

Mordekay: Anadahin’i Estera (cousin), zanaky ny rahalahindrainy i Estera (Est. 2:7).

Estera: kamboty, tsara tarehy sy tsara bika, natoky an’Andriamanitra. Abihaila no anaran’ny rainy (2:15).

Ahasoeroy (Xerxes): 519–465 BCE, tonga teo amin’ny fitondrana tamin’ny 486 BCE, mpanjakan’i Persa, nisy namono tamin’ny 465 BCE. Mpanjaka izay namaly faty ny rainy tamin’ny nandresen’ny Grika ny tafika Persiana tany Marathon (42 km) ka nandresy firenena maro; nefa tsy mba tafika no nampiasain’Andriamanitra handresy azy fa ity tovovavy kamboty sy noheverina ho tsy misy dikany loatra. I Ahasoerosy dia zanak’i Dariosy sady zafikelin’i Kirosy ilay mpanjaka persiana izay namoaka didy hodian’ny Jiosy avy tany amin’ny fahababoana. Adin’Andriamanitra amin’ny fahavalon’ny Jiosy no arahintsika ao amin’ny bokin’i Estera.

Hamana: ilay fahavalo nikotrika ny fandringanana ny Jiosy manontolo, Agagaita izy.

Votoatin’ny Tantara

Toko voalohany: Fanasana lehibe sy Vasty

Mitantara ny fahalebiazan’ny fanjakana Persiana. Manomboka tany Lybie, Afrika hatrany Pakistan ankehitriny. Enim-bolana nanomanana ny ady tamin’ny Grika ka nofaranana tamin’ny fanasana nandritra ny 7 andro: Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan’ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin’ny kianjan’ny tanimbolin’ny tranon’ny mpanjaka (Est. 1:5). Fito andro izay niantsoana ny olona rehetra hifety ka nihinana sy nisotro nanao izay danin’ny kibo.

Eto no manomboka ny tantara. Efa mamo daholo ny maro, tao anatin’ny fety tanteraka, korana, kotaba. Nantsoin’i Ahasoerosy hiseho teo amin’ny fety i Vasty vadiny mba ahitan’ny olona ny hatsaran-tarehiny nefa nandà tsy hanao izany (1:12). Tezitra ny mpanjaka ka nandroaka an’i Vasty tsy ho vadiny intsony (1:21–22). Amin’ny kolontsaina persiana dia fanalam-baràka ny mpanjaka ny nataon’i Vasty. Natahotra Ahasoerosy sao dia ho lasa fihetsiketsehan’ny vehivavy tsy hanoa ny vadiny ity fisehoan-javatra ity. Ahasoerosy dia manana toetra (tamperament) mora tezitra sy mahavita zavatra tsy takatry ny saina rehefa tezitra. Indray andro raha hiditra tany amin’ny faritr’i Gresa ny tafika notarihiny dia tonga teo amin’ny renirano kely ka nasainy nanao tetezana hiampitàna. Simba io tetezana io noho ny tafiodrivitra ka tezitra mafy i Ahasoerosy ka nasainy notapahan-doha ireo 300 lahy nanorina ilay tetezana. Tezitra koa izy noho ny fiakaran’ny rano ka nasainy nokapohin’ny miaramila in-300 ny rano izay nolazainy fa tsy manaja azy. Avy eo dia naniraka miaramila koa izy nankao anaty rano nitondra rojovy izay nasainy namatorana ny rano ary nasainy nokapihina tamin’ny kobay vy ny rano.

Toko Faharoa: Raha Jehovah no Miasa, tsy misy Mahasakana

Lasa ny efatra taona ary tsy mbola nisy mpanjakavavy nisolo an’i Vasty (2:16). Nandritra ity fotoana ity dia sahirana tamin’ny ady maro nataony i Ahasoerosy ka tsy nifantoka tamin’izay hisolo ny mpanjakavavy (482–478 BCE). Diso fanantenana tamin’ny faharesena izy ka isan’ny fialam-boly nataony ny fisafidianana ny mpanjakavavy vaovao hisolo an’i Vasty (2:1–4). Nalefa ny filazana eran’ny Fanjakana fa hisy fifaninanana izay handraisana ny virjiny tsara tarehy tian’ny mpanjaka ho mpanjakavavy. Nomena herintaona izy rehetra hiomanany. Nomena azy ireo ihany koa ny fitaovana sy izay rehetra nilainy hanamboarany ny tenany sy hahatsara tarehy azy. Voalazan’i Josephus mpahay tantara Jiosy fa 400 ireo virjiny tsara tarehy nentina nankany amin’ny lapan’ny mpanjaka hifaninana ho mpanjakavavy. Voafidy ho iray tamin’ireo mpifaninana i Estera. Nofeperan’ny Mordekay anadahiny i Estera mba trsy hilaza ny firenena sy ny fianakaviana niaviany. Voalaza mazava tsara fa “tsara bika” (Hebreo yapheh tô’ar) sy “tsara tarehy” (Hebreo tôvah, 2:7) ary tian’ilay mpikarakara azy ireo izy. Nomena ny efitra tsara indrindra i Estera (2:9). Nandritra ny 12 volana no nanaovana ny fiomanana, tao anatin’izany ny fidiovana amin’ny zava-manitra ary nanampy izany koa ny fitondrantena na ny fahaiza-miaina eo anatrehan’ny mpanjaka (“enim-bolana tamin’ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin’ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan’ny vehivavy, 2:12).

Tonga ny fotoana hidiran’ny mpifaninana tsirairay hankao amin’ny mpanjaka ka nomena azy avokoa izay ilainy rehetra: “Tamin’ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran’ny vehivavy, ho amin’ny fehin’i Sasegaza, tsindranolahin’ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin’ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian’ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany” (2:14). Tonga ny fotoana nidiran’i Estera, ary tsy mba nitondra zavatra be dia be izy fa izay nasain’i Hegay, izay tsindranon’ny mpanjaka izay karazana coach ho an’ireo virjiny mpifaninana, ihany no nentiny. Voalaza fa nahita fitia tamin’ny mpanjaka sy ny olona rehetra i Estera (2:15). Volana Tebet amin’ny volana Jiosy ary taona fahafito nanjakan’i Ahasoerosy no nisehoan’izany (2:16). Voafidy ho mpanjakavavy i Estera: “Ary tian’ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satroboninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an’i Vasty” (2:17).

Nandehandeha teny amin’ny lapan’ny mpanjaka i Mordekay nanaranara-maso ny anabaviny. Tamin’izany no nahenoany fa nisy tamin’ireo mpanompon’ny mpanjaka nikendry hamono ny mpanjaka Akasoerosy (2:20–21). Nolazain’i Mordekay tamin’i Estera izany ary notaterin’i Estera tany amin’ny mpanjaka. Nofotorana izany ary fantatra fa tena marina. Nahantona ireo fahavalon’ny mpanjaka ireo ary voasoratra tao amin’ny boky firaketana manokana tao amin’ny lapan’ny mpanjaka ny soa nataon’i Mordekay izay niaro ny ain’ny mpanjaka. Matetika dia mahazo valisoa ny olona toy izany.

Toko Fahatelo: Hamana Agagita, haringana ny Jiosy

Natsangan’ny mpanjaka Ahasoerosy ho ambony teo amin’ny fanjakany i Hamana, ilay Agagita (3:1). Nandehandeha teny amin’ny lapan’ny mpanjaka i Mordekay nanaranara-maso ny anabaviny. Ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra dia niankohoka tamin’i Hamana daholo araka ny didin’ny mpanjaka (3:2); i Mordekay kosa tsy mba niankohoka ka nitatitra izany tany amin’i Hamana ny olona. Tezitra loatra i Hamana raha naheno izany ka nikendry ny tsy hamono an’i Mordekay ihany fa handringana ny Jiosy manontolo manerana ny fanjakana mihitsy. Nampamoaka didy ny mpanjaka i Hamana mba handringanana ny Jiosy rehetra sy hampandoavana volabe azy ireo ho an’ny firaketan’ny mpanjaka (3:9–11). Inona moa no antony nahatonga an’i Mordekay tsy niankohoka teo anatrehan’i Hamana? Tena zava-dehibe ny valin’io fanontaniana io satria fanalahidy ahazoantsika ny tantara manontolo.

Tsy mba kisendrandendra akory ny nilazana sy namerimberenan’ny mpanoratra fa “Agagita” i Hamana (3:1, 10; 8:3, 5; 9:24). Inona no anton’izany? Mba ahafahantsika mamaly izany dia ndao hiverina any amin’ny 1445 BCE taona alohan’izao, izany hoe, tany amin’ny fotoana nivoahan’ny Zanak’Israely avy tany Ejipta. Rehefa tany anefitra ny Zank’Israely dia notafihin’ny Amalekita (jereo Eks. 17:8snm). Ny Amalekita dia taranak’i Esao. Ary satria nanafika ny Zanak’Israely ireo Amalekita dia nozonin’Andriamanitra izy ireo ka tsy hotsarovana intsony ny anarany. Taonjato efatra taty aoriana dia nandresy ny Amalekita i Saoly mpanjaka (1 Sam. 14). Nosamborin’i Saoly ny mpanjakany izay antsoina hoe Agaga (izay nahazoana ny anaran’ny taranany hoe Agagita). Tokony namono an’i Agaga i Saoly saingy tsy nanao izany izy. Tezitra noho izany Jehovah, ka noho io antony io sy ny maro hafa koa dia nesorin’i Jehovah taminy sy ny taranany ny Fanjakana. Zavatra mahatsiravina no nanaovan’ny Samoela mpaminany an’i Agaga mpanjakan’ny Amalekita: “Dia notetitetehin’i Samoela teo anatrehan’i Jehovah tao Gilgala Agaga” (1 Sam. 15:33). Hamana dia Agagita, izany hoe, taranak’i Agaga. Na dia taonarivo aza no lasa dia mbola tsy adinon’i Hamana ireo tantara ireo. Etsy an-danin’izany, i Mordekay dia voalaza fa taranak’i Kisy (2:5), izay taranak’i Benjamina, ary Benjamina izay niavian’i Saoly. Ireo mpifahavalo ela no mifanatrika eto, izay samy mahafantatra ny tantarany.

Nolazain’i Hamana fa marobe ny Jiosy ao anatin’ny fanjakan’i Ahasoerosy ka ho lasa loza mananontanona ho an’ny fanjakany izany; noho izany dia aleo hovonoina daholo ny Jiosy rehetra hatramin’izay efa nody, ary halaina ny fananany rehetra ka hahazo volabe izay hampidirina ao amin’ny kitapom-panjakana. Dia namaly i Ahasoerosy fa hevitra tsara izany ka nomeny azy ny fitombom-panjakana hanomezana alalana azy hanao izany. Nankany amin’ireo mpisikidy persiana i Hamana mba hamantatra ny andro mety handringanana ny Jiosy rehetra amin’ny alalan’ny filokana antsoina hoe “pora”. Ity fisehoan-javatra ity no nahazoana ny fety Jiosy hoe Porima izay ankalazaina mandraka ankehitriny ho fahatsiarovana ny saika handringanana ny Jiosy tamin’ny alalan’ny filokana pora. Naely eran’ny fanjakana izany didy izany: “Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ny isan-tokony amin’ny fanjakan’ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ny zaza amim-behivavy aza, amin’ny indray andro monja, dia tamin’ny andro fahatelo ambin’ny folo tamin’ny volana faharoa ambin’ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany” (3:13).

Toko fahefatra: Vonona ilay vehivavy mahery fo



“Ary tany amin’ny isan-tokony tamin’ny fanjakana rehetra nalehan’ny tenin’ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin’ny lamba fisaonana aman-davenona.” (4:3). Rehefa naheno izany vaovao ratsy izany i Mordekay dia nalahelo mafy ka nankeo afovoan’ny tanàna ka nandriatra ny fitafiany sy nidradradradra nitomany ary nanao lamba fisaonana. Tonga tany amin’i Estera ny vaovao ka liana mafy izy tehahafantatra ny anton’izany fihetsik’i Mordekay izany. Nampitondra lamba hitafian’i Mordekay i Estera nefa tsy nety nitafy izany izy fa nanohy ny fisaonany sy ny fitarainany ihany. Dia naniraka ny mpanompony mpikarakara azy antsoina hoe Hatàka ho any amin’i Mordekay i Estera mba hanontany izay manjo azy. Dia notantarain’i Mordekay azy izay hanjo ny Jiosy sy ny vola tsy maintsy haloa (4:7). Rehefa henon’i Estera izany dia nandefa teny indray izy ka nilaza fa efa 3 andro izy no tsy nantsoin’ny mpanjaka hankao aminy. Eto no ahitantsika ny andininy izay isan’ny manan-danja indrindra ato amin’ny bokin’i Estera: “Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra hianao, satria ao an-tranon’ny mpanjaka; fa raha hangina mihitsy hianao amin’izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin’ny fitoerana hafa ho an’ny Jiosy, fa hianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ny fanjakana?” (4:13-14). Fantany tsara manko fa izay tsy mahazo fanasana avy amin’ny mpanjaka dia tsy mahazo miditra eo anatrehany satria azon’ny mpanjaka vonoina. Fantany rahateo ny toetran’i Ahasoerosy rehefa tezitra. Manampy izany koa, efa 30 andro ny mpanjaka no tsy nitady azy, mety nieritreritra izy fa tsy ilain’ny mpanjaka intsony.

Dia namaly indray Estera: “Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.” (4:16). Vonona ilay vehivavy mahery fo sahy maty ho an’ny vahoakany. Ny notadiaviny dia fifadian-kanina ka vavaka no ao ambadik’izany.

Toko Fahadimy: Estera sy Ahasoerosy




Niroso nankany amin’ny mpanjaka i Estera. Notondroin’ny mpanjaka tamin’ny tehiny izy, midika izany fa mahazo miditra mankao amin’ny mpanjaka izy sady nahita fitia taminy (5:2). Nanontany azy izay ilainy i Ahasoerosy: “Inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany” (5:3). Dia namaly Estera fa hanao fanasana izay hanasana ny mpanjaka sy Hamana ilay fahavalon’ny Jiosy. Tonga teo amin’ny fanasana ny mpanjaka sy Hamana. Teo amin’ny fanasana dia nanontany indray ny mpanjaka izay angatahin’i Estera ary nampanantena fa hanome izay rehetra angatahiny na dia ny antsasaky ny fanjakana aza. Dia nangataka indray i Estera fa hanao fanasana indray izy ary hanasa an’i Hamana sy ny mpanjaka. Faly be i Hamana ary raha nivoaka ny vavahady izy dia nahita an’i Mordekay indray ka tezitra mafy rehefa nahita azy tsy mba niankohoka taminy. Nanindry fo ihany izy ka nody tany an-trano ary nitantara tamin’ny namany sy Zaresy vadiny ny voninahitra tamin’ny nanandratan’ny mpanjaka azy. Faly koa izy satria izy ihany no nasain’i Estera hiara-misakafo amin’ny mpanjaka ary mbola hasainy indray rahampitso (5:12). Dia hoy Zaresy vadiny: “Aoka hanaovana hazo, dimampolo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin’ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin’ny mpanjaka amin’ny hafaliana ho any amin’ny fanasana hianao. Ary sitrak’i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy” (5:14-6:1).

Toko Fahenina: Mordekay Lehilahy Malaza

Tsy nahita tory ny mpanjaka ka lasa naka ny boky firaketana ka tamin’izany no nahitany ny anaran’i Mordekay izay nanavotra azy tamin’ny famonoana saika nataon’ireo roalahy Bigtana sy Tarezy. Nanontany ireo mpanompony izy na efa nisy valisoa nomena an’i Mordekay noho izany asa soa nataony izany. Dia namaly izy ireo fa tsy mbola nisy valisoa nomena azy. Dia nanontany ny mpanjaka: “Iza no ao an-kianja ao? (6:4). Tamin’io fotoana io indrindra dia tao an-kianja ivelan’ny tranon’ny mpanjaka i Hamana ka nasain’ny mpanjaka niditra nankao aminy. Dia nanontanian’ny mpanjaka izy hoe: “Inona no mendrika hatao amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra?” (6:6). Falifaly ery i Hamana ary nihevitra izy fa izy ilay olona lazain’ny mpanjaka. Tsy nisalasala izy namaly hoe: “aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany; dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan’ny anankiray izay malaza indrindra amin’ny mpanapaka voatendrin’ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra.” (6:8-9). Dia nasain’ny mpanjaka natao tamin’i Mordekay izany rehetra izany. “Ary Mordekay niverina nankeo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha” (6:12). Notantarainy tamin’ireo namany izay nanjo azy ka niteny ireo olon-kendry hoe: “Raha avy amin’ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy hianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa” (6:13).

Toko Fahafito: Nikendry Handringana ny Jiosy i Hamana




Tonga teo amin’ny fanasana faharoa i Hamana. Nanontany hoatran’ny fanaony indray ny mpanjaka izay angatahin’i Estera ary nampanantena fa hanome izany. Teo no nanondroan’i Estera fa i Hamana no mikotrika ny fandringanana ny Jiosy. Tezitra mafy ny mpanjaka rehefa naheno izany ka nitsangana nivoaka nankany amin’ny zaridainany. Eto indray no ahitantsika ilay fomba fiasan’Andriamanitra mandamina ny fotoana ka mikaonty daholo hatramin’ny minitra sy segondra: “ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin’ny mpanjaka azy” (7:7). Estera mandry ilika no natonin’i Hamana ka nitalahoany mafy mba tsy hovonoin’ny mpanjaka izy. Alaivo sary an-tsaina ny zava-nisy. Hitan’i Ahasoerosy izay miditra tao amin’ny efitrano izany ka noheveriny fa miantsampy hamono an’i Estera i Hamana: “Moa hisavika ny vadin’ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io?” (7:8). Vokatr’izany dia nahantona ho faty i Hamana ary ilay hazo nomaniny hanantonana an’i Mordekay ihany no nanantonana azy (7:9–10). Fitsimbadihana feno fahagagana. Izany no miseho rehefa Andriamanitra no miasa sy manomana ny planina rehetra hiarovany ny olony.

Toko Fahavalo: fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?

Nitsimbadika daholo ny zavatra rehetra. Maty i Hamana, nomena an’i Estera ny tranony ary fantatry ny mpanjaka amin’izay fa ray nitaiza an’i Estera i Mordekay. Nitalaho mafy tamin’ny mpanjaka i Estera mba hofoanana ilay didy navoakan’i Hamana. Araka ny lalàna tamin’ny fanjakana Persa anefa dia tsy azo foanana izay lalàna efa navoakan’ny mpanjaka sy nasiany fitomboka. Noho izany dia tsy foana ilay teo aloha saingy nomen’ny mpanjaka fahefana ny Jiosy hanoratra lalàna vaovao izay manome alalana azy ireo hiaro tena sy hamaly ary handringana izay miady aminy any amin’ny fanjakana manontolo: “ka ny Jiosy izay teny amin’ny isan-tanàna dia navelan’ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin’ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin’ny vady aman-janak’ireny ary handroba ny fananany (8:11). Faly ny Jiosy rehetra ary Mordekay dia niakanjo ny akanjo fanaon’ny mpanjaka, tena nitsimbadika tanteraka ny zavatra rehetra.

Toko Fahasivy: Voavonjy ny Jiosy



Tonga tokoa ny fotoana voatondro fa handringanana ny Jiosy araka ny didy voalohany, saingy lasa natahotra ny Jiosy ny olona ka tsy afaka nandringana azy ireo. Lasa nanana ny heriny sy ny toerany manokana tao amin’ny fanjakana i Mordekay ka nohajaina sy nomem-boninahitra hany ka lasa vahoaka nanana ny toerany manokana tao amin’ny fanjakana ny Jiosy izay saika nolevonina tsy hisy intsony teto ambonin’ny tany: “Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon’ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin’ny isan-tokony eran’ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io” (9:4). Voalaza fa “Ary nasian’ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin’izay nankahala azy izy” (9:5). Nahantona izy 10 lahy zanak’i Hamana tao Sosana, nitsimbadika tanteraka ny tantara (9:12). Izany no nanombohan’ny fankalazana ny fety Jiosy antsoina hoe Porima izay nankalazaina ny faha 14 sy 15 amin’ny volana Adara. Ity fety ity dia ho fahatsiarovana ny famonjena nataon’Andriamanitra izay namonjy ny Jiosy rehetra tamin’ny fandringanana saika nataon’i Hamana tamin’ny alalan’i Estera. Ny teny hoe “Porima” dia avy amin’ny teny Persiana hoe “pora” izay ilazana ny filokana izay nampanaovin’i Mordekay an’ireo mpisikidy persiana mba hahafantarana ny andro handringanana ny Jiosy (9:26, 28). Mandraka ankehitriny dia mbola ankalazain’ny Jiosy maneran-tany izany fety izany.

Lesona ho Antsika Ankehitriny

1.      Ny fihetsika voalohany ataon’ny zanak’Andriamanitra rehefa misedra olana dia ny miantoraka amin’Andriamanitra. Jesosy no voalohany iresaho izay manjo anao fa tsy ny namana na ny havana aza. Mordekay tonga dia nitomany sy nihosim-bovoka raha vao nandre momba ny fandringanana ny Jiosy havany. Tsy anjarantsika ny manao kajikajy marobe ny amin’ny antony nahatonga ilay zava-tsarotra lalovantsika. Avelan’Andriamanitra andalovantsika izy ireny mba hiadiantsika sy mba hitaizana antsika. Na inona na inona miseho dia miantoraha amin’i Jesosy, mitomania Aminy, tantarao Azy izay manjo anao. Tsy tantiny ny mahita ny mpanompony mitaraina sy mitomany Aminy ka ho avy Izy hamonjy ny olony. 

2.  Misy antony avokoa ny nametrahan’Andriamanitra antsika eo amin’ny toerana misy antsika. Tsy ny toerana misy anao androany akory no mamaritra ny asa ampanaovin’Andriamanitra anao. Tovovavy kamboty, feno ratran’ny lasa, tsy mba nanana ray aman-dreny nitaiza, ambonin’izany dia vehivavy. Izany tovovavy toa tsy misy ilana azy izany no nampiasain’Andriamanitra hamonjy ny Jiosy manontolo teto ambonin’ny tany. Toy izany koa izaho sy ianao, matetika isika feno tahotra, tsy matoky tena, mihevitra fa tsy mahavita sy ilaina. Misy antony nametrahan’Andriamanitra anao ho vadin’io vadinao io, ho ray aman-dreny mitaiza ireo zanakao ireo, ho mpiara-miasa amin’ireo mpiara-miasa aminao ireo, ho fikanam-behivavy ao amin’ny fiangonanao… Estera atsangan’Andriamanitra hitondra fanaovazana sy famelomana ary famonjena ho an’ny hafa ianao.

3.      Efa voalamin’Andriamanitra ny fotoana sy ny tantara. Voaisany avokoa na ny segondra sy ny minitra. Mpanao timing tapitrohatra Andriamanitra, tsy mba diso ny fandaharany ny tantaranao. Jereo tsara ireo fifanandrifian-javatra rehetra ao amin’ny bokin’i Estera: Estera Jiosy lany ho mpanjakavavy, Mordekay namonjy ny ain’ny mpanjaka ka lasa nahita fitia taminy, Hamana sendra niditra tao amin’ny lapan’ny mpanjaka ka nanontanian’ny mpanjaka, Estera nandry ilika ka noheverin’ny mpanjaka fa nanisy ratsy an’i Estera i Hamana, … Matetika isika kivy tsy mahandry rehefa mivavaka, tsy diso fotoana Jesosy, efa voaomany daholo ny fisehoan-javatra hanalany antsika amin’io olana manjo antsika io.

4. Miandany amin’ny olony Andriamanitra ka mampitsimbadika ny ratsy izay kasain’ny hafa atao aminy. Tsy mamaly faty ny Kristiana; tsy manisy ratsy ny fahavalo ny Kristiana fa miantoraka amin’Andriamanitra ka mitaraina Aminy, an’Andriamanitra ny sisa rehetra. Mampandresy ny mino Azy Andriamanitra. Tsy anjarantsika ny mangataka amin’Andriamanitra hoe “ataovy an’izao izy,” ny anjarantsika dia mivavaka ho an’ny fahavalontsika. Andriamanitra no nandringana ireo miaramilan’ny Farao tao amin’ny Ranomasina, Jesosy dia nivavaka ho an’ireo nanombo azy tamin’ny hazofijaliana. Nitsingerina tamin’i Jodasy ny ratsy nataony ka nananton-tena izy. Ny hazo nomanin’i Hamana hanantonana an’i Mordekay ihany no nampiasain’Andriamanitra nanantonana an’i Hamana.

5. ESTHER MOMENT: rehefa ianao no notendren’Andriamanitra hanao ilay zavatra anirahany anao dia ianao ihany no ilainy hanao izany. Amin’io fotoana manokana iantsoany anao io ilay fotoana tokana aman-tany voafidin’Andriamanitra hitsangananao sy hiasanao. Maro ireo zavatra mila fanarenana manodidina anao, eo amin’ny ankohonanao, eo amin’ny fiangonanao, eo amin’ny firenena. Ianao no ilay Estera vaovao tsy mahazaka mahita ny fahavoazanan’ny fiangonana sy ny firenenao. Fotoana izao hijoroanao sy hitsangananao hiasa! Fandringanana no miandry ny manodidina anao raha tsy mandray fanapahan-kevitra ianao izao dia izao! Makà taratasy sy penina dia soraty ao ireo faharavàna mila fanarenana eo amin’ny sehatra misy anao. Manaova tabilao misy colonnes roa, an-daniny ireo olana sy faharavana, an-kilany ireo anjara asa tsy maintsy ataonao mba hanarenana ireo.  

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra Amen!

Pastora Dr. RANDRIANJAKA Olivier, Mpampianatra SALT


Post a Comment

0 Comments